Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Taiza io no Nitranga?

1. Taiza ny toerana niakaran’i Jesosy ho any an-danitra?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:6-12.

Asio boribory ny valin-teninao eo amin’ny sarintany.

Tendrombohitra Karmela

Tendrombohitra Gerizima

Tendrombohitra Oliva

Hebrona

▪ Inona no nanontanian’ireo mpianatra an’i Jesosy, taloha kelin’ny hiakarany ho any an-danitra?

․․․․․

▪ Inona no nolazain’i Jesosy fa hataon’ny mpianany?

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’ireo anjely ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:11? Inona no azonao atao mba handraisana anjara amin’ilay asa nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8?

Ato Amin’ity Gazety Ity

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 4 Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Elia? Jakoba 5:․․․

PEJY 7 Tsy maintsy mivelona amin’ny inona ny olona? Matio 4:․․․

PEJY 19 Iza no mety hifikitra kokoa noho ny rahalahy? Ohabolana 18:․․․

PEJY 20 Inona avy no samy manana ny fotoanany? Mpitoriteny 3:․․․

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Iza Ireto Razamben’i Jesosy Ireto?

Jereo ny fanazavana eo ambany. Vakio ny andinin-teny, ary soraty ny anarana marina.

2. ․․․․․

Tamin’ny fotoana nanjakako no nahitan’i Hilkia “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.”

Vakio ny 2 Tantara 34:1, 14.

3. ․․․․․

Izaho no governora voalohany teo amin’ireo Jiosy niverina avy tany Babylona.

Vakio ny Hagay 1:14.

4. ․․․․․

Mpandrafitra aho.

Vakio ny Matio 1:16; 13:55.

▪ Valiny, pejy 14

VALIN’NY PEJY 31

1. Tendrombohitra Oliva.

▪ Nanontany izy ireo hoe rahoviana i Jesosy no hampody ny Fanjakana.

▪ Nilaza i Jesosy fa ho vavolombelony any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ny mpianany.

2. Josia.—Matio 1:10.

3. Zerobabela.—Matio 1:12.

4. Josefa.—Matio 1:16.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Boribory afovoany: Oxford Scientific/photolibrary