Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy Andevozin’ny Toaka Intsony (Mey 2007) Mamaky ny gazetinareo aho indraindray rehefa anateran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako hoe tena mampahery ireo lahatsoratra ao, fa tsy toa an’ireo vaovao mahakivy ao amin’ny tele sy ny gazety hafa. Tsy mpisotro aho, nefa manana havana sy namana andevozin’ny toaka. Nilaza ilay lehilahy tao amin’io lahatsoratra io fa afaka tamin’ny toaka tao anatin’ny telo volana izy, na dia efa nandevozin’ny toaka nandritra ny taona maro aza. Midera azy aho noho izany. Hoatran’ny tsy tena mampino ahy anefa ilay izy, ary heveriko fa mety hahakivy an’ireo miezaka hiala amin’ny toaka. Mazàna ny olona efa niankin-doha tamin’ny toaka toy izany no miverina misotro indray, ary imbetsaka izy no tratran’izany mandra-pahafaka azy tanteraka.

G. A., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy te hilaza akory izahay hoe mora ny miala amin’ny toaka. Ekenay fa maro amin’ireo miady mafy amin’io fahazaran-dratsy io no miverina misotro indray ary kivy mihitsy aza, mandra-pahafaka azy tanteraka. Na dia ireo afaka tamin’ny toaka tao anatin’ny fotoana fohy sy efa tsy andevozin’ny toaka intsony aza, dia mila mitandrina mba tsy hiverina hisotro indray. Resahin’ilay lahatsoratra fa niteny toy izao ilay lehilahy “nandevozin’ny toaka”, taorian’ny folo taona tsy nisotroany intsony: “Maro no tsy mahalala hoe manao ady mafy aho, ary fisotroana kely fotsiny dia efa mety hampiverina ahy amin’ny fanaoko taloha. Mbola ao amiko foana ny faniriana hisotro. Mila mivavaka mafy sy ho tapa-kevitra ny tsy hisotro mihitsy àry aho.” Maro no nahavita niala tanteraka tamin’ny toaka, noho izy niantehitra tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. —Salamo 55:22.

Azo Itokisana ve ny Baiboly? (Novambra 2007) Roambinifolo taona aho, ary te hisaotra anareo noho io Mifohaza! laharana manokana io. Tena mahaliana ilay izy sady ahalalan-javatra. Tena tiako ilay eo amin’ny pejy faha-7, izay manazava fa mirindra tsara ny Baiboly. Miresaka zavatra mbola tsy noeritreretiko mihitsy izy io. Efa tsy andriko indray ny hahatongavan’ny gazety laharana manokana manaraka!

D. F., Etazonia

Eritrereto Izao Tiako ny hisaotra anareo noho io zava-baovao ao amin’ny Mifohaza! io. Tena manampy ahy ireo fanontaniana eny amin’ny faran’ny lahatsoratra sasany. Manampy ahy hitadidy sy hisaintsaina an’ilay fanazavana izy ireny. Mirotoroto mantsy ny fiainana ankehitriny, ka mety tsy ho voamarika akory ireo hevitra sarobidy sy mampahery ao amin’ny lahatsoratra vakintsika.

M.S., Brezila

Tsy ho Velona Intsony ve ny Maty? (Desambra 2007) Maty tamin’ny loza nahatsiravina ny reniko, enim-bolana lasa izay. Tena nampahery ahy ny namaky an’io lahatsoratra io. Vao mainka aho izao mino fa mbola hihaona aminy indray rehefa hatsangana ny maty. Misaotra indrindra.

L. R., Brezila

Manontany ny Tanora Hoe... Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly? (Novambra 2007) Nihevitra aho taloha fa tsy misy maharatsy ny mampiaraka, raha mbola tsy mijangajanga. Lasa tsy nahafa-po ahy intsony anefa ny niaraka fotsiny tamin’ilay ankizilahy niarahako. Nanomboka nanana fanirian-dratsy aho. Misaotra anareo manazava amin’ny fomba tsotra an’ireny fampianarana avy ao amin’ny Baiboly ireny, ho anay tanora mbola tsy nahita fiainana.

E. F., Japon