Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Antony Namoronana Antsika?

Inona no Antony Namoronana Antsika?

Inona no Antony Namoronana Antsika?

Inona no antony ahavelomantsika?

FANONTANIANA fametraky ny olona ireo. Misy aza manontany hoe: ‘Natao ho velona 70 na 80 taona monja ve isika ary ho faty avy eo, sa misy antony hafa namoronana antsika?’—Salamo 90:9, 10.

Rehefa iharam-pahoriana isika no tena mametraka fanontaniana toy izany. Hitantsika mantsy amin’izay fa tena fohy ny fiainana. Tsy amin’ny fotoana toy ireny ihany anefa isika no manontany ny antony namoronana antsika. Misy koa manontany an’izany rehefa diso fanantenana, na rehefa mandinika ny fiainany.

Nanana asa be karama sy trano tsara tarehy, ohatra, i Dave. Tia niaraka tamin’ny namany koa izy. Hoy i Dave: “Teny an-dalana nody avy nanao fety aho indray alina no lasa saina tampoka hoe: ‘Dia izao fotsiny ve ny fiainana? Natao ho velona taona vitsivitsy ve aho, ary ho faty avy eo, sa misy antony hafa namoronana ahy?’ Hitako hoe tsy nisy dikany ny fiainako, ka izany no tena nahalasa saina ahy.”

Tafavoaka velona tamin’ilay Famonoana Tambabe tany amin’ny toby fitanana nazia, i Viktor Frankl sy ny namany vitsivitsy. Nilaza izy ao amin’ny bokiny fa nisy tamin’ireo olona ireo nanontany tena hoe nahoana no mbola velona ihany, na dia efa afaka tany amin’ny toby fitanana aza. Hitany mantsy fa maty daholo ny havany. Hoy i Frankl: “Tena mampalahelo fa tsy araka ny nantenain’izy ireo mihitsy ny zavatra hitany, rehefa afaka soa aman-tsara izy!”

Fanontaniana efa hatry ny ela

Tsy vao izao no nisy olona nanontany ny antony namoronana azy. Tantarain’ny Baiboly fa efa nisy izany fahiny. Teo, ohatra, i Joba. Tsy nisy niangana na ny fananany na ny zanany. Mbola narary mafy koa izy. Hoy àry izy: “Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e? Nahoana aho no tsy niala aina raha vao nivoaka avy tao an-kibo?”—Joba 3:11.

Niteny zavatra nitovitovy tamin’izany koa i Elia mpaminany. Noheveriny mantsy fa izy irery no nanompo an’Andriamanitra. Hoy izy: “Aoka izay! Esory amin’izay ny aiko, Jehovah ô.” (1 Mpanjaka 19:4) Maro no miteny toy izany. Milaza mantsy ny Baiboly fa “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany” i Elia.—Jakoba 5:17.

Inona no valiny?

Mazàna no oharina amin’ny dia lavitra ny fiainana. Misy olona mandehandeha fotsiny, fa tsy mamantatra akory izay halehany. Toy izany koa fa misy olona tsy mamantatra akory ny tena antony ahavelomany. Hoy ny mpanoratra iray: ‘Miasa mafy ilay olona, satria izay ihany aminy ny fiainana.’ Inona anefa no ho vokany raha manao an’izany ianao? Hoy ihany ilay mpanoratra: ‘Azo lazaina hoe tafita ny sasany amin’ireny olona ireny. Tsapany anefa avy eo fa tsy misy dikany ilay izy. Hitany mantsy fa namoy zavatra tena sarobidy taminy izy mba hahatafita azy.’

Tsy ekenao ve fa ho reraka fotsiny ny olona manao dia lavitra, raha miezaka mandeha mafy, nefa diso lalana? Toy izany koa fa ho diso fanantenana izay miezaka miasa mafy, satria hoe izay ihany no antony ahavelomany. Tsy maintsy ho hitany mantsy fa tsy nisy dikany ny fiainany.

Saika ny olona eran-tany, na antitra na tanora, no te hahalala ny antony namoronana azy. Misy faniriana lalina mantsy ao anatiny, ka io no mahatonga azy hanontany. Ao foana izy io, na manana ny zava-drehetra aza izy. Andeha hojerentsika izay nataon’ny olona sasany, mba hahafa-po an’io faniriana io.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Ho diso fanantenana izay miezaka miasa mafy, satria hoe izay ihany no antony ahavelomany. Tsy maintsy ho hitany mantsy fa tsy nisy dikany ny fiainany

[Sary, pejy 3]

Nanontany i Joba hoe nahoana izy no nisy

[Sary, pejy 4]

“Nanana fihetseham-po toa antsika ihany” i Elia