Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamitaka ny Dokam-barotra

Mamitaka ny Dokam-barotra

Mamitaka ny Dokam-barotra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY POLONINA

Variana erỳ i Tomek kely mijery tele. Henoiny tsara ilay dokam-barotra hoe: ‘Rehefa manao an’ity akanjo ity ny zanakao, dia hatanjaka sy havitrika, ary ho tian’ny namany. Vidio ity!’ Mihazakazaka mankeo amin’ny dadany i Tomek, sady mihirahira an’ilay mozika mahafinaritra tao amin’ilay dokam-barotra. Hoy izy: “Dada a! Izaho mba ividiano an’io!”

▪ Nahoana no tian’ny ankizy ireny zavatra atao dokam-barotra ireny? “Satria manana an’ireny ny namany, dia mba te hanana koa izy. Tsy tiany ny hihatakatahan’ny namany”, hoy ny mpampianatra iray tao amin’ny gazety poloney atao hoe Rewia. Rehefa mitalaho sy mitomany ary midongy ny ankizy, dia matetika no milefitra ny ray aman-dreny, ka mividy an’ilay zavatra tian-janany.

Nahoana no tena mamitaka ny dokam-barotra natao hikendrena ny ankizy? “Tsy ny vidin’ilay entana, na ny hatsarany, na ny ilana azy no tena asongadina”, hoy i Jolanta Wąs, psikology. “Ny hahatonga ny ankizy ho tia an’ilay entana” kosa no tanjona. Hoy ihany i Wąs: ‘Tsy handinika izay resahin’ilay dokam-barotra ny ankizy Tsy hampitaha izany amin’izay fantany fa marina koa izy ireo.’ Ary na manao izany aza izy dia ho diso hevitra, satria mbola tsy afaka misaina tsara.

Ahoana no iarovanao ny zanakao tsy ho voafitaky ny dokam-barotra? Voalohany, hoy ny Rewia: “Tsy maintsy manokana fotoana iarahana amin’ny zanakao ianao. Hazavao aminy foana hoe tsy ny karazana kiraro [na akanjo] anaovan’ny olona akory no mampisy vidiny azy.” Lazao aminy fa afaka ny ho sambatra izy, na dia tsy manana ny kilalao nivoaka farany aza. Faharoa, tokony ho fantatry ny ray aman-dreny fa misy vokany eo amin’ny zanany ny dokam-barotra. Inona àry no vahaolana? Manoro hevitra i Wąs fa tsy “ny dokam-barotra no tokony havelantsika hilaza izay tsara ho an’ny zanatsika.”

Farany, mahasoa an’ireo ray aman-dreny ny torohevitry ny Baiboly. Hoy ny apostoly Jaona: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 2:15, 16.

Tsy ekenao ve fa dokam-barotra maro no manaitra “ny fanirian’ny maso”, ka lasa te ‘hampideradera ny fananany’ ny tanora sy ny olon-dehibe? Mahaliana ilay tohin’ny tenin’i Jaona hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17.

Mila manokana fotoana hiresahana zavatra mahasoa amin’ny zanany foana àry ny ray aman-dreny. Amin’izay izy ireo dia afaka mampianatra ny zanany ny fitsipik’Andriamanitra, sy ny toetra tsara tokony hananany. (Deoteronomia 6:5-7) Tsy ho mora voafitaky ny dokam-barotr’ity tontolo ity ny ankizy amin’izay. Ny tanjon’izy ireny mantsy dia ny hahatonga azy ireo hanery ny ray aman-dreniny mba hividy zavatra ho azy.