Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Ireo Fiovana Lehibe Teto Korea Aho

Nahita Ireo Fiovana Lehibe Teto Korea Aho

Nahita Ireo Fiovana Lehibe Teto Korea Aho

Notantarain’i Chong-il Park

“Kanosa ialahy! Matahotra ny ho faty an’ady ialahy, ka ny fivavahana no mody ataon’ialahy fialan-tsiny tsy hanaovana miaramila.” Izany no tenin’ilay kapiteny tamiko tamin’izaho nijoro teo anatrehany, tamin’ny Jona 1953, 55 taona mahery lasa izay.

TAMIN’NY Adin’i Korea no nitrangan’izany. Namoaka basy poleta ilay kapiteny tamin’izay, ary nametraka izany teo ambony latabatra. Hoy izy: “Hovitaiko eto ialahy rehefa tsy ho faty any an’ady. Sa ialahy mbola hieritreritra?”

Nanda mafy aho. Nomeny baiko àry ny miaramila iray mba hanomana ny famonoana ahy.

Izany no nanjo ahy satria voantso ho miaramila aho nefa nanda. Mandra-piverin’ilay miaramila, dia nilaza tamin’ilay kapiteny aho fa efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra, ka tsy mety raha ataoko sorona amin-javatra hafa ny aiko. Tsy nisy niteny izahay nandritra ny minitra vitsivitsy. Tsy ela dia niverina ilay miaramila nahazo baiko, ary nilaza fa efa vonona ny zava-drehetra hamonoana ahy.

Tsy nahalala firy momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny Koreanina tatsimo tamin’izany, indrindra moa fa ny tsy fetezan’ny Vavolombelona hanao miaramila, na aiza na aiza tany misy azy. Alohan’ny hanohizako ny tantara, dia aleo aloha hotantaraiko ny nahatonga ahy handray an’ilay fanapahan-kevitra nambarako tamin’ilay kapiteny.

Ny fiainako taloha

Tamin’ny Oktobra 1930 aho no teraka, ary izaho no lahimatoa. Tsy lavitra an’i Séoul renivohitr’i Korea tamin’izany, no nisy anay. Nanaja fatratra ny foto-pisainan’i Confucius ny dadabeko, ka nobeaziny ho toy izany koa aho. Tsy navelany nianatra aho, ka efa maty izy vao niditra nianatra aho, tamin’izaho folo taona. Avy eo, tamin’ny 1941, dia nifanandrina tao anatin’ny Ady Lehibe II i Japon sy Etazonia.

Teo ambany fifehezan’i Japon i Korea, ka isa-maraina dia nisy fombafomba tsy maintsy natao tany am-pianarana, ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka japoney. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny nenitoako sy ny dadatoako tamin’izay. Nigadra teto Korea izy mivady nandritra ny Ady Lehibe II, satria tsy nety nandray anjara tamin’ny ady, noho ny finoany. Nampijalijalin’ny Japoney ny Vavolombelon’i Jehovah ka nisy maty, anisan’izany ny dadatoako. Niara-nipetraka taminay ilay nenitoako, tatỳ aoriana.

Tsy teo ambany fifehezan’i Japon intsony i Korea, tamin’ny 1945. Nanampy ahy ilay nenitoako sy ireo Vavolombelona hafa tsy maty tany am-ponja, ka nandalina ny Baiboly aho ary natao batisa tamin’ny 1947. Tonga tao Séoul, i Don sy Earlene Steele, tamin’ny Aogositra 1949. Izy mivady ireo no misionera tonga voalohany teto Korea, avy amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Nisy misionera hafa koa tonga, tao anatin’ny volana maromaro.

Koreanina efatra izahay no nirotsaka ho mpisava lalana (mpitory manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah), tamin’ny 1 Janoary 1950. Izahay no mpisava lalana voalohany teto Korea, taorian’ny Ady Lehibe II.

Fiainana nandritra ny Adin’i Korea

Tsy ela taorian’izay, dia nipoaka ny ady teo amin’i Korea Avaratra sy Korea Atsimo, tamin’ny alahady 25 Jona 1950. Iray monja ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Korea tamin’izany. Tao Séoul no nisy azy io, ary 61 ny mpitory. Nasain’ny ambasady amerikanina niala teto Korea ny misionera rehetra mba hiarovana ny ainy. Niala tao Séoul ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary niparitaka nanerana ny faritra atsimon’i Korea.

Tsy navelan’ny fitondrana hiala tao Séoul anefa ny tovolahy toa ahy, izany hoe ireo ampy taona hanao miaramila. Niditra tampoka tao an-tanàna ny miaramila kominista, ary lasa teo ambany fifehezan’izy ireo i Séoul. Voatery niafina tao anaty efitra kely aho nandritra ny telo volana. Afaka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra foana anefa aho. Nihaona tamin’ny mpampianatra iray aho indray andro. Niafina koa izy mba tsy ho tratran’ny Kominista. Niara-nipetraka tamiko izy tamin’ny farany, ary nampianariko Baiboly isan’andro. Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izy, tatỳ aoriana.

Tratran’ny manam-pahefana kominista avy any Korea Avaratra izahay tamin’ny farany, tao amin’ilay toerana niafenanay. Nilaza tamin’izy ireo izahay hoe mpianatra ny Baiboly, ary noresahinay taminy ny fampianaran’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Gaga be izahay fa tsy nisambotra anay izy ireo. Nahaliana azy ireo kosa ny hafatra ara-baiboly noresahinay. Nisy aza niverina imbetsaka tao aminay, satria te hahalala bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Vao mainka àry izahay nino fa niaro anay i Jehovah.

Nofehezin’ny tafiky ny Firenena Mikambana indray i Séoul, ka nahazo alalana manokana ho any Taegu aho, tamin’ny Martsa 1951. Faly erỳ aho niara-nitory tamin’ireo Vavolombelona tany, nandritra ny volana maromaro. Niverina teto Korea i Don Steele tamin’ny Novambra 1951, talohan’ny hifaranan’ny ady.

Nanampy azy handamina indray ny asa fitoriana aho. Tsy maintsy nadika tamin’ny teny koreanina Ny Tilikambo Fiambenana, sy ny Mpilaza Vaovao, izay nisy ny toromarika momba ny asa fitoriana. Notendrena tamin’ny milina fanoratana izy ireny ary natao be dia be, ka nalefa tany amin’ireo fiangonana, satria efa nisy fiangonana tany amin’ny tanàna maro tamin’izany. Niaraka tamin’i Don nitsidika fiangonana aho indraindray mba hampahery an’ireo rahalahy.

Faly erỳ aho tamin’ny Janoary 1953, fa nahazo fanasana hanatrika ny Sekolin’i Gileada tany New York, mba hiofana ho misionera. Rehefa vita anefa ny famandrihan-toerana tamin’ny fiaramanidina, dia naharay taratasy avy tamin’ny fitondrana koreanina aho fa voantso ho miaramila.

Teo am-bavahoanan’ny fahafatesana

Nankany amin’ny birao misahana ny fiantsoana ho miaramila aho, ary nohazavaiko tamin’ny manamboninahitra iray tao, fa sady tsy manao politika aho no tsy afaka hanao miaramila. Tian’izy ireo ho fantatra raha Kominista aho, ka nalefany tany amin’ny sampam-pitsikilovana. Tamin’izay indrindra aho no teo am-bavahoanan’ny fahafatesana, araka ny notantaraiko terỳ aloha. Tsy notifirina anefa aho. Nitsangana tampoka mantsy ilay kapiteny ka naka kibay, ary nanolotra izany tamin’ny miaramila iray. Nasainy nikapoka ahy ilay miaramila avy eo. Nanaintaina mafy aho, nefa faly satria nahavita niaritra.

Naverina tany amin’ilay birao misahana ny fiantsoana ho miaramila aho. Tsy te hahalala ny zavatra inoako ireo manamboninahitra tao, ka nanome ahy nomerao miaramila, ary nandefa ahy tany amin’ny foibe fanofanana miaramila any amin’ny Nosy Cheju, tsy lavitra an’i Korea. Nasaina nivoady ho miaramila ny zazavao ny ampitso maraina, ary anisan’ireny aho. Tsy nety anefa aho, ka niakatra fitsarana miaramila, ary voasazy higadra telo taona.

An’arivony no tsy nivadika

Hitako nisidina teo amboninay ilay fiaramanidina saika nandehanako, tamin’ilay andro tokony ho nandehanako hiofana ho misionera. Tsy nalahelo be aho na dia tsy lasa tany Gileada aza. Tena faly kosa aho satria tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tsy izaho irery koa no Vavolombelona koreanina nanda tsy hanao miaramila. Tao anatin’ny taona maro nifandimby, dia Vavolombelona 13 000 mahery no nanda tsy hanao miaramila. Maherin’ny 26 000 ny taona lanin’izy ireo tany amin’ny fonja koreanina, raha atambatra.

Namindrana fo aho tamin’ny 1955 ka nafahana, satria voafonja fakan-tahaka. Roa taona tamin’ilay saziko telo taona no vitako tamin’izay. Niverina nanompo manontolo andro aho, ary voatendry hanompo eto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Korea Atsimo, tamin’ny Oktobra 1956. Voasa ho any Gileada indray aho tamin’ny 1958, ary voatendry ho eto Korea rehefa nahazo diplaoma.

Nifankahita tamin’i In-hyun Sung aho taoriana kelin’ny niverenako teto Korea, ary nivady izahay tamin’ny Mey 1962. Vavolombelona tsy nivadika izy. Bodista ny fianakaviany, ary mpiara-mianatra taminy no nahafantarany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra ny telo taona voalohany nivadianay, dia nitsidika fiangonana isan-kerinandro izahay mba hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy. Miasa eto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay, efa hatramin’ny 1965. Eo amin’ny 60 kilaometatra miala an’i Séoul no misy azy io.

Mamisavisa an’ireo fiovana nisy

Gaga aho rehefa mamisavisa an’ireo fiovana maro teto Korea. Rotidrotiky ny ady i Korea Atsimo, taorian’ny Ady Lehibe II sy ny ady nifanaovany tamin’i Korea Avaratra. Ravarava ny tanàna sy ny lalana. Indraindray ihany vao nandeha ny jiro sy ny fitaovana manome hafanana. Nitotongana be ny toe-karena. Nahagaga anefa fa tafarina tanteraka i Korea Atsimo tato anatin’ny 50 taona.

I Korea Atsimo izao no firenena matanjaka faha-11 eran-tany. Mampahalaza azy ny tanàn-dehibe maoderina, lamasinina haingam-pandeha, elektronika, ary ny fahaizana manamboatra fiara. Izy izao no firenena fahadimy mpamokatra fiara betsaka indrindra eran-tany. Ny tena nanaitra ny saiko teto anefa, dia ny fandrosoana vitan’i Korea Atsimo teo amin’ny fanajana ny zon’olombelona, izany hoe ny zon’ny olom-pirenena koreanina.

Rehefa nandalo fitsarana miaramila aho tamin’ny 1953, dia tsy takatry ny fitondrana koreanina hoe nahoana no tsy mamela olona sasany hanao miaramila ny feon’ny fieritreretany. Nampangaina ho Kominista ny Vavolombelona sasany, ary nisy vitsivitsy maty noho ny kapoka nahazo azy. Maro ny rahalahy nogadraina satria tsy nety nanao miaramila. Nahita ny zanany sy ny zafikeliny nogadraina koa izy ireo, noho izany antony izany ihany.

Nilaza zavatra tsara momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampahalalam-baovao tato ho ato, rehefa niresaka fa tsy mety manao miaramila izy ireo, na aiza na aiza fireneny. Nanoratra taratasy mihitsy aza ny mpitsara iray ho fialan-tsiny, noho izy nanameloka Vavolombelona tsy nety nanao miaramila. Navoaka tao amin’ny gazety malaza eto Korea io taratasy io.

Manantena aho fa hanaja ny zon’ireo mandà tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana ny eto Korea Atsimo, toy ny ataon’ny firenena maro. Mivavaka aho mba hitsinjo an’izay olona mitovy finoana amiko ny fitondrana eto Korea Atsimo, ka tsy hanagadra intsony an’ireo tanora manda tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Amin’izay dia ‘hanana fiainana tony sy milamina hatrany’ izahay.—1 Timoty 2:1, 2.

Mpanompon’i Jehovah Andriamanitra isika, ka sarobidy amintsika ny manohana ny zony hitondra. (Asan’ny Apostoly 5:29) Maniry mafy hampifaly ny fony isika, ka tsy mivadika aminy. (Ohabolana 27:11) Faly aho satria anisan’ireo olona an-tapitrisany nifidy ny ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, fa [tsy] niantehitra tamin’ny fahaizako.’—Ohabolana 3:5, 6.

[Teny notsongaina, pejy 13]

“Gaga be izahay fa tsy nisambotra anay izy ireo. Nahaliana azy ireo kosa ny hafatra ara-baiboly noresahinay”

[Teny notsongaina, pejy 14]

Nigadra 26 000 taona ny Vavolombelona koreanina satria tsy nety nanao miaramila

[Sary, pejy 12]

Tany amin’ny fonja miaramila, 1953

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Don Steele, nitsidika fiangonana nandritra ny ady, 1952

[Sary, pejy 15]

Talohan’ny mariazinay, 1961

[Sary, pejy 15]

Nandika tenin’ny mpiandraikitra mpitety faritany, 1956

[Sary, pejy 15]

Izahay sy In-hyun Sung, ankehitriny