Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nositranin’ny ‘Boky Iray Tranainy Be’

Nositranin’ny ‘Boky Iray Tranainy Be’

Nositranin’ny ‘Boky Iray Tranainy Be’

▪ Nihaona tamin’ny ramatoa iray ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Brezila, any Amerika Atsimo, rehefa nitory isan-trano. Nilaza ilay ramatoa fa nanasitrana ny rafozambaviny ny boky iray. Nahaliana an’ilay Vavolombelona izany, ka nanontany izy hoe: ‘Inona izany boky izany?’ Namaly ilay ramatoa hoe: “Boky iray efa tranainy be.” Navoakany, avy eo, ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. An’ny zanany lahy izy io, ary efa simba.

Nanazava ilay ramatoa fa ketraka be ny rafozambaviny, ka tsy nety niala teo am-pandriana satria natahotra mafy ny ho faty sady natahotra haizina. Nahazo an’ilay boky ny zanakalahin’ilay ramatoa, ary nanomboka namaky azy io tamin’ny renibeny. Tena nampahery an’ilay renibeny ny zavatra novakin’ilay zafikeliny, ka tsy ketraka intsony izy.

Hoy ilay Vavolombelona: “Nilazako ilay ramatoa fa ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao pirinty an’ilay boky, ary afaka mitondra boky vaovao ho azy aho. Nangataka boky roa àry izy, ho azy sy ho an’ilay rafozambaviny. Mbola nangataka boky fanampiny izy, rehefa nanatitra an’ireo boky roa tany aminy aho. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy 16 ny fitambaran’ny boky nangatahiny ho an’ny namany.”

Afaka manafatra an’io boky io ianao. Misy tantara 116 ao, momba ny olona sy ny zava-nitranga resahin’ny Baiboly. Efa 30 taona izay no namoahana an’io boky io, ary 72 tapitrisa mahery tamin’izy io no efa natao pirinty. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□Mba andefaso an’io boky io aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.