Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antony Namoronana Antsika

Ny Antony Namoronana Antsika

Ny Antony Namoronana Antsika

HITA ao amin’ny Baiboly fa misy antony ny zava-drehetra ataon’i Jehovah Andriamanitra. Diniho, ohatra, ny tsingerin’ny rano. Tsy ho nisy zavamiaina teto an-tany, raha tsy teo izy io. Hoy ny Baiboly: “Mivarina any an-dranomasina ny renirano rehetra, nefa tsy tondraka ny ranomasina. Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, ary avy any indray izy no mikoriana.” (Mpitoriteny 1:7) Tena marina izany.

Lasa etona ny rano eny amin’ny ranomasina sy farihy, rehefa azon’ny hainandro. Lasa orana indray ilay etona atỳ aoriana, ka miverina etỳ an-tany. Ampitovin’ny Baiboly amin’io tsingerina io ny zavatra lazain’Andriamanitra. Misy foana io tsingerina io. Tsy maintsy tanteraka foana koa izay lazain’Andriamanitra. Hoy izy momba izany: “Dia ho toy izany ny teny aloaky ny vavako. Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.”—Isaia 55:10, 11.

Tena mila orana ny zavamananaina mba ho velona. Tena ilaintsika koa ‘ny teny aloaky ny vavan’Andriamanitra.’ Hoy mantsy i Jesosy Kristy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.”—Matio 4:4.

Raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, dia hahalala ny fikasany, ary ho afaka hiaina mifanaraka amin’izy io. Inona àry no fikasany? Nahoana, ohatra, izy no namorona ny tany? Mahakasika antsika ve izany? Andeha hojerentsika.

Ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany

Tian’Andriamanitra ho sambatra ny olombelona. Napetrany tao amin’ny paradisa atao hoe Edena àry i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany. Hoy izy avy eo: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.”—Genesisy 1:26-28; 2:8, 9, 15.

Inona no dikan’izany? Tian’Andriamanitra hokarakarain’ny olona ny tany manontolo, ka ho lasa paradisa honenan’izy ireo mandrakizay. Hoy ny Teniny: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”Salamo 115:16.

Mila manome voninahitra an’i Jehovah anefa ny olona, ka mankatò azy, raha te hiaina eto an-tany mandrakizay. Nanao izany ve i Adama? Tsia, tsy nankatò an’Andriamanitra izy, fa nanota. Inona no vokany? Nandova ota sy fahafatesana ny taranany rehetra, anisan’izany isika. Hoy ny Baiboly: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Romanina 5:12.

Maty àry ny olona, ary mbola tsy lasa paradisa ny tany. Niova ve anefa ny fikasan’Andriamanitra momba azy io?

Tsia. Tadidio fa nilaza izy hoe: ‘Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teny aloaky ny vavako, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.’ Nampanantena koa izy hoe: “Hataoko izay sitrako rehetra.” (Isaia 45:18; 46:10; 55:11) Sitrak’Andriamanitra na fikasany àry ny hahatonga ny tany ho paradisa. Olona faly manompo azy mandrakizay no honina ao. Mbola tsy niova io fikasany io.—Salamo 37:29; Isaia 35:5, 6; 65:21-24; Apokalypsy 21:3, 4.

Inona no nataony mba hanatanterahana ny fikasany?

Tena hendry sy be fitiavana i Jehovah, ka nanao zavatra mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Nataony izay hisian’ny lehilahy iray tsy nandova ota avy tamin’i Adama, ka ho afaka hamonjy ny olombelona. Vidim-panavotana no iantsoana an’io vahaolana avy amin’i Jehovah io. Ho afaka hiaina mandrakizay ny olona mankatò azy, noho izy io. (Matio 20:28; Efesianina 1:7; 1 Timoty 2:5, 6) Inona àry no nataon’i Jehovah?

Nilaza tamin’i Maria virjiny ny anjely Gabriela fa hitoe-jaza izy, na dia “tsy nanao firaisana tamin-dehilahy” aza. Hanao fahagagana mantsy Andriamanitra, ka hamindra ny ain’ny Zanany lahimatoa avy any an-danitra, ho ao an-kibon’i Maria. Bevohoka àry izy, noho ny herin’ny fanahy masina.—Lioka 1:26-35.

Teraka io zaza io sivy volana teo ho eo tatỳ aoriana, ary i Jesosy no anarany. Lavorary izy, toa an’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Nanome ny ainy ho sorona izy, rehefa lehibe, ka nantsoina hoe ‘Adama faharoa.’ Afaka ny ho voavonjy amin’ny ota sy ny fahafatesana àry ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra.—1 Korintianina 15:45, 47.

Tokony hanohina ny fontsika io fitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra io! Hoy ny Baiboly: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Inona àry no hataontsika ho setrin’izany? Tsy tokony hankasitraka azy ve isika noho io fanomezana io? Ireto misy olona nanao izany.

Fantany ny antony namoronana azy

Nanjary nahalala ny antony namoronana azy i Denise, ilay noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ka lasa sambatra. Fantany fa natao hanome voninahitra an’Andriamanitra ny olona, ka hankatò azy. Hoy izy: “Nianarako tao amin’ny Baiboly fa manana fikasana momba ny olombelona Andriamanitra, ary amin’ny hoavy izy io vao tena ho tanteraka. Efa misy zavatra asainy ataon’ireo mpivavaka aminy anefa ankehitriny, saingy an-tsitrapo ilay izy. Tiany raha manome voninahitra azy izy ireo, ka manao izay takiny. Nanao izany aho, ka tena faly. Mbola tsy sambatra toy izao mihitsy aho.”

Afaka manao toa an’i Denise koa isika. Fantaro ny sitrapon’Andriamanitra ary araho. Marina fa mbola vitsy ny soa azontsika avy amin’ilay vidim-panavotana. Mbola tsy ao amin’ny tontolo vaovao mantsy isika, ary mbola tsy lavorary. Tena ilaintsika anefa aloha izao ny mitady an’Andriamanitra, satria efa faniriana napetrany ao anatintsika izany.

Nanao izany i Dave, ilay noresahina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Nahazo valiny mahafa-po tamin’ny fanontaniany àry izy. Fantany izao ny antony namoronana ny olona. Hoy izy momba ny fiainany taloha: “Tsy nisy dikany mihitsy ny fiainako tamin’izaho mbola tsy nahafantatra ny fikasan’Andriamanitra, nefa tsy fantatro ny antony. Hay nisy banga tato amiko. Niova tanteraka anefa izao ny fiainako. Fantatro mantsy ny antony namoronana ahy sy izay tokony hitondrako ny fiainako.”

Tena mahafa-po àry ny fanazavan’Andriamanitra ny antony namoronana antsika, fa tsy mba toy izany kosa ny fanazavan’olombelona. Noforoniny isika, satria tiany hidera ny anarany, ary hifandray tsara aminy. Raha manao izany isika dia ho faly, satria ho tanteraka amintsika ity faminaniana ity, dieny izao sy ho mandrakizay: “Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.”—Salamo 144:15.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

NAHOANA ISIKA NO MIJALY?

Ny fijaliana no anisan’ny tena mahatonga ny olona tsy hahazo ny antony namoronana azy. Hoy i Viktor Frankl: “Raha tena misy antony namoronana antsika, dia tsy maintsy misy antony koa mahatonga ny fijaliana. Efa nisy foana mantsy izy io, ary tsy azo ialana, toy ny lahatra sy ny fahafatesana.”

Hazavain’ny Baiboly hoe nahoana isika no mijaly sy maty. Tsy Andriamanitra no nahatonga izany, fa ny mpivady voalohany. Nanapa-kevitra ny hanao izay tiany fotsiny izy ireo, fa tsy hiraharaha ny Mpamorona. Lasa manana an’io toe-tsaina ratsy io koa ny taranany rehetra, ka izany no tena mahatonga antsika hijaly.

Marina fa tsy ho afaka ny olana manjo antsika, na dia fantatsika aza ny antony namoronana antsika. Manampy antsika tsy ho kivy anefa ny fahafantarana an’izany. Lasa manantena koa isika fa hesorin’Andriamanitra mandrakizay ny fijaliana sy ny fahafatesana.

[Kisary/Sary, pejy 7]

Misy foana ny tsingerin’ny rano. Toy izany koa fa tsy maintsy tanteraka foana izay lazain’Andriamanitra

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

Orana Lasa etona Lasa etona

↓ ↑

↓ ↑

Farihy, renirano

→ → Ranomasina

[Sary, pejy 8, 9]

Nahoana isika no afaka matoky fa ho paradisa ny tany, ka ho feno olona faly sy salama tsara?

[Sary, pejy 9]

‘Tena faly aho fa nifidy ny hanompo an’Andriamanitra. Mbola tsy sambatra toy izao mihitsy aho.’—Denise