Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oviana i Jesosy no Teraka?

Oviana i Jesosy no Teraka?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Oviana i Jesosy no Teraka?

“TSY fantatra ny daty marina nahaterahan’i Kristy”, hoy ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana Kristianina Tany Am-boalohany (anglisy). An-tapitrisany anefa ireo mitonona ho Kristianina no mankalaza ny nahaterahan’i Jesosy, ny 25 Desambra. Tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa io daty io. Teraka volana Desambra tokoa ve i Jesosy?

Tsy milaza ny daty marina nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly. Manome porofo anefa izy io, fa tsy teraka volana Desambra izy. Hita ao amin’ny boky tsy ara-pivavahana koa ny antony nifidianana ny 25 Desambra, mba hankalazana ny nahaterahan’i Jesosy.

Nahoana no tsy teraka volana Desambra izy?

Teraka tao Betlehema, any Jodia, i Jesosy. Hoy ny Filazantsaran’i Lioka: “Nisy mpiandry ondry koa tany amin’io faritra io. Nitoetra tany an-tsaha izy ireo tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny.” (Lioka 2:4-8) Efa fanao ny toy izany, satria hoy ny boky Ny Fiainana Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Saika mandavan-taona ny andian’ondry no tany an-tsaha.” Mangatsiaka be anefa any Israely, rehefa Desambra. Ho nijanona tany an-tsaha àry ve ireo mpiandry ondry, sady izay indray amin’ny alina? Hoy ilay boky: ‘Tany am-bala ny ondry tamin’ny ririnina. Izany fotsiny dia efa porofo fa tsy mety ho marina ny daty fankalazana ny Krismasy. Milaza mantsy ny Filazantsara fa tany an-tsaha ny mpiandry ondry, tamin’izay.’

Manamarina ny voalazan’io boky io ny tsipiriany hafa iray ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Izao no voalaza ao: “Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy hanoratana ny anaran’ny mponina eran’ilay tany i Aogosto Kaisara. I Kyrenio no governora tany Syria tamin’io fanoratana voalohany io. Dia nankany amin’ny tanàna niaviany avy ny olona rehetra mba hosoratana anarana.”—Lioka 2:1-3.

Namoaka an’io didy io i Aogosto, angamba mba hahafantarana ny isan’ny mponina hampandoaviny hetra sy hantsoiny ho miaramila. Efa bevohoka be i Maria, nefa nankatò an’ilay didy izy sy Josefa, ka nandeha 150 kilaometatra teo ho eo avy any Nazareta nankany Betlehema. Diniho anefa izao: Fantatr’i Aogosto fa efa te hikomy ny Jiosy. Izy rahateo tsy niditra loatra tamin’ny fomba nitondrana ny Jiosy. Heverinao àry ve fa hangataka azy ireo hanao an’io dia lavitra io amin’ny ririnina izy?

Tsy manaiky ny 25 Desambra ho daty nahaterahan’i Jesosy koa ny ankamaroan’ny mpahay tantara sy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Hahitana fanazavana momba izany ao amin’ny rakipahalalana rehetra. Hoy ny rakipahalalana iray navoakan’ny Katolika: “Eken’ny ankamaroan’ny olona fa tsy teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy.”

Nahoana no 25 Desambra no nofidina?

An-jatony taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, vao nofidina hankalazana ny nahaterahany ny 25 Desambra. Nahoana? Mpahay tantara maro no mino fa fotoana fanaovan’ny mpanompo sampy fety no nofidina hankalazana ny Krismasy.

Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Ahoana no niavian’ny 25 Desambra? Ny fanazavana miely indrindra dia hoe novana ho fety kristianina ilay fety nankalazain’ny olona nanerana ny Fanjakana Romanina tamin’io daty io. Antsoina hoe dies solis invicti nati (‘andro nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy’) ilay fety, izay nankalazan’izy ireo ny fiverenan’ny masoandro amin’ny faran’ny ririnina. Efa ho tonga mantsy ny lohataona sy ny fahavaratra.”

Hoy koa Ny Rakipahalalana Amerikanina: “Tsy tena mazava ny antony nankalazana ny Krismasy amin’ny 25 Desambra. Voalaza anefa fa nofidina io andro io, mba hifanitsy tamin’ireo fetin’ny mpanompo sampy, izay nitranga taorian’ny 21 Desambra, rehefa nanomboka ho lava kokoa noho ny alina ny andro, ka nankalaza ny ‘fahaterahan’ny masoandro indray’ izy ireo. ... Natao tamin’io fotoana io koa ny Satiornaly Romanina (fety nankalazana an’i Satiorna, andriamanitry ny fambolena, sy ny masoandro nahazo hery indray).” Fahita nandritra ireny fety ireny mazàna ny firaisana maloto, sy ny lanonana feno filibana sy tabataba. Izany mihitsy koa no ataon’ny olona maro ankehitriny rehefa Krismasy.

Ahoana no tokony hanomezam-boninahitra an’i Kristy?

Misy mino fa tokony hankalaza ny nahaterahan’i Jesosy ihany ny Kristianina, na dia tsy fantatra aza ny tena andro nahaterahany. Mihevitra izy ireo fa rehefa atao amim-panajana ilay izy, dia manome voninahitra an’i Kristy.

Fotoan-dehibe tokoa ny andro nahaterahan’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao, fa rehefa teraka i Jesosy, dia nisy anjely maro be nipoitra tampoka, ary faly nidera an’Andriamanitra hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:13, 14) Marihina anefa fa tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tokony hankalazaina ny nahaterahan’i Jesosy. Misy didy mazava kosa ao hoe tokony hankalazaina ny nahafatesany, ary izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah indray mandeha isan-taona. (Lioka 22:19) Izany no fomba iray hanomezam-boninahitra an’i Jesosy.

Hoy izy, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.” (Jaona 15:14) Hoy koa izy: “Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.” (Jaona 14:15) Inona àry no fomba tsara kokoa hanomezam-boninahitra an’i Jesosy Kristy? Ny mianatra momba azy sy manaraka ny teniny.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Nahoana no tsy teraka volana Desambra i Jesosy?—Lioka 2:1-8.

▪ Inona no zava-dehibe kokoa noho ny andro ahaterahana?—Mpitoriteny 7:1.

▪ Inona no fomba tsara indrindra hanomezam-boninahitra an’i Jesosy?—Jaona 14:15.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Manome porofo ny Baiboly fa tsy teraka volana Desambra i Jesosy

[Sary, pejy 10]

Ho nijanona tany an-tsaha amin’ny ririnina misy lanezy ve ireo mpiandry ondry, sady izay indray amin’ny alina?

[Sary nahazoan-dalana]

Todd Bolen/Bible Places.com