Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paua—Akorandriaka toy ny Vatosoa

Paua—Akorandriaka toy ny Vatosoa

Paua—Akorandriaka toy ny Vatosoa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NOUVELLE-ZÉLANDE

Misy karazana sifotra lehibe iray any amoron-tsiraka. Mandady amin’ny harambato any ambany ranomasina izy ireo, ary ahidrano no fihinany. Matroka ny lokony ivelany, satria rakotra sokay matevina sy zavamiaina bitika. Ny ao anaty akorany kosa ahitana loko isan-karazany toy ny manga tanora, maitso, volomparasy antitra, mavo, ary mavokely. Mamiratra toy ny volamena sy volafotsy izany.

PAUA no anaran’io sifodranomasina mahavariana io. Any Nouvelle-Zélande ihany no misy azy. Mipetraka any an-dranomasina, eny amin’ireo harambato akaikin’ny morontsiraka izy sy ireo sifotra iray karazana aminy. Tian’ny olona hatao firavaka ny paua, satria mareva-doko ny akorany. Maro koa anefa no mankafy ny henany matsiro. Tsy izay ihany, fa afaka manamboatra perla koa izy io.

Maherin’ny 100 ny karazana sifodranomasina eto an-tany. Ahitana izany any Afrika Atsimo, Kalifornia (Etazonia), Japon, Aostralia, Nosy Guernsey (akaikin’i Angletera). Any Nouvelle-Zélande, izany hoe any amin’ny ranomasina mangatsiaka any Pasifika Atsimo, ihany anefa no misy ny paua.

Zavaboary mahavariana

Ahitana sosona proteinina sy kalsioma mifanelanelana amin’ny akoran’ny paua. Manome loko isan-karazany izany, rehefa tarafin’ny hazavana. Izany no antony iantsoana azy io hoe vatosoa any an-dranomasina. Matory ny sifodranomasina rehefa mihamangatsiaka ny ranomasina, ka manjary miadana ny fitombony. Milaza ny manam-pahaizana iray fa mety ho ny zavatra hanin’ny sifodranomasina no mahatonga azy io ho maro loko.

Mifidy tsara ny sakafo haniny sy ny biby iarahany monina ny paua. Tsy mipetraka eny akaikin’ny sokindriaka matsilotsilo izy, satria mitovy ny sakafon’izy ireo. Tena fahavalony koa ny kiririndolo (étoile de mer). Vitsivitsy amin’izy ireny mantsy dia efa maharipaka paua maro be. Fetsy ny kiririndolo satria tampenany amin’ny tanany ireo lavaka fifohan’ny paua rivotra, mba hahasempotra azy. Miendaka eo amin’ilay vato ipetrahany ilay paua, vokatr’izany, ka mora aminy ny mihinana azy.

Azo anamboarana zavatra maro

Tsy manintona firy ny endrika ivelan’ny paua satria mainty. Efa hatramin’ny taonjato maro anefa ny foko maori, tompon-tany any Nouvelle-Zélande, no tia ny henan’izy io, dia ilay hozatra lehibe andadizany eny amin’ny vato. Ataony jono na andravahany zavatra kosa ny akorany, sady anamboarany firavaka sy ataony maso amin’ny sary sokitra.

Tena be mpitia ny paua ankehitriny. Saika mividy firavaka vita amin’izy io avokoa ny mpizaha tany mandalo any Nouvelle-Zélande.

Be dia be ankehitriny ny paua alain’ireo mpanao antsitrika. Mampidi-bola an-tapitrisany dolara ny fanondranana paua. Noferan’ny mpitondra any Nouvelle-Zélande ny habetsahan’ny paua azo alaina isan-taona, mba tsy hahalany tamingana azy io. Atao am-bifotsy ny henan’izy io ary aondrana any Azia. Ny sasany indray atao ao anaty gilasy ary aondrana any Singapour sy Hong-Kong. Tena be mpitady sy lafo vidy izy io any. Matetika izy io no didiana fisaka, ary aroso manta miaraka amin’ny vary masaka miharo vinaingitra nasiana siramamy. Na dia betsaka aza ny paua any amin’ny ranomasin’i Nouvelle-Zélande, dia maro ny mponina any no mbola tsy nanandrana azy io mihitsy. Aondrana any ivelany mantsy ny ankamaroany.

Mihabe mpitady hatrany ny paua maneran-tany, ka lasa miompy azy io ao anaty dobo ireo mpanondrana. Ompiana toy izany koa ny karazana sifodranomasina hafa any Aostralia, Etazonia ary Japon. Mahomby ilay fiompiana, na dia lavitra ny toerana voajanahary tokony hisy azy aza ireo paua. Arahi-maso foana mantsy ny hafanan’ny rano ao amin’ilay dobo.

Tendan-kanina toy ireo namany any an-dranomasina ihany ireo paua ompiana. Mahalany sakafo antsasaky ny lanjany izy ireo, isan-kerinandro. Mahagaga koa fa tena matanjaka izy ireo. Vitany ny miverina haingana amin’ny toerany, rehefa avadika izy. Mora ompiana ny paua. Milaza ny manam-pahaizana iray fa “mahafinaritra ny miompy paua satria malemy paika izy sady hendry. Tsy manohitra mihitsy izy!”

Perla avy amin’ny Paua

Tsy vitan’ny hoe azo anaovana firavaka sy atao sakafo ny paua, fa afaka mamokatra perla mangirangirana koa. Mahalana vao misy perla ao anatin’ny paua any an-dranomasina. Azo ambolena perla anefa ao anatin’izy ireny. Nahita fomba anaovana izany ilay mpahay siansa frantsay atao hoe Louis Boutan, tamin’ny 1895 tany ho any. Misy perla toy ny antsasa-kanety miforona ao, rehefa mandeha ny fotoana. Mitovy loko amin’ilay akorandriaka ilay izy. Ahoana ny amin’io fomba fambolena perla io?

Anatsofohana vaingan-javatra boribory kely ao anatiny, ka ny roa eo amin’ny sisiny ary ny iray ao amin’ny lamosiny. Mandrakotra tsikelikely an’ilay vaingan-javatra ny hara sy ny proteinina ao anatin’ilay akorany. Vita ny perla kely iray, rehefa afaka herintaona sy tapany na mihoatra. (Jereo ny efajoro etsy ambany.) Enin-taona eo ho eo kosa vao vita ny perla lehibe iray. Paua 1 ao anatin’ny 50 no mahavita perla tsy misy tsininy, izany hoe malamalama, miloko marevaka, ary mangirana be.

Mbola tsy nahavita nanamboatra perla boribory tao anatin’ny paua ny mpikaroka. Tsy toy ny masaja (sifodranomasina fanaovana perla boribory) mantsy ny paua, fa aloany daholo izay vaingan-javatra atsofoka ao amin’ny taovam-pandevonan-kaniny. Mbola hisy hahavita hanamboatra perla boribory ao anatin’ny paua ihany angamba, indray andro any.

Efa azontsika ankafizina aloha izao ny henan’ny paua, ny firavaka tsara tarehy azo avy aminy, ary ny akorany mareva-doko. Velom-pisaorana an’Andriamanitra tokoa isika, noho io fanomezany tena kanto io!—Jakoba 1:17.

[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]

AKORA MAFY BE

Kalsioma sy karibonetra no tena betsaka ao amin’ny akoran’ny paua. Ireo zavatra ireo koa no anamboarana ny tsaoka. Avo 30 heny anefa ny hamafin’ny akoran’ny paua, raha oharina amin’ny tsaoka!

Alain’ny paua avy ao amin’ny ranomasina ny kalsioma sy karibonetra, ary izany no anamboarany sosona hara faran’izay manify maro be. Izany no mahatonga ny akorany ho mafy be sy maro loko ary mangirana. Proteinina mifangaro amin’ny siramamy kosa no lakaoly manambatra an’ireo sosona hara. Io karazana lakaoly io no mahatonga an’ilay akorandriaka hamiratra toy ny fitaratra.

Tsy mahavita manamboatra lakaoly sy akorandriaka toy ny an’ny paua ny mpahay siansa. Afaka mamerina amin’ny laoniny izay mitriatra aminy ilay akorandriaka, ary tsy mora vaky izy io noho ny antony dimy, fara fahakeliny. Tena porofon’ny fahaizan’Andriamanitra ny paua.

[Sary nahazoan-dalana]

© Humann/gt photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Ambony havia: © K.L. Gowlett-Holmes; ambony havanana: Marcus Byrne/Photographers Direct

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Silverdale Marine Hatchery, New Zealand