Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavakanto Vita Amin’ny Vatosoa

Zavakanto Vita Amin’ny Vatosoa

Zavakanto Vita Amin’ny Vatosoa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

MARO ny teknika ampiasain’ny mpanao zavakanto mba hanaovana sarina zavaboary. Eo, ohatra, ny môzaika. Vato na taila na fitaratra samihafa loko no ampiasaina. Tsofaina mba hitovy bika na habe izy ireny, ary atambatambatra mba hanome sary. Asa sarotra ilay izy. Anisan’ny sarotra indrindra anefa ilay karazana môzaika avy any Florence, eto Italia. Commesso no anarany. Vato manify kely no ampiasaina, ary tsy voatery hatao mitovy bika na habe. Tena hain’ilay mpanao zavakanto anefa ny manatsofa ireny vato ireny, ka zara raha hita hoe natambatambatra ilay izy.

Vatosoa samihafa loko no ampiasaina. Eo, ohatra, ny lapis-lazuli. Vato manga mamirapiratra feno pentina fotsy izy io, ary misy kristaly mivolom-bolamena manjelatra. Eo koa ny malakita, izay vatosoa misy tsipika maitso antitra sy tanora. Mampiasa marbra koa ny mpanao zavakanto any Florence. Miloko mavo, volontsôkôlà, maitso, na mena isan-karazany izy io, ary misy tsipitsipika tsara tarehy. Eo koa ny vato agata, jaspa, oniksa, pôrfira, sy ny sisa. Miloko isan-karazany koa izy ireny, ary feno pentina. Tena hain’ilay mpanao zavakanto ny mampiasa ireo vatosoa ireo, mba hanaovana sary hafakely. Hainy, ohatra, ny mampivady ireo loko sy tsipika mba hanome sarina zavamaniry, rano manonja, toerana be vato, na lanitra feno rahona mihitsy aza.

Tsy zava-baovao ny commesso. Tany Palestina angamba no nisian’izy io voalohany. Tonga tatỳ Roma ilay izy tamin’ny taonjato voalohany Talohan’i Kristy (T.K.), ary nampiasain’ny olona handravahana gorodona na rindrina. Nisy tany amin’ny toerana maro koa io teknika io, tamin’ny taonjato faha-5 ka hatramin’ny taonjato faha-15 Aorian’i Kristy (A.K.). Nanomboka tamin’ny taonjato faha-16 anefa izy io vao tena nalaza, ary ny zava-bitan’ireo mpanao zavakanto tao Toscane, any Florence, no nahatonga izany. Mbola ahitana an’ireny zavakanto ireny any amin’ny lapa sy tranombakoka maro atỳ Eoropa.

Sarotra be ny manao an’ilay sary ka tena mandany fotoana. Nilaza ny gazety iray fa ‘na ny sary tsotra indrindra aza dia efa mandany ora maro. Mety ho kivy ny olona te hahavita asa haingana, raha mahare ny fotoana lany amin’ilay izy.’ Tena lafo be àry ny vidin’ilay sary rehefa vita, ka tsy takatry ny volan’ny ankamaroan’ny olona.

Ahoana no fanamboarana azy?

Sary hoso-doko matetika no atao kopia, ary iny no ampiasaina. Hetezana tsirairay ny sary eo amin’ilay kopia. Fidina tsara avy eo izay vato mitovy loko amin’ilay sary. Tsy voatery hitovy tanteraka amin’ny lokon’ilay sary anefa ilay vato. Apetaka eo ambonin’ilay vato ilay sary avy eo.

Tazonina mafy amin’ny fitaovana manokana ilay vato, aorian’izay. Roa na telo milimetatra ny hatevin’ny vato tsirairay. Tsofana moramora manaraka an’ilay sary eo amboniny ilay izy avy eo. Hita etsy ambony ny sarin’ilay tsofa. Hosorana ranoka mamasipasika ilay tsofa mba hampahalama ny sisin’ilay vato. Tsy maintsy atao malama tsara ny sisin’ny vato tsirairay, mba tsy hisy elanelany rehefa atambatra. Tsy tokony hisy hazavana mihitsy manelanelana azy, rehefa tarafina amin’ny masoandro na jiro. Eritrereto ange hoe laingom-boaloboka no atao sary e! Azo inoana fa sarotra be vao tafavoaka ilay izy!

Atambatra daholo avy eo ireo vato, ary apetaka amin’ny lakaoly eo amin’ny solaitra. Atao malama tsara ilay sary manontolo amin’ny farany, ka mamirapiratra erỳ! Tena hafakely ilay izy, ka na fakan-tsary aza tsy mahatafavoaka ny hakantony. Tena mahavariana ny fahaizan’ilay mpanao zavakanto. Toy ny tena izy mihitsy ny zava-bitany. Hainy ny mamoaka ny faritra maizimaizina sy mazava eo amin’ny sarina felam-boninkazo, voankazo, vazy, lolo, vorona, na toerana tsara tarehy. Tsy vato miloko ranoray no ampiasainy, fa izay sady misy loko matromatroka no misy mazavazava.

Mbola misy mampiavaka ny commesso koa anefa. Tsy mitady zavatra hafa ilay mpanao zavakanto, fa ny vato efa noforonin’Andriamanitra ihany no ampiasainy. Hoy ny boky iray: ‘Efa hita ao amin’ireny vatosoa bitika ireny ny hakanton’ny zavaboary rehetra. Rehefa jerena izy ireny, dia hita fa be voninahitra Andriamanitra, ary izy no mahery indrindra.’

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary rehetra eo amin’ny pejy 16 sy 17: Su concessione del Ministero per i Beni e le Attività Culturali-Opificio delle Pietre Dure di Firenze, Archivio Fotografico