Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Matio 25:1-12. Jereo amin’izay ilay sary. Inona no diso eo? Soraty eto ambany ny valin-teninao.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

4. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana ireo virjiny dimy no tsy nizara ny menak’izy ireo?

Vakio ny Matio 25:8, 9.

Rahoviana no mety ny mizara amin’ny hafa izay ananantsika? Rahoviana izany no tsy mety?

Ato Amin’ity Gazety Ity

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 6 An’iza ny tany sy izay rehetra eo aminy? Salamo 24:․․․

PEJY 9 Inona no ho azon’izay mangetaheta? Apokalypsy 22:․․․

PEJY 18 Manao ahoana ny olona mahay manavaka? Ohabolana 17:․․․

PEJY 29 Inona no mety ho vokatry ny hadalan’ny olona iray? Ohabolana 19:․․․

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Fantatrao Tsara ve Ireo Mpaminany?

5. ․․․․․

Iza ilay mpaminany nandositra an’i Joiakima Mpanjaka?

Vakio ny Jeremia 26:17-23.

6. ․․․․․

Tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia, iza no naminany fa ho lasa “korontam-bato miavosa” i Jerosalema? Vakio ny Jeremia 26:18.

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra hiresaka momba an’Andriamanitra, rehefa avy namaky ny tantaran’ireo mpaminany roa ireo? Vakio ny Ohabolana 29:25.

◼ Valiny, pejy 21

VALIN’NY PEJY 31

1. Tsy miresaka momba ny ampakarina ilay tantara.

2. Virjiny dimy no niditra tao amin’ilay fety.

3. Nanana jiro sy fitoera-menaka ny virjiny dimy, fa jiro fotsiny kosa no teny amin’ireo dimy hafa.

4. Tokony hisy varavarana hohidian’ilay mpampakatra.

5. Oria.—Jeremia 26:20.

6. Mika.