Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hadino Ireo Andevo avy any Pasifika Atsimo

Hadino Ireo Andevo avy any Pasifika Atsimo

Hadino Ireo Andevo avy any Pasifika Atsimo

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FIDJI

FALY erỳ ny olona fa indreny nisy sambo roa nanatona ny morontsirak’ilay nosy kely mitokana any Pasifika Atsimo. Taona vitsivitsy talohan’izay mantsy, dia nomen’ny lehilahy iray pejy vitsivitsy tamin’ny Baiboliny ny fianakaviana tsirairay tao. Tody tao io lehilahy io rehefa rendrika ny sambo nitondra azy. Tena tian’ireo olona tso-piaina ireo ny namaky ireo pejy ireo, ka tsy andriny ny hoe hisy Kristianina ho tonga hampianatra azy.

Rehefa tonga ireo sambo roa, dia nampanantena ireo tantsambo fa hitondra an’ireo olona ireo any amin’ny toerana hahafahany hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra. Natoky izany ny lehilahy sy vehivavy 250 teo ho eo ka niakatra tao an-tsambo. Maro tamin’izy ireo no nitondra an’ireo pejy avy ao amin’ny Baiboly, ka namihina izany teny an-tanany.

Voafitaka anefa izy ireo. Rehefa tao an-tsambo izy ireo, dia nofatorana, nalefa tao ambany lakaly, ary nentina lavitra ho any amin’ny seranan’i Callao any Amerika Atsimo. Maro no maty teny an-dalana noho ny fiainana tsizarizary. Maro koa no novetavetaina. Izay tsy maty kosa namidy ho andevo, ka natao mpiasa an-trano, nalefa tany amin’ny toerana fambolena na fitrandrahana, ary tsy tafody intsony.

Fivarotana andevo

Nalaina an-keriny ny mponin’ireo nosy tany Pasifika Atsimo, nandritra ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-20. An’arivony tamin’izy ireny no nentina tany Amerika Atsimo, nandritra ny taona vitsivitsy taorian’ny 1860. Tany Aostralia indray no nitondrana olona avy tamin’ireny nosy ireny, tao anatin’ny folo taona nanaraka. Tamin’ny 1867, dia nilaza tamin’ny mpamboly fary sy landihazo i Ross Lewin, anisan’ny tafika an-dranomasina britanika taloha, fa azony itondrana “olona tena mazoto miasa” avy any amin’ireo nosin’ny Pasifika izy ireo. “Fito [livres sterling] no vidin’ny iray”, hoy izy.

Niady tamin’ny fivarotana andevo ny Birao Misahana ny Zanatany Britanika, nefa tsy nahomby. Sarotra mantsy ny hampihatra lalàna britanika amin’olona avy any amin’ny firenen-kafa. Ny lalàna anglisy koa tsy nisy tsipiriany momba ny atao hoe fanandevozana. Tany amin’ny fitsarana àry, dia nilaza ireo mpivarotra andevo fa tsy tena andevo ireo olona nofitahina sy nentina an-keriny, satria nokaramaina ary mbola hampodiana. Niteny mihitsy aza ny sasany fa nanao soa tamin’ireo olona tsy mpivavaka ireo izy, satria nentiny ho eo ambany fifehezan’ny lalàna britanika izy ireo, sady nampianariny hiasa! Niroborobo àry ny fivarotana andevo, nandritra ny fotoana kelikely, fara faharatsiny.

Nisy fiovana

Nanomboka nisy fiovana rehefa sahy niteny nanohitra ny fivarotana andevo ny olona tia rariny. Tena mafy mantsy ny fiainan’ny andevo sy ny asany, ary teo koa ny fampijaliana, toy ny fanakaravasiana sy ny fanisiana marika tamin’ny vy mahamay. Tsy noleferina intsony izany. Tsy nekena koa ny fakana olona an-keriny, fa izay nazoto ihany sisa no noraisina.

Tsy nitsitsy teny nanohitra ny fivarotana andevo i J. Patteson, eveka anglikanina. Te hiaro an’ireo mponina tao amin’ny nosy iray izy, nefa ireo indray no namono azy, ka nafana ny toe-draharaha. Fitaka fampiasa matetika no nampiasain’ireo mpivarotra andevo, ka tonga talohan’i Patteson izy ireo, ary nataony nitovy tamin’ny an’i Patteson ny sambony. Nasaina nankao an-tsambo ny mponin’ilay nosy mba hihaona tamin’ilay eveka. Indrisy fa izay no nahitana farany an’izay niditra tao. Rehefa tonga ilay tena Patteson, dia romotra ny vahoaka ary “namaly faty”, ka namono azy. Noho iny zava-nitranga iny sy ny fanoheran’ny olona maro, dia nalefa tany Pasifika ny tafika an-dranomasina britanika sy frantsay mba hampitsaharana an’izany rehetra izany.

Nanampy an’ilay Biraon’ny Zanatany ny fitondrana tao Nouvelle-Galles Atsimo sy Queensland, any Aostralia, ka nanao lalàna maro mba hampitsaharana ny herisetra sy ny fampijaliana, ary mba hahatonga ny fampiasana olona ho ara-dalàna. Nisy mpanara-maso notendrena, ary nasiana solontenam-panjakana teny ambonin’ireo sambo mpaka olona hiasa. Nahomby izany ezaka mafy izany, raha oharina amin’ireo lalàna manohitra ny fanandevozana. Lasa azo nomelohina ho naka olona an-keriny sy namono olona mantsy ireo mpivarotra andevo. Niova ny toe-draharaha tany Pasifika Atsimo tamin’ny 1890 ka hatramin’ny 1900. Tsy dia nisy intsony ny fakana olona an-keriny ho andevo, sy ny fampidirana “mpiasa” vaovao, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20.

Tamin’ny 1901, dia ny antenimiera vaovao tao Aostralia no nisahana ny fifindra-monina eran’i Aostralia. Nahafaly ny vahoaka ny politikan’izy ireo. Nanomboka natahotra mantsy ny vahoaka sao tsy hahita asa ny eo an-toerana, noho ireo mpiasa avy any ivelany. Na nisy fifanarahana na tsia, dia tsy nandray mpiasa avy tany Pasifika Atsimo intsony i Aostralia. An’arivony no nalefa nody tany an-tanindrazany. Niteraka olana hafa izany, satria tafasaraka tamin’ny havany efa niorim-ponenana tany Aostralia izy ireny.

Hadino nefa tsaroana indray

Nanisy soratra ho hitan’ny taranaka mifandimby ny mpitondra tao Queensland, tamin’ny Septambra 2000. Miaiky izy ireo ao fa anisan’ny nampandroso ny toe-karen’i Queensland, sy nampiroborobo ny kolontsaina tao, ny mponin’ireo nosy any Pasifika Atsimo. Voalaza ao koa fa malahelo izy ireo noho ny nampijalina azy ireny.

Teo amin’ny tantara, dia olona maro no nanararaotra nangoron-karena, na dia namoizan’ny hafa ny ainy sy ny fahafahany aza izany. Mampanantena anefa ny Baiboly fa hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tsy rariny toy izany. “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny” tokoa ny vahoakan’io fanjakana io eto an-tany, “ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.

[Kisary/Sarintany, pejy 24, 25]

(Jereo ny gazety)

Lalana nitondrana andevo nankany Aostralia sy Amerika Atsimo

OSEANA PASIFIKA

MIKRONEZIA

NOSY MARSHALL

Nouvelle-Guinée

NOSY SALOMON

TUVALU

AOSTRALIA KIRIBATI

QUEENSLAND VANUATU

NOUVELLE-GALLES ATSIMO NOUVELLE-CALÉDONIE AMERIKA ATSIMO

Sydney ← FIDJI → Callao

SAMOA

TONGA

NOSY COOK

POLINEZIA FRANTSAY

Nosin’ny Paka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

National Library of Australia, nla.pic-an11279871