Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianao ve mba Tia Pizza?

Ianao ve mba Tia Pizza?

Ianao ve mba Tia Pizza?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

MODY nanao mahantrahantra ny Mpanjaka Ferdinand I (1751–1825), araka ny tantarain’ny olona, ka nandeha mangingina tao amin’ny tanàna kely iray tany Naples. Voalaza mantsy fa nisy sakafo tiany hohanina tany, nefa tsy navelan’ny mpanjakavavy hampidirina tao an-dapa ilay izy. Inona izany sakafo izany? Pizza.

Raha izao i Ferdinand no mbola velona, dia tsy ho sahirana intsony izy rehefa te hihinana pizza. Misy 30 000 eo ho eo mantsy ny mpivarotra pizza eto Italia. Mahavita pizza 45 ho an’ny Italianina tsirairay izy ireo, isan-taona!

Sakafon’ny mahantra, taloha

Azo inoana fa tamin’ny 1720 tany ho any, tao Naples, no nisy pizza voalohany. “Tsakitsaky” fihinan’ny mahantra ilay izy tamin’izany, ary nividy azy io ny olona rehefa mba mitsangantsangana. Mandehandeha eny an-dalana ny mpivarotra, ka miloloha an’ilay sakafo matsiro sady miantsoantso. Mbola mafana ilay pizza, satria ataony ao anaty koveta varahina antsoina hoe scudo.

Tatỳ aoriana dia nampahafantarin’ny Mpanjaka Ferdinand I tamin’ny olona tao an-dapa fa tia pizza izy. Lasa tia koa àry ny mpanankarena sy ny tandapa, ka nirohotra nividy azy io. Ny Mpanjaka Ferdinand II, zafikelin’i Ferdinand I, aza nampanao lafaoro afo kitay mihitsy teo an-jaridainan’ny Lapan’i Capodimonte, tamin’ny 1832. Norosoany pizza foana àry ireo vahiny manan-kaja, ka faly erỳ.

Mahasalama ve?

Tena tia pizza ny ankizy ankehitriny. Mila mitandrina ihany anefa amin’izy io. Tsy tokony ho be loatra mantsy ny zavatra matavy sy gliosida ary proteinina ao amin’ilay izy, mba tena hahasalama. Tokony ho betsaka kosa ny vitaminina sy mineraly ary asidra amine. Tsara koa ny manisy menaka oliva, izay mampitombo ny kolesterola mahasoa. Voalaza fa “mahasalama io karazana kolesterola io, satria manadio ny lalan-dra.”

Tsy dia saro-devonina ny pizza, rehefa masaka tsara. Mahazo rano ampy tsara mantsy ny gliosida ao amin’ilay paty anaovana azy, mandritra ny fotoana amisahana azy sy iasan’ny leviora ao anatiny. Misy karazana gliosida mora mahavoky koa ao amin’ny pizza, ka tsy mahalany firy ny olona, na dia tena tia aza.

Rehefa mihinana pizza àry ianao, dia tsarovy ny tantarany. Soa ihany fa tsy nafenin’ny Mpanjaka Ferdinand I hoe tia pizza izy!

[Efajoro/Sary, pejy 27]

◼ Ny pizza atao amin’ny lafaoro afo kitay no tena tsara. Manome hanitra hafakely mantsy ny setroka kitay, ary lasa misy tsirony miavaka koa ilay izy noho ilay lavenona manify eo ambaniny.

◼ Tamin’ny 1990 no nisy pizza boribory ngeza indrindra eran-tany. Maherin’ny 37 metatra ny savaivony, ary 12 taonina mahery ny lanjany!

◼ Fanaon’ny mpanamboatra pizza ny manipy an’ilay paty, sady manodinkodina an’ilay izy eny ambony. Tsy fihetsiketsehana fotsiny izany, fa mba ho lasa boribory fisaka tsara ilay paty, ary somary miakatra kely ny sisiny. Izany mantsy no tena mety hanaovana pizza!

[Sary, pejy 26]