Mpaka Sira any Sahara
Mpaka Sira any Sahara
FIARA tsy mifidy lalana no nentinay. Feno tsato-kazo teny an-tsisin-dalana. Natao hanampiana ny mpamily tsy ho very izy ireny, rehefa sendra tafiotra mitondra fasika izy. Fahita any amin’ny Efitr’i Sahara mantsy ny zavatra toy izany.
Lalana falehan’ny rameva fahiny ilay narahinay. Mampitohy an’i Agadez, any amin’ny faritra afovoan’i Niger, sy ny sisin-tanin’i Alzeria izy io. Ho any Teguidda-n-Tessoumt izahay. Tanàna kely tena lavitra izy io satria 200 kilaometatra any avaratrandrefan’i Agadez. Misy fianakaviana 50 ao, ary maka sira tsy fahita firy avy amin’ny tanimanga no asany. Efa an-jatony taona no nisy olona nanao izany tao.
Havoana nataon’olombelona sy dobo
Nisy havoana kely maromaro tazanay, ka fantatray fa efa akaiky ilay toerana. Najanon’ny mpitarika anay teo akaikin’ny havoana kely iray ny fiara. Folo metatra eo ho eo ny haavon’ilay havoana. Nasainy nianika azy io izahay mba hitazana an’ilay tanàna. Niakatra moramora àry izahay. Nohazavainy fa ny mponina ao no nanao an’ireo havoana ireo. Arian’izy ireo mantsy izay tanimanga avy nakana sira, ka misavovona tsikelikely, ary lasa havoana rehefa ela ny ela.
Variana be izahay nitazana ny manodidina. Volontany avokoa saika ny zava-drehetra ao an-tanàna. Vita amin’ny tanimanga mantsy na tokotany na rindrina na tafo. Ireo hazo roa eo an-tsisin-tanàna ihany no hafa loko. Toy ny miambina an’ilay tanàna izy ireo. Vita amin’ny tanimanga koa ny fefy sy ny trano. Misy dobo an-jatony eo akaiky eo. Volontany koa izy ireo, saingy misy antitrantitra ary misy tanoranora. Miavaka tsara àry ny lokony. Niasa mafy ny olon-drehetra, na lehilahy na vehivavy na ankizy.
Fomba hafakely fakana sira
Rehefa nidina an’ilay havoana izahay, dia nohazavain’ilay mpitarika anay ny fomba fakan’ireo olona ireo sira. Hoy izy: “Misy dobo karazany roa eto. Natao hikarakarana an’ilay tanimanga feno sira ilay lehibe. Roa metatra eo ho eo ny habeny. Ilay kely kosa natao hametrahana ny ranon-tsira avy ao amin’ilay lehibe, mandra-pahalasany ho etona. Masira ireo loharano 20 eto an-tanàna, nefa tsy avy amin’ireo no tena akana sira, fa avy amin’ny tanimanga. Izany no maha hafakely an’ity toerana ity.” Inona tokoa no ataon’ny olona ao mba hahazoana sira?
Nahita lehilahy nanisy tanimanga tao amin’ny dobo lehibe iray izahay. Efa feno rano avy any an-doharano ilay dobo. Hitsakitsahiny ilay tanimanga, toy ny atao amin’ny voaloboka rehefa te hahazo divay. Rehefa mifangaro tsara ilay rano sy tanimanga, dia avelany eo mandritra ny ora maromaro. Feno dobo mitovy amin’io manodidina azy. Volontany ny fotaka ao amin’izy rehetra, saingy misy antitrantitra ary misy tanoranora. Miova loko mantsy ny dobo tsirairay rehefa lasa any ambany ny fotaka, ary ny ranon-tsira sisa no eny ambony.
Nisy lehilahy hafa teo akaiky teo namindra tsikelikely an’izay ranon-tsira azo avy amin’ireo dobo lehibe, ho ao amin’ireo dobo kely. Voatavomonta no nataony zinga. Ny lehilahy mazàna no manao an’io asa io. Ry zareo koa no manamboatra an’ireo dobo. Vita nanahary ny sasany, fa ny hafa kosa vato nolavahana. Raha mafy loatra ilay vato, dia manao dobo tanimanga eo amboniny ry zareo. Amboariny amin’ny tanana ny vatan’ilay dobo, ary kapokapohiny amin’ny hazo mba ho mafy. Tsy maintsy amboarina na averina aorina ireo dobo ireo isan-taona.
Ary inona no asan’ny vehivavy? Ry zareo no mitatitra ny tanimanga ampiasaina. Ataony ampy tsara foana izany. Ry zareo koa no manala izay sira azo avy amin’ireo dobo kely. Dioviny tsara ilay dobo avy eo mba hasiana ny ranon-tsira manaraka.
Ny ankizy kosa mivezivezy eny anelanelan’ireo dobo kely, ary mijery an’izay efa manomboka feno sira. Lasa etona tsikelikely mantsy ny rano, ka manomboka misy sira eo an-tampon’ny dobo. Raha avela hitombo ilay sira, dia tsy ho tratran’ny hainandro izay rano tavela ao ambany, ka tsy ho lasa etona. Fafazan’ny ankizy rano kely àry ireo sira, mba ho vakivaky ka hidina any ambany. Ho lasa etona ny rano rehetra amin’izay, ka ny sira sisa no ho tavela.
Nahoana ireo dobo no miloko isan-karazany mahafinaritra? Hoy ilay mpitarika: “Voalohany, misy karazana tanimanga telo eto. Izany no mahatonga an’ireo dobo tsy hitovy loko. Faharoa, miovaova ny lokony arakaraka ny habetsahan’ny sira ao aminy. Ary fahatelo, misy ahidrano maniry ao amin’ny dobo sasany, ka lasa miova loko ilay izy.” Hitanay koa fa mihamiova ny lokon’ireo dobo, rehefa mikisaka ny tara-masoandro.
Atao takalo ilay sira
Bolongan-tsira no azo amin’ny voalohany, ka amboarimboarin’ireo vehivavy rehefa tonga any an-tanàna. Ataony boribory na telozoro na boribory somary lavalava ilay izy, ary hamaininy eo amin’ny masoandro migaingaina. Tsy dioviny ilay izy ka mbola volontany. Nisy vehivavy nanazava hoe atao takalo ireo sira boribory sy somary lavalava, fa ireo telozoro kosa atao fanomezana.
Iza no mandray an’ilay sira? Ny mpifindrafindra monina sy mpivaro-tsira mandalo ao Teguidda-n-Tessoumt. Atakalony sakafo na entana hafa ilay izy, ary amidiny any amin’ireo tanàn-dehibe akaikin’ny Efitr’i Sahara. Tsy atao amin’ny sakafon’olombelona anefa ilay izy, fa amin’ny sakafon’ny biby fiompy.
Niverina tany amin’ny fiaranay izahay avy eo, ary nahita lehilahy nanala tanimanga tao amin’ny dobo lehibe iray, ka nanary izany teo amin’ilay havoana. Nanainga izahay taorian’izay ary lasa saina hoe: ‘Dia efa taonjato maro tokoa izany izao no nisy mpaka sira teto? Raha tsy izany ve ho feno havoana kely be dia be hoatr’ireo etỳ!’—Lahatsoratra nisy nanome.
[Teny notsongaina, pejy 22]
‘Tsy avy amin’ny rano ny olona eto no tena maka sira, fa avy amin’ny tanimanga. Izany no maha hafakely an’ity toerana ity’
[Sarintany, pejy 21]
(Jereo ny gazety)
SAHARA
NIGER
Agadez
Teguidda-n-Tessoumt
[Sary nahazoan-dalana]
Based on NASA/Visible Earth imagery
[Sary, pejy 23]
Maka sira tsy fahita firy avy amin’ny tanimangan’i Sahara
[Sary nahazoan-dalana]
© Victor Englebert
[Sary, pejy 23]
Miloko isan-karazany ireo dobo kely
[Sary nahazoan-dalana]
© Ioseba Egibar/age fotostock
[Sary, pejy 23]
Sira hamainina eo amin’ny masoandro migaingaina