Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?

“Voasazy angamba aho”, hoy ny vehivavy iray 55 taona eo ho eo, rehefa nandre fa voan’ny kansera izy. Nahatsiaro ny ratsy nataony taloha izy, ka niteny hoe: “Te hilaza amiko Andriamanitra hoe nanota aho.”

MARO no mihevitra fa sazy avy amin’Andriamanitra ny olana mahazo azy, satria nanao ratsy izy taloha. Mety hitaraina toy izao izy ireo, rehefa tototry ny olana: “Nahoana no mitranga amiko izao? Fa inona no nataoko?” Midika ve izany fa tsy tian’Andriamanitra isika matoa mahita olana? Sazy avy aminy tokoa ve ny olana mahazo antsika?

Nahita olana ny mpanompon’Andriamanitra fahiny

Diniho izay lazain’ny Baiboly momba an’i Joba. Fongana tampoka ny fananany rehetra. Matin’ny rivo-doza daholo ny zanany folo. Voan’ny aretina nandreraka sy nahatsiravina koa izy, tsy ela taorian’izay. (Joba 1:13-19; 2:7, 8) Nitaraina àry i Joba hoe: “Ny tanan’Andriamanitra no namely ahy.” (Joba 19:21, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Toy ny olona maro ankehitriny, dia nihevitra i Joba fa nosazin’Andriamanitra izy.

Asehon’ny Baiboly anefa fa talohan’ny olana nahazo an’i Joba, dia Andriamanitra mihitsy no nilaza hoe “lehilahy tsy manan-tsiny [izy], sady marina sy matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy.” (Joba 1:8) Mazava àry fa nankasitrahan’Andriamanitra i Joba, ka tsy sazy ny olana nahazo azy.

Feno tantaran’olo-marina niatrika olana ao amin’ny Baiboly. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra, ohatra, i Josefa nefa nogadraina tsy ara-drariny an-taonany maro. (Genesisy 39:10-20; 40:15) ‘Tsy salama matetika’

koa i Timoty, izay Kristianina tsy nivadika. (1 Timoty 5:23) Tsy nanao ratsy mihitsy i Jesosy Kristy, nefa nampijalina tamin-kabibiana talohan’ny nahafatesany. (1 Petera 2:21-24) Diso àry ilay hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona matoa mahita olana. Raha tsy Andriamanitra anefa no mahatonga ny olana, dia iza?

Nahoana no misy ny olana?

Milaza ny Baiboly fa i Satana Devoly no nahatonga ny loza nanjo an’i Joba. (Joba 1:7-12; 2:3-8) I Satana koa no tena mahatonga ny olana mahazo antsika, satria hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:12) Izy no “mpitondra an’izao tontolo izao”, ka taominy hanao zava-dratsy ny olona. Mitondra fahoriana sy ratram-po izany.—Jaona 12:31; Salamo 37:12, 14. *

Tsy ny Devoly foana anefa no tokony homen-tsiny, isaky ny misy olana. Mpanota sy tsy lavorary isika, ka matetika no mandray fanapahan-kevitra ratsy, ary mahita olana avy eo. (Salamo 51:5; Romanina 5:12) Aoka hatao hoe nifidy ny tsy hisakafo tsara sy tsy hiala sasatra firy ny olona iray. Ny Devoly ve no tokony homeny tsiny, raha marary mafy izy vokatr’izany? Tsia, fa nijinja ny vokatry ny fanapahan-keviny fotsiny izy. (Galatianina 6:7) Marina àry ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly hoe: “Ny hadalan’ny olona ihany no manimba ny fiainany.”—Ohabolana 19:3.

Zava-tsarotra maro koa no avy amin’ny “fotoana tsy ampoizina” fotsiny. (Mpitoriteny 9:11) Aoka hatao hoe tratran’ny oram-be tampoka ny olona iray. Mety ho lena kely fotsiny izy, na ho kotsa tanteraka, arakaraka ny toerana nisy azy, rehefa nanomboka nirotsaka ny orana. Toy izany koa amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1-5) Zavatra tsy mety kely fotsiny, dia mety hivadika ho olana be. Mety hisy fiantraikany kely na lehibe eo amintsika izany, arakaraka ny fotoana sy ny toe-javatra misy antsika. Tsy voafehintsika anefa ireo. Midika ve izany fa hisy olana foana ny fiainantsika?

Hifarana tsy ho ela ny olana rehetra

Soa ihany fa hamarana tsy ho ela ny olana rehetra i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 25:8; Apokalypsy 1:3; 21:3, 4) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tena miahy antsika izy. Omeny ‘fianarana’ sy “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina” isika, mba hahafahantsika hiatrika zava-tsarotra dieny izao, eo am-piandrasana an’ilay hoavy tena tsara. (Romanina 15:4; 1 Petera 5:7) Amin’izay fotoana izay dia hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao tsy hahitana olana intsony, ireo marina eo imason’Andriamanitra.—Salamo 37:29, 37.

[Fanamarihana ambany pejy]

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Izay manao ratsy ihany ve no mahita olana?—Joba 1:8.

◼ Ny Devoly foana ve no tokony homen-tsiny, isaky ny misy olana?—Galatianina 6:7.

◼ Hisy foana ve ny olana?—Apokalypsy 21:3, 4.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”—Mpitoriteny 9:11