Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Ampy Intsony ve ny Rano?

Tsy Ampy Intsony ve ny Rano?

Tsy Ampy Intsony ve ny Rano?

Hoy ny ohabolana iray any Ouzbékistan: “Tsy ho ela dia ho faty ianao, raha lany ny ranonao.” Toa faminaniana izany amin’ny manam-pahaizana sasany, fa tsy ohabolana fotsiny. Olona roa tapitrisa eo ho eo no maty isan-taona, noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio sy kabine ary fanariana fako sy rano maloto. Ankizy ny ankamaroan’ireo maty.

AHOANA no ahazoanao rano? Manodina raobine fotsiny ve ianao dia mahazo izany, sa tsy maintsy mandeha an-tongotra lavitra, sy milahatra, ary avy eo mitondra ilay rano amin’ny siô mody? Tsy maintsy mandany ora maro ve ianao isan’andro, vao mahazo rano hisasana sy handrahoan-kanina? Tsy ampy ny rano any amin’ny tany maro, ary sahirana ny olona vao mahazo izany. Milaza i Diane Ward, ao amin’ny boky nosoratany momba ny tsy fahampian-drano, fa efa ho ny antsasaky ny mponina eto an-tany no “mantsaka eny amin’ny vovo, renirano, dobo, na rano mihandrona.” Mandany adiny enina eo ho eo ny renim-pianakaviana any amin’ny tany sasany mba hahazoana rano, ary milanja 20 kilao mahery ny siô entiny rehefa feno.

Maherin’ny ampahatelon’ny mponina eto an-tany no tsy manana rano fisotro madio sy kabine ary fanariana fako sy rano maloto. Atỳ Afrika no tena ahitana izany olana izany, satria olona 6 ao anatin’ny 10 no tsy manana kabine, na manana ihany fa tsizarizary. Anisan’ny “mampiparitaka ny bakteria sy virosy ary katsentsitra avy amin’ny dikin’olombelona izany”, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. “Mandoto ny rano sy ny nofon-tany ary ny sakafo ireny zavatra ireny.” Milaza ilay tatitra fa izany fandotoana izany no “tena mahatonga ny aretim-pivalanana, izay aretina faharoa mamono ankizy be indrindra atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Miteraka aretina lehibe hafa koa izany, toy ny kôlerà, bilariziozy, ary areti-maso mahajamba.”

Sarobidy toy ny volamena sy ny solika ny rano, amin’izao taonjato faha-21 izao. Mandanilany rano fotsiny anefa ireo firenena, hany ka mila ho ritra ireo renirano lehibe. Miharitra ny renirano lehibe maro satria lasa etona na avily lalana mba hanondrahana voly. Anisan’izany ny Renirano Colorado any Etazonia, ny Yangzi any Chine, ny Indus any Pakistan, ny Gange any Inde, ary ny Nil any Ejipta. Inona no efa natao mba hamahana an’io olana io? Iza no tena afaka mamaha izany?

[Efajoro/Sary, pejy 3]

ATAHORANA HO RITRA NY RANO

◼ “Ny Ranomasina Aral no farihy fahefatra lehibe indrindra tamin’ny 1960. Ny ampahafolon’ny rano tao sisa no tavela, tamin’ny 2007.”—Amerikanina Siantifika.

◼ Miharitra hatrany izao ireo farihy dimy lehibe any Etazonia sy Kanada, dia ny Erié, Huron, Michigan, Ontario, ary Supérieur.—Bolantany sy Taratasy (anglisy).

◼ Ampy ho an’ny olona 20 tapitrisa ny vary nototoina tao amin’ny fitotoam-bary tao Deniliquin, Aostralia, taloha. Nihena 98 isan-jato anefa ny voka-bary ka nakatona ilay fitotoam-bary tamin’ny Desambra 2007. Nahoana? Noho ny “hain-tany naharitra enin-taona.”—Ny Gazetin’i New York (anglisy).

[Sary]

Sambo tavela teo amin’ny Ranomasina Aral

[Sary nahazoan-dalana]

© Marcus Rose/Insight/Panos Pictures

[Efajoro/Sarintany, pejy 4]

‘MIHARITRA NY RENIRANO SY SAKELIDRANO’

“Taloha dia mora tamin’ny mpanamory sambon-danitra ny nahita ny Farihy Tchad atsy Afrika, rehefa nihodidina ny tany izy ireo. Tena sarotra amin’izy ireo anefa izao ny mahita azy io. Eo afovoan’i [Cameroun], Niger, Nizeria ary Tchad no misy an’io farihy io ... Nihena 95 isan-jato ny rano tao, nanomboka tamin’ny 1960 no ho mankatỳ. Renirano sy sakelidrano maro no mivarina ao amin’izy io, nefa miharitra izy ireny satria be loatra ny lakandrano amboarin’ny olona mba hanondrahana voly. Mety tsy hisy intsony àry ny Farihy Tchad atsy ho atsy, ary tsy ho fantatry ny taranaka akory ny toerana nisy azy io.”—Tetikasa B 2.0—Ahoana no Hamonjena ny Planetantsika sy ny Taranak’olombelona? (anglisy), nosoratan’i Lester Brown.

[Sarintany]

(Jereo ny gazety)

Rano

☒ Zavamaniry

□ Tany

1963

NIGER

TCHAD

Farihy Tchad

NIZERIA

CAMEROUN

2007

NIGER

TCHAD

Farihy Tchad

NIZERIA

CAMEROUN

[Sary nahazoan-dalana]

NASA/U.S. Geological Survey