Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hataoko fa Nisarahany Aho?

Ahoana no Hataoko fa Nisarahany Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hataoko fa Nisarahany Aho?

“Efa dimy taona izahay no mpinamana, ary niaraka avy eo. Te hisaraka tamiko izy enim-bolana tatỳ aoriana, saingy tsy sahy niteny fa niavonavonany fotsiny aho. Nalahelo be aho. Tsy tantiko ilay izy. Niady saina aho hoe: ‘Fa naninona azy àry aho?’” —Lea. *

FALIFALY erỳ ianao taminareo mbola niaraka. Malahelo sy mitomany foana anefa ianao izao. Izany no nanjo an’i Oly. Niaraka nandritra ny roa taona izy sy Tojo, ary nifankatia be. Nandefasan’i Tojo hafatra feno teny mamy izy maraina mandra-paharivan’ny andro, ary nomeny fanomezana tsindraindray. Hoy i Oly: ‘Nihaino sy nangoraka ahy foana izy. Tena nampihantainy aho.’

Tsy ela dia niresadresaka izy roa hoe hatao mariazy amin’izay sa tsia, ary aiza no hipetraka. Niteny mihitsy aza i Tojo fa efa vonona hangataka an’i Oly. Tampoka teo anefa dia nisarahany izy! Mafy tamin’i Oly ilay izy. Nahavita niasa ihany izy, saingy tsy tao mihitsy ny sainy. Hoy izy: “Rera-tsaina aho sady nandraiky narary.” *

Tena mafy ilay izy

Nisaraka taminao koa ve ny olon-tianao? Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Mbola ho afaka ihany ve izao alaheloko izao?’ (Salamo 38:6) Rariny raha malahelo ianao. Mbola tsy nisy zavatra nampijaly be anao toy izao angamba, ary raha nisy aza dia vitsy ihany. Toy ny hoe nidonam-pahoriana ianao. Mety hitovy amin’ny zavatra tsapan’ny olona toy izany mihitsy aza no tsapanao. Ohatra hoe:

Tsy mety mino. ‘Tsy hahafoy ahy izany iny e! Tsy maintsy hiova hevitra izy.’

Tezitra. ‘Dia sahiny ve ny nisaraka tamiko? Halako izy!’

Kivy tanteraka. ‘Izaho mihitsy no tsy misy dikany e! Iza intsony no mba ho tia ahy?’

Manamboatra saina. ‘Zakako foana io e! Mafy aloha ilay izy, fa efa manomboka zakako.’

Fantaro fa ho vitanao koa ny hanamboatra ny sainao. Mety ho vetivety izany na ho elaela, arakaraka ny halavan’ny fotoana niarahanareo sy ny zavatra efa nataonareo. Inona àry no azonao atao?

Ahoana no hanamaivanana ny alahelo?

Mety hisy hiteny hoe: ‘Aza kivy fa mbola ho afaka ny alahelonao.’ Mety hahasorena anao izany, raha vao avy nisaraka ianareo. Mety tsy ho afaka vetivety mantsy ny alahelonao, ka izay hanamaivanana azy izao no ilainao. Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe maratra ianao. Ho sitrana ianao rehefa afaka elaela, nefa manaintaina aloha ianao izao. Izay hampijanona ny ra sy hampihena ny fanaintainana ary tsy hampisy nana an’ilay ratra izao no ilainao atao. Mitovy amin’izany ny ratram-po. Ho sitrana ianao rehefa afaka elaela, nefa mbola mijaly aloha ianao izao. Ireto àry misy zavatra azonao atao mba hampihenana ny fijalianao sy tsy hahatonga anao hitana lolompo:

Mitomania raha te hitomany. Tsy ratsy izany. Milaza mantsy ny Baiboly fa “misy fotoana itomaniana”, ary misy mihitsy aza “fotoana idradradradrana.” (Mpitoriteny 3:1, 4) Aza mihevitra hoe ny olona tsy matanja-tsaina no mitomany. Miaramila nahery fo, ohatra, i Davida. Nisy zavatra nampahory azy anefa, ka niaiky izy hoe: “Vonton-dranomaso ny fandrianako mandritra ny alina, ary kotsan-dranomaso ny farafarako.”—Salamo 6:6.

Ataovy izay hahasalama. Azo inoana fa reraka be ianao. Mihinàna àry sakafo mahasalama, ary manaova fanatanjahan-tena mba hatanjaka indray. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’—1 Timoty 4:8.

Inona no mahazo anao izao, ka mila tsaboina?

․․․․․

Ataovy izay hahaverivery dia. Tohizo ny zavatra mahafinaritra anao, ary aza mitokantokana mihitsy. (Ohabolana 18:1) Miaraha amin’ny namana tia anao, fa hampahery anao izany.

Inona avy no eritreretinao hatao mba hahaverivery dia anao?

․․․․․

Lazao amin’Andriamanitra ny ao am-ponao. Sarotra amin’ny olona sasany izany, satria mihevitra izy ireo fa namadika azy Andriamanitra. Misy miteny hoe: ‘Nivavaka foana aho mba hahita olon-tiana, dia nahita tokoa, kanjo nisarahany aho!’ (Salamo 10:1) Tadidio anefa fa tsy mpitady vady no asan’i Jehovah. Tsy izy koa no diso rehefa tsy te hiaraka aminao intsony ny olona iray. Na izany aza, dia hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah: ‘Miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Lazao aminy àry ny ao am-ponao. Hoy ihany ny Baiboly: ‘Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. Ary ny fiadanany izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.’—Filipianina 4:6, 7.

Malahelo be ve ianao fa nisarahan’ny olon-tianao? Inona no tianao horesahina amin’i Jehovah momba izany?

․․․․․

Diniho izay tsy nety

Rehefa afakafaka ny alahelonao, dia tsara dinihinao ny antony nisarahany taminao. Ireto misy fanontaniana hanampy anao, ary soraty ny valiny.

Nolazain’ilay olon-tianao ve ny antony nisarahany taminao? Soraty eto izany, na dia heverinao aza fa tsy marina.

․․․․․

Inona no mety ho antony hafa, na dia tsy nolazainy aza?

․․․․․

Nisy zavatra tokony ho nataonao ve mba tsy hampisaraka anareo? Soraty izany raha misy.

․․․․․

Inona no lesona noraisinao? Mila manatsara ny toetranao ve, ohatra, ianao, na mankatò kokoa an’Andriamanitra?

․․․․․

Inona no hiezahanao hatao, raha misy olon-kafa indray miaraka aminao?

․․․․․

Marina fa tsy araka ny nantenainao ny niafaran’ny fiarahanareo. Toy ny hoe tratran’ny oram-be ianao. Kivy isika mazàna rehefa avy be ny orana, indrindra raha mbola maizina ny lanitra. Tadidio anefa fa mbola hitsahatra ilay orana, ary hihamazava ny lanitra. Afaka ihany tatỳ aoriana ny alahelon’ireo tanora noresahina tato. Matokia fa mbola ho afaka koa ny anao!

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana ato.

^ Natao ho an’ny ankizilahy koa ny torohevitra ato, na dia ankizivavy aza ireo miteny ireo.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona no nianaranao momba anao rehefa nandinika ny fiarahanareo ianao?

◼ Inona no nianaranao momba ny lehilahy/vehivavy?

◼ Iza no azonao iresahana rehefa mila tsy ho zakanao ny alahelonao?

[Efajoro, pejy 20]

SOSO-KEVITRA

Nosoratan’i Oly tamin’ny taratasy izay andinin-teny nampahery azy, mba ho azony vakina isaky ny nalahelo be izy. Soraty koa izay andinin-teny nampahery anao tato, ary vakio rehefa malahelo ianao.

[Sary, pejy 19]

Toy ny olona maratra ianao rehefa isarahan’ny olon-tianao. Manaintaina ianao, nefa mbola ho sitrana