Tsy Kivy Aho na Tsy dia Mahay Mamaky Teny Aza
Tsy Kivy Aho na Tsy dia Mahay Mamaky Teny Aza
Notantarain’i Michael Henborg
Sarotra amiko ny mamaky teny sy manoratra. Azo lazaina hoe kilema ny mahazo ahy, ary “dyslexie” no anarany. Tena sahirana àry aho tany am-pianarana. Manana an’io kilema io koa ny ray aman-dreniko sy ny zandriko telo lahy. Tena nanampy sy nampahery ahy anefa ry zareo sy ny olon-kafa.
EFA ela ny fianakavianay no Vavolombelon’i Jehovah, ka fanaonay ny mamaky Baiboly sy boky ara-baiboly. Niaraka tamin’ny dadanay nitory ny vaovao tsara foana koa izaho sy Flemming zandriko, ka lasa hitanay fa tena ilaina ny mahay mamaky teny sy manoratra.
Mbola kely aho dia efa namaky an’izay Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mivoaka, na dia adiny 15 be izao aza aho vao mahavaky gazety iray! Nanomboka namaky ny Baiboly manontolo koa aho, ary nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mampiofana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany io sekoly io, mba hahaizan’izy ireo hamaky sy hiteny tsara ary handaha-teny. Tena nanampy ahy izany rehetra izany, ka lasa tsy dia sarotra tamiko ny namaky teny sy nanoratra. Tsy nampoiziko anefa hoe mbola ho sahirana indray aho atỳ aoriana. Aleo hotantaraiko izay nitranga.
Nianatra teny anglisy
Lasa mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, aho tamin’ny 1988, tamin’izaho 24 taona. Be vahiny any Danemark ka te hitory tamin’izy ireo aho. Tsy maintsy nianatra teny anglisy àry aho. Tena sarotra be tamiko ilay izy, nefa tsy kivy aho ary nitady olona hampianatra ahy. Nihanahay aho rehefa ela ny ela, ka nahavita nitory tamin’ny vahiny tany Copenhague, toerana nahaterahako. Tsoriko fa diso mazàna ny teny nolazaiko, nefa tsy nahakivy ahy izany.
Nisy soa hafa koa azoko noho izaho nianatra teny anglisy. Afaka nanampy tamin’ny fanorenana biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nalefa tany Gresy aho aloha mba hanao io asa io, ary avy eo tany Madrid, any Espaina.
Te hitory tany an-toeran-kafa aho tatỳ aoriana, ka nangataka hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Natao ho an’ny rahalahy mpitovo vonona handeha any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa io fampiofanana io. (Marka 13:10) Ny Vavolombelon’i Jehovah no mikarakara azy io, ary maharitra roa volana ilay izy. Fampiofanana tamin’ny teny anglisy natao tany Soeda no nasaina natrehiko.
Nanomboka ny 1 Septambra 1994 ilay izy. Te ho vonona tsara aho ka nianatra teny anglisy adiny efatra isan’andro, nandritra ny roa volana teo ho eo. Nivory tany amin’ny fiangonana miteny anglisy koa aho. Tsy nataoko nibahana tao an-tsaiko ny kilemako, rehefa nanomboka ilay fampiofanana. Rehefa nametraka fanontaniana, ohatra, ny mpampianatra, dia matetika aho no nanangan-tanana, na tsy haiko avy hatrany aza izay teny holazaina. Nahazo diplaoma aho rehefa vita ilay fampiofanana, ary notendrena ho mpisava lalana tany Copenhague. Tena sarotra tamiko ny nianatra
teny anglisy. Mbola nisy zavatra sarotra kokoa anefa niandry ahy.Nianatra teny tamoul
Voatendry ho any amin’ny fiangonana miteny tamoul, any Herning, any Danemark, aho ny Desambra 1995. Anisan’ny fiteny sarotra indrindra eran-tany ny tamoul. Efa ho 250 ny litera amin’io fiteny io! Mandeha tsirairay ny 31 amin’ireo, fa fitambarana renisoratra sy zanatsoratra kosa ny ambiny.
Tamin’ny teny danoà no nanaovako ny lahateniko tamin’ny voalohany, ary nadika tamin’ny teny tamoul ilay izy. Nanandrana nanao lahateny tamin’ny teny tamoul aho tatỳ aoriana. Hitako fa tsy nisy azon’ny mpanatrika izay nolazaiko. Nihaino tsara ihany anefa izy ireo, na dia te hihomehy aza ny sasany. Te hahay haingana kokoa an’ilay fiteny aho ka nankany Sri Lanka. An-tapitrisany mantsy ny olona miteny tamoul any.
Nisy ady an-trano nahatsiravina tany, tamin’izaho vao tonga, ny Oktobra 1996. Nipetraka kelikely tany Vavuniya àry aho. Teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’ireo antokon’olona niady no nisy an’io tanàna io. Mahantra ny Vavolombelona any. Tena be fitiavana sy tia mandray vahiny anefa ry zareo, ary niezaka mafy nampianatra ahy ny fiteniny. Izaho irery no vazaha tao amin’ilay tanàna. Gaga be àry ny olona nitoriako rehefa nahita ahy niezaka niteny tamin’ny fiteniny. Tsotra be ry zareo ary faly nihaino ahy, ka tsy natahotra nitory taminy aho.
Tsy maintsy nody tany Danemark aho tamin’ny Janoary 1997, ary nanambady an’i Camilla, herintaona taorian’izay. Mpisava lalana izy. Nanembona an’i Sri Lanka aho, ka niverina tany izahay mivady ny Desambra 1999. Tsy ela dia nisy fianakaviana maromaro sy olona hafa koa nianatra Baiboly taminay. Niara-nampianatra tamin’ny Vavolombelona tany koa izahay. Tena be zavatra natao izahay satria teo ny fitoriana, ary teo koa ny fianarana ny teny tamoul.
Nila nody tany Danemark indray izahay tamin’ny Martsa 2000. Mafy be taminay ny nisaraka tamin’ny namanay sy ny olona nampianarinay Baiboly. Lasa tena tianay mantsy ry zareo. Mbola nisy fiteny hafa tsy maintsy nianaranay indray anefa taorian’izay!
Nianatra teny letonianina
Voatendry ho misionera tany Letonia izahay, tamin’ny Mey 2002, efa-taona taorian’ny raharahanay. Firenena eoropeanina any atsinanan’i Danemark i Letonia. Iray volana sy tapany monja i Camilla dia efa nahay niresaka *
tamin’ny teny letonianina! Tsy mba toy izany kosa aho. Mbola tsy mahay tsara aho hatramin’izao, na dia efa niezaka mafy nanampy ahy aza ny olona. Vonona hianatra foana anefa aho.Manampy ahy foana i Camilla. Mahafinaritra anay koa ny asanay satria maro ny Letonianina tia an’Andriamanitra, ka manaiky hianatra Baiboly. Rehefa misy teny hadinoko, na diso ny fehezanteny ampiasaiko, dia miezaka mamantatra ny tiako holazaina ireo namanay sy ny olona ampianarinay, ary manitsy ahy. Lasa tsy matahotahotra àry aho rehefa mitory sy mandaha-teny.
Nahoana aho no nianatra teny vahiny, na dia mafy amiko aza ilay izy? Ny fitiavana no antony. Tsy dia hoe fitiavana an’ilay fiteny anefa, fa fitiavana ny olona. Tena asa miavaka mantsy ny mampianatra momba an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy manampy olona hifandray akaiky aminy. Maro ny misionera mahita fa vonona kokoa hianatra ny olona, rehefa ny fiteniny no iresahana aminy. Tiany mantsy ny tenin-drazany.
Olona maromaro no efa nampianay mivady hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy ho nahazo an’izany vokatra tsara izany anefa izahay, raha tsy i Jehovah. Isaoranay àry izy. Namboly sy nanondraka ny voan’ny fahamarinana fotsiny no nataonay, fa izy no nampitombo.—1 Korintianina 3:6.
Nahasoa ahy ilay kilemako
Marina fa tsy mahavita zavatra sasany aho noho ny kilemako. Nahasoa ahy ihany anefa ilay izy. Nahoana? Tsy dia mamaky ny zavatra nosoratako aho, ohatra, rehefa mandaha-teny any amin’ny fiangonana, ka afaka mijery matetika kokoa any amin’ny mpanatrika. Mampiasa fanoharana betsaka koa aho, satria mora amiko ny mitadidy azy ireny. Nahatonga ahy hahay hampianatra kokoa àry ny kilemako.
Hoy ny apostoly Paoly: “Andriamanitra nifidy ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny zavatra mahery.” (1 Korintianina 1:27) Toy ny “zavatra malemy” tokoa aho noho ny kilemako, satria misy zavatra tsy vitako. Afaka manampy antsika anefa i Jehovah. Izany no hitako, ary tsy izaho irery fa olon-kafa maro koa. Mila manana tanjona azo tratrarina fotsiny isika, tsy manantena hahavita zavatra be loatra, mivavaka mba hahazo ny fanahy masin’Andriamanitra, ary miezaka manao izay vitantsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Nalefa any Ghana izy mivady tamin’ny fotoana nanomanana ity lahatsoratra ity. Enin-taona izy ireo no tany Letonia.
[Efajoro, pejy 22]
FANTARO IRETO:
Inona marina no atao hoe dyslexie? Avy amin’ny teny grika midika hoe “tsy dia mahay miteny” izy io. Azo lazaina hoe kilema ilay izy ary tsy mety sitrana. Maromaro ny fisehony. Sahirana, ohatra, ny olona manana an’io kilema io rehefa miteny, indrindra rehefa mamaky. Mampifangaro litera mitovitovy izy matetika.
Inona no mahatonga azy? Mbola tsy fantatra ny tena antony fa manaranaka izy io indraindray. Somary hafahafa ny bikan’ny atidohan’ilay olona, ary tsy miasa tsara. Matetika anefa no tsy votsa saina izy, na kamo mianatra. Hainy tsara kosa, rehefa zavatra tsy ilana mamaky teny na manoratra.
Ahoana no anampiana an’ilay olona? Mora kokoa ny manampy azy, raha hita aloha be ilay kilema. Mila ampiana hahay hiteny izy. Ho vitany izany raha atao izay hampiasany ny vavahadin-tsainy, indrindra fa ny sofiny sy ny masony ary ny tanany. Mila arahi-maso akaiky ny ankizy manana an’ilay kilema, satria miadana kokoa ny fandrosoana vitany, raha oharina amin’ny an’ny ankizy hafa. Mila ampaherezina koa izy satria sahirana rehefa mianatra, ka mety ho sorena. Hahay hamaky teny sy hanoratra ilay ankizy, raha miezaka mafy, sady voara-maso akaiky. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena iray ireo fanazavana ireo. Jereo koa ilay lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! Janoary 2009 hoe “Sahirana ve ny Zanakao Rehefa Mianatra?”
[Sary, pejy 23]
Izaho sy ny Vavolombelona iray tany Sri Lanka
[Sary, pejy 23]
Michael sy Camilla tany Letonia