Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanampiana ny Ankizy Matavy Loatra?

Ahoana no Hanampiana ny Ankizy Matavy Loatra?

Ahoana no Hanampiana ny Ankizy Matavy Loatra?

MIHAMARO ny ankizy matavy loatra any amin’ny tany maro. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa 22 tapitrisa eo ho eo eran-tany ny ankizy latsaka ny dimy taona matavy be.

Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Espaina, fa ny ampahatelon’ny ankizy no matavy loatra. Nitombo avo telo heny ny isan’ny ankizy matavy be any Aostralia, tao anatin’ny folo taona monja (1985-1995). Tao anatin’ny 30 taona, dia nitombo avo telo heny mahery ny isan’ny ankizy amerikanina 6 ka hatramin’ny 11 taona, izay matavy loatra.

Misy ankizy toy izany koa atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Voalazan’ny fikambanana iray miady amin’ny hatavezana, fa maro kokoa noho ny ankizy tsy ampy sakafo ny ankizy matavy loatra, any amin’ny tany sasany atsy Afrika. Feno ankizy matavy loatra koa any Meksika. Nitana ny laharana faharoa eran-tany tamin’izany izy, taorian’i Etazonia, tamin’ny 2007. Voalaza fa any Mexico fotsiny, dia efa ho ny telo ampahefatry ny ankizy sy ny tanora no matavy loatra. Milaza i Francisco González, dokotera mpandidy ankizy, fa mety “ho ireo ankizy matavy loatra ireo no voalohany ho faty alohan’ny ray aman-dreniny, vokatry ny aretina noho ny hatavezana.”

Inona ireo aretina azo noho ny hatavezana? Ireto misy telo: Ny diabeta sy ny fiakaran’ny tosidra ary ny aretim-po. Ny olon-dehibe anefa no tena voan’ireo taloha. Milaza ny Sampan-draharaha Amerikanina Momba ny Fitsaboana, fa ny ampahatelon’ny ankizilahy, ary efa ho ny antsasaky ny ankizivavy teraka tany Etazonia tamin’ny 2000 no atahorana foana ho voan’ny diabeta, satria matavy loatra.

Hita fa mihamaro ny ankizy matavy loatra, nefa mampiakatra tosidra ny hatavezana. Rehefa mitombo isa anefa ny olona matavy, dia mitombo isa koa ny olona miakatra tosidra. Hoy ny Pr. Rebecca Din-Dzietham, ao amin’ny Oniversite Morehouse, any Atlanta, Etazonia: “Raha mihamaro foana ny olona miakatra tosidra, dia hihamaro ny tanora sy ny olon-dehibe ho voan’ny aretim-po.”

Nahoana no matavy ny ankizy?

Nahoana no mihamaro ny ankizy matavy loatra eran-tany? Marina fa mety ho efa vahana ilay izy, nefa tsy voatery ho izany foana, rehefa jerena ny tatitra tato anatin’ny 20 na 30 taona. Hoy i Stephen O’Rahilly, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge, any Angletera: “Be loatra ny ankizy matavy loatra tato anatin’ny 30 taona ka tsy azo lazaina hoe vahana daholo no nahatonga izany.”

Milaza ny antony mahatonga ny ankizy hatavy ny Hopitaly Mayo, any Etazonia: “Marina fa ny fototarazo sy ny hormonina no mety hahatonga ny ankizy sasany hatavy. Maro anefa no lasa matavy loatra, satria mihinam-be nefa zara raha mampiasa vatana.” Fa nahoana no miova ny fahazaran’ny ankizy misakafo?

Voalohany, samy miasa ny ray aman-dreny, ka tsy dia manam-potoana sy hery hikarakarana sakafo. Lasa mividy hani-masaka àry izy ireo. Mihamaro koa ny mpivarotra hani-masaka eran-tany. Araka ny fanadihadiana iray, dia efa ho ny ampahatelon’ny ankizy 4 ka hatramin’ny 19 taona, any Etazonia no mividy hani-masaka isan’andro. Matetika anefa ireny sakafo ireny no be siramamy na be menaka, ary ngezabe sy mahate hihinana.

Faharoa, aleon’ny olona misotro zava-pisotro mamy misy gazy, toy izay hisotro ronono sy rano. Betsaka kokoa, ohatra, ny vola lanin’ny Meksikanina, isan-taona, amin’ny zava-pisotro mamy noho ny amin’ireo foto-tsakafo folo. Milaza ilay boky hoe Ady Amin’ny Hatavezan’ny Ankizy (anglisy), fa mety hahazo 11 kilao mahery ny olona iray, ao anatin’ny herintaona, raha misotro zava-pisotro mamy antsasa-litatra, isan’andro!

Tsy dia mampiasa vatana koa ny ankizy. Nanadihady momba izany ny Oniversiten’i Glasgow any Ekosy, ka nahita fa 20 minitra isan’andro fotsiny ireo ankizy telo taona no “mampiasa vatana araka ny antonony na mafimafy kokoa.” Hoy ny Dr. James Hill, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Colorado, momba ilay fanadihadiana: “Tsy any [Royaume-Uni] ihany no misy ankizy zara raha mampiasa vatana, fa saiky any amin’ny firenena rehetra eran-tany.”

Inona no vahaolana?

Tsy ampirisihin’ny manam-pahaizana hifady sakafo ny ankizy, satria mety tsy hampitombo azy na hankarary azy izany. Hoy kosa ny Hopitaly Mayo: “Tokony hanatsara ny sakafony sy hiara-manao fanatanjahan-tena ny fianakaviana manontolo, raha te hiady amin’ny hatavezan’ny ankizy.”—Jereo ny efajoro.

Ataovy fahazaran’ny fianakavianao àry ny mihinana sakafo mahasalama sy manao fanatanjahan-tena. Ho zatra an’izany koa ny zanakao rehefa lehibe.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

INONA NO AZON’NY RAY AMAN-DRENY ATAO?

1 Voankazo sy legioma no tena omeo ny zanakao, fa tsy sakafo kiendiendy na fatifatin-kanina.

2 Aza atao be loatra ny zava-pisotro mamy, na sakafo matavy sy be siramamy omena azy anelanelam-potoana. Rano na ronono sy sakafo mahasalama kosa omena azy.

3 Aza mampiasa menaka be dia be rehefa mahandro. Tsara raha tsy endasina ny sakafo, fa andrahoina na atono na masahina amin’ny etona.

4 Sakafo kelikely aroso.

5 Aza atao fanomezana na valisoa ho an’ny ankizy ny sakafo.

6 Aza avela tsy hisakafo maraina ny zanakao. Mety hihinam-be izy avy eo.

7 Aza misakafo eo anoloan’ny tele na ordinatera. Te hihinana foana mantsy ny olona sady tsy mahatsiaro voky, raha manao izany.

8 Asaivo mampiasa vatana, toy ny mitaingina bisikileta, na milalao baolina, na manao dihim-bazaha izy.

9 Aza avela hijery tele, na hampiasa ordinatera, na hanao lalao video be loatra izy.

10 Manaova zavatra iarahan’ny fianakaviana, toy ny mitsidika toeram-pijerem-biby, milomano, na mitsangantsangana.

11 Omeo raharaha mampiasa vatana ny zanakao.

12 Aoka ianao ho modely eo amin’ny resaka sakafo sy fanatanjahan-tena.

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalamana sy ny Hopitaly Mayo