Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky *

Fitaizana Zaza Sembana (Aprily 2006) Te hisaotra anareo amin’ny foko manontolo aho noho io lahatsoratra io. Vao teraka ny zanako vavimatoa, dia efa nisy tsy nety tao amin’ny atidohany. Nanomboka nifanintona izy rehefa feno herintaona. Efa 15 taona izy izao, nefa tsy mahay miteny sady votsa be ny sainy. Marina fa mahafaly anay ny fanantenana momba ny tontolo vaovao. Malahelo sy kivy anefa izahay indraindray rehefa mahita azy mijaly. Tena nampahery anay io lahatsoratra io. Nirotsaka ny ranomasoko teo am-pamakiana azy. Hita mihitsy hoe tena fantatr’i Jehovah izay ilaintsika tsirairay. Vao mainka izahay te hifikitra kokoa amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Mbola mamerina ny fisaorana anareo.

R. D., Madagasikara

Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ataoko Raha Tsy Salama Foana Aho? (Febroary 2008) Tsy omby tratra ny hafaliako rehefa nahita an’io lahatsoratra io aho. Tonga tamin’ny fotoana nilako azy mihitsy ilay izy! Narary aho ary tsy maintsy notsaboina tany amin’ny hopitaly nandritra ny roatokombolana. Vao nivoaka ny hopitaly aho no naharay an’ilay gazety. Tsapako tsara ny mahazo an’ireo tanora voaresaka ao. Misaotra be dia be amin’ny fitantarana sy ny torohevitra nomenareo.

K. P., Kanada

Manohina ny foko ny mieritreritra hoe mampahery ny kilemaina toa ahy i Jehovah Andriamanitra. Tamin’izaho mbola kely dia fantatra fa voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha aho. Mpisava lalana mpanampy aho izao, na dia tsy afaka mandeha aza. Tsy andriko izay hahatongavan’ny fotoana hahafahan’ny malemy “hianika tendrombohitra toy ny serfa”, ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Isaia 35:5, 6.

J. J., Repoblikan’i Korea

Averimberiko vakina foana io lahatsoratra io. Tsy tanako mihitsy ny ranomasoko, rehefa mieritreritra ny haben’ny fitiavan’i Jehovah aho. Toy ny hoe rakofany bodofotsy mafana isika, mba hiarovana antsika. Misaotra indrindra.

M. T., Japon

Tsy ho Velona Intsony ve ny Maty? (Desambra 2007) Nodimandry i Neny, volana vitsivitsy lasa izay. Tena nampihetsi-po ahy ny fanazavana tao amin’io gazety io, indrindra fa ny fampanantenana momba ny fitsanganana amin’ny maty. Misaotra indrindra fa tena nampahery sy nampionona ahy ilay izy.

R. M., Madagasikara

“Hitanao Ihany Aho, Jehovah!” (8 Oktobra 2004) Tsara mihitsy ny nitantaran’i Nelly an’iny tantarany iny. Hanampy an’ireo ankizy ao anatin’ny toe-javatra toy ny azy iny lahatsoratra iny. Tsy tokony hohadinoin’ny olon-dehibe koa ny ankizy toy ireny. Mora mantsy ny manadino hoe tokony hahina manokana izy ireny eo anivon’ny fiangonana.

M. K., Danemark

Mbola tsy nisy tantara nanohina ny foko toa an’iny mihitsy. Efa niainako koa ny hoe irery tao amin’ny fahamarinana. Izaho irery mantsy no mpanompon’i Jehovah tao an-tranonay nandritra ny efa-taona. Rehefa namaky an’ilay lahatsoratra aho, dia tena nanohina ny foko ny nahita fa niahy manokana an’i Nelly i Jehovah. Misaotra anareo tamin’iny fitantarana mampahery iny. Misaotra Nelly a!

G. W., Alemaina

Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy? (8 Novambra 2004) Nisy ankizivavy namako niteny tamiko, indray mandeha, hoe misy olona tiany, hono. Nangataka torohevitra tamiko izy momba izay tokony hataony. Nieritreritra toro lalana ara-baiboly mihatra amin’izany izahay. Azonareo sary an-tsaina angamba ny fifalianay rehefa naharay an’io gazety io izahay ny ampitson’iny. Misaotra be dia be anareo mamoaka lahatsoratra toy ireny.

J. S., Irlandy

[Loharanon-kevitra]

 ^ Tsy navaoka tao amin’ny fiteny anglisy ny taratasy voalohany