Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatra Ihany Ilay Zavatra Hafahafa

Fantatra Ihany Ilay Zavatra Hafahafa

Fantatra Ihany Ilay Zavatra Hafahafa

NAHITA zava-tsarobidy tao amin’ny sambo iray, rendrika teo akaikin’ny nosy Antikýthēra any Gresy, ny mpanao antsitrika tamin’ny 1901. An’ny mpivaro-mandeha romanina ilay sambo, ary nitondra sarivongana marbra sy halimo, mbamin’ny vola madinika volafotsy avy any Pergamosy. Avy amin’ireo vola ireo no nilazan’ny mpikaroka fa rendrika teo anelanelan’ny taona 85 sy 60 Talohan’i Kristy (T.K.), io sambo saika ho any Roma io.

Tehirizina ao amin’ny Tranombakok’i Atena any Gresy ireo rakitry ny ela ireo. Nankany amin’io tranombakoka io ny mpikaroka maromaro, tamin’ny 2005. Tsy ireo sarivongana na ny vola madinika anefa no nahaliana azy ireo, fa ny fitaovana iray vita amin’ny halimo. Boaty hazo iray mitovy habe amin’ny baoritra kiraro no nisy azy taloha. Antsoina hoe Milin’i Antikythera ilay izy. Hita amin’izy io fa nandroso kokoa noho izay noeritreretin’ny olona ny zava-bita ara-tsiansa tany amin’ireo firenena fahiny. Voalaza fa izy io no “milina kely be pitsiny indrindra tamin’ny andro taloha.”

Inona anefa izy io, ary nahoana ilay izy no mahaliana?

Ilay zavatra hafahafa

Rakotra zavatra matevina ilay boaty ary feno harafesina ny tao anatiny, rehefa nakarina avy tao an-dranomasina. Efa ho 2 000 taona ilay izy no tao, ka lasa toy ny vato feno lomotra. Variana tamin’ireo sarivongana ny olona tamin’ny voalohany, ka tsy niraharaha firy an’ilay zavatra.

Nizarazara maromaro ilay milina, tamin’ny fotoana nandinihan’ny mpikaroka grika azy tamin’ny 1902. Kodia miadinify izy ireo, izany hoe faribolana maromaro mifampiditra sy tsy mitovy habe, ary feno kinifinifiny miendrika telozoro. Mitovy amin’ny ao anatin’ny famantaranandro ilay milina, saingy tsy famantaranandro. Heverina mantsy fa vao 700 taona teo ho eo izay no nielezan’ny famantaranandro ahitana kodia miadinify toy izany.

Niresaka an’io Milin’i Antikythera io ny lahatsoratra iray. Voalaza tao fa ‘mino ireo mpahay tantara hoe tsy vitan’ny [Grika tany amin’ny 2 000 taona lasa] ny hanamboatra kodia miadinify marina tsara avy amin’ny metaly, ary handrindra azy ireny mba ho afaka hifanodina.’ Noheverina anefa fa karazana fitaovana nampiasaina taloha ilay izy, mba hamantarana ny laharam-pehintany, arakaraka ny toeran’ireo zavatra eny amin’ny lanitra.

Maro anefa no milaza fa tsy mahatratra 2 000 taona ilay milina, satria be pitsiny loatra. Manatsoaka hevitra àry izy ireo fa tsy tao anatin’ilay sambo izy io. Milaza kosa ny manam-pahaizana iray fa mety ho ilay antsoina hoe Bolan’i Archimède izy io. Voalazan’i Cicéron tamin’ny taonjato voalohany T.K., fa milina kely mahavita manahaka ny fihetsehan’ny masoandro sy ny volana ary ny planeta dimy taza-maso, ny Bolan’i Archimède. Tsy misy porofo mazava anefa manohana an’izany, ka naleon’ny olona ilay fanazavana momba ny fitaovana amantarana ny laharam-pehintany.

Nodinihina tsara kokoa

Tamin’ny 1958 ilay milina no nodinihin’i Derek de Solla Price. Niofana ho mpahay fizika izy, nefa lasa mpampianatra tantara. Nino izy fa vitan’io fitaovana io ny mikajy ireo zavatra efa niseho sy mbola hiseho eny amin’ny lanitra. Anisan’izany ny fotoanan’ny volana fenomanana. Hitany fa ireo soratra eo amin’ny tampon’izy io, dia fizarazarana amin’ny kalandrie, toy ny andro, ny volana, ary ireo kintana fijerena tononandro. Nilaza koa izy fa mety ho nisy fanjaitra afaka nihodina teo amin’izy io, mba hanondroana ny toerana misy an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, amin’ny fotoana samihafa.

Nanatsoaka hevitra i Price fa mampiseho ny fihetsehan’ny masoandro ilay kodia lehibe indrindra. Toy ny fotoana ihodinan’ny tany amin’ny masoandro, hono, ny indray mihodina amin’izy io. Misy kodia iray hafa mifampiditra amin’ilay izy. Raha marina fa ny fihetsehan’ny volana no asehon’io kodia hafa io, dia mety hampiseho ny hevitry ny Grika fahiny momba ny lalana arahin’ny volana, ny isan’ny kinifinifiny eo amin’ireo kodia roa.

Nodinihin’i Price tamin’ny skanera ilay milina, tamin’ny 1971. Nanamarina ny teniny ilay fikarohana. Hitany fa tena fitaovana fanaovana kajy momba ny zavatra eny amin’ny lanitra ilay izy. Novinavinain’i Price ny fomba fiasan’ilay milina, ary nataony sary. Nampahafantariny ny vokatry ny fikarohana nataony, tamin’ny 1974. Hoy izy: “Tsy misy toa an’io fitaovana io mihitsy any ho any. ... Tsy tokony ho nisy io fitaovana io, raha ny zavatra fantatsika momba ny siansa sy ny haitao tamin’ny andro nampahalaza ny Grika no jerena.” Tsy noraharahaina firy ny asan’i Price tamin’izany. Nisy olon-kafa anefa nanohy ny fikarohany.

Fanazavana fanampiny

Araka ny voalaza erỳ aloha, dia nisy ekipana mpikaroka nandinika an’ilay milina tamin’ny 2005. Nampiasa fitaovana tena arifomba izy ireo, mba hakana sary toy ny tena izy an’ilay milina. Nahazoana fanazavana fanampiny momba ny fiasan’ilay milina ireo fandinihana ireo. Raha vao ahodina ny bokotra iray, dia kodia mifampidipiditra 30, fara fahakeliny, no mihodina, ka manetsika an’ireo fanjaitra eo amin’ny tampony telo misy soratra, eo anoloana sy eo an-damosin’ilay milina. Tamin’izany no nahafahana nilaza mialoha ireo zavatra mpitranga eny amin’ny lanitra, toy ny fanakona-masoandro sy volana. Ireny no namantarana ny datin’ny Lalao Olympika isaky ny efa-taona sy ireo lalao hafa tany Gresy. Ireny lalao ireny indray kosa no namaritana ny datin’ireo zava-nitranga hafa.

Nahoana no tena nilaina ny fanazavana toy izany? Maro ny anton’izany. Zava-dehibe tamin’ny olona fahiny ny nandinika an’ireo zavatra teny amin’ny lanitra. Nifandray tamin’ny masoandro sy ny volana mantsy ny kalandrie fahiny, ary nila azy io ny mpamboly mba hamantarany ny fotoam-pamafazana. Nijery ny kintana koa ny tantsambo mba hahitany lalana. Ny fiainan’ny Grika andavanandro mihitsy no nampifandraisiny tamin’ireo zava-niseho teny amin’ny lanitra. Mbola nisy antony hafa anefa tena nilana an’ireo fanazavana azo avy tamin’ilay milina.

Hoy i Martin Allen, anisan’ireo mpikaroka momba ny Milin’i Antikythera: “Zava-dehibe tamin’ny Babylonianina fahiny ny nahafantatra mialoha ireo fanakona-masoandro sy volana, satria noheverin’izy ireo ho fambara loza ireny. Mety ho nataon’ireo manam-pahefana fitaovana mihitsy aza ilay milina, mba hifehezana ny vahoakany. Misy milaza aza hoe nafenin’ny miaramila sy ny mpanao politika ireny milina ireny, matoa tsy dia fantatsika.”

Na ahoana na ahoana, dia hita avy amin’io milina io fa efa nandroso lavitra kokoa noho izay mety ho noeritreretintsika ny Grika fahiny. Efa nandroso be ny fandinihany ireo zavatra teny amin’ny lanitra sy ny fahaizany matematika. Avy tamin’ny Babylonianina ny ankabeazan’ireny fahaizana ireny. Hoy ny gazety Natiora (anglisy): “Sady mandiso ny hevitsika momba ny haitao taloha ilay Milin’i Antikythera no ahafantarantsika kokoa ny tantara.”

[Efajoro, pejy 26]

IZA NO NANAO AZY IO?

Tsy maintsy ho nisy hafa nitovy taminy ny Milin’i Antikythera. Hoy i Martin Allen: “Tsy misy diso mihitsy ao amin’ilay milina. Misy asany daholo ny zava-drehetra ao. Tsy misy metaly na lavaka tsy ilaina ao, ka mahatonga antsika hilaza hoe novana ny bikan’ilay milina, teo am-panamboarana azy. Tsy maintsy ho efa nisy maromaro namboarina, talohan’izay.” Iza àry no nanamboatra io milina io? Ary nankaiza ireo milina hafa namboariny?

Ny fikarohana farany no nahitana teo amin’ilay milina ny anaran’ireo volana nisehoan’ny fanakona-masoandro sy volana. Anarana avy any Korinto izy ireo. Nanatsoaka hevitra àry ireo mpikaroka fa sokajin’olona manokana no nanamboatra sy nampiasa an’ilay milina. Hoy koa ny gazety Natiora: “Ny Korintianina nipetraka tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Gresy na ireo tao Syrakosa any Sisila no mety ho nampiasa an’ilay izy. Mety ho efa nampiasaina tamin’ny andron’i Archimède ilay izy, raha ireo tao Syrakosa no nampiasa azy.”

Nahoana no tsy misy afa-tsy iray sisa ilay milina? “Tena sarobidy sady azo avadika ho zavatra hafa ny halimo”, hoy i Allen. “Mahalana àry no hahitana entana tranainy vita amin’ny halimo. Soa fa tany ambany ranomasina, izay toerana saro-takarina, no nahitana ny ankamaroan’ireo zava-manan-tantara tranainy vita tamin’ny halimo ireo. Ho namadika azy ireny ho zavatra hafa mantsy ny olona raha tsy izany.” Hoy ny mpikaroka iray: “Noho izy tany amin’ny toerana tsy mora azon’ny mpanefy vy fotsiny, no mbola ananantsika azy io.”

[Kisary/Sary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Naverina tamin’ny laoniny ny tao anatin’ny Milin’i Antikythera

1. Ny eo anoloana dia nanondro ny fiovan’ny endriky ny volana ary ny toeran’ny masoandro sy ny volana. Nasehony koa ny andro sy volana ao amin’ny kalandrie, sy ny fihetsehan’ny masoandro (sy ireo planeta taza-maso) raha oharina amin’ireo antokon-kintana

2. Ny tapany ambony, ao andamosiny, dia nanondro ny fihodinan’ny volana sy ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro, izay namaritana ny datin’ireo lalao tany Gresy

3. Ny tapany ambany, ao andamosiny, dia nilaza mialoha ny fanakona-masoandro sy volana

[Sary]

Ny anoloany

Ny ao andamosiny

[Sary nahazoan-dalana]

Sary roa: ©2008 Tony Freeth/Antikythera Mechanism Research Project (www.antikythera-mechanism.gr)

[Sary, pejy 26]

Ny mety ho endriky ny takelaka ivelany tao andamosiny

[Sary nahazoan-dalana]

©2008 Tony Freeth/Antikythera Mechanism Research Project (www.antikythera-mechanism.gr)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary rehetra: ©2005 National Archaeological Museum/Antikythera Mechanism Research Project (www.antikythera-mechanism.gr)