Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mandoro Faty?

Mety ve ny Mandoro Faty?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety ve ny Mandoro Faty?

Misy mihevitra fa ny fandoroana faty dia manazimbazimba ny nofon’ny maty sy manala baraka an’ilay olona maty. ‘Tsy tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra izany’, hoy izy ireo, ‘satria fanaon’ny mpanompo sampy.’ Ny hafa kosa mihevitra fa mety ny mandoro faty, ary fomba mendri-kaja handevonana ny vatan’ny maty izany. Ahoana no hevitrao?

FANAON’NY olona fahiny ny mandevina ny maty. Nalevin’i Abrahama tao amin’ny lava-bato, ohatra, i Saraha vadiny. Nalevina tao amin’ny fasana nolavahana teo amin’ny vatolampy koa ny fatin’i Jesosy. (Genesisy 23:9; Matio 27:60) Milaza ve ny Baiboly fa ny fandevenana ihany no mety hatao amin’ny maty? Voalaza ao ve fa tsy nankasitraka ny fandoroana faty ny mpanompon’Andriamanitra fahiny?

Manondro ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ve?

Andinin-teny maro no toa mampiseho fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny olona iray matoa nodorana ny fatiny. Nilaza, ohatra, ny Lalàn’i Mosesy fa raha nivaro-tena ny zanakavavin’ny mpisoron’i Jehovah, dia tsy maintsy novonoina ary ‘nodorana’ avy eo. (Levitikosy 20:10; 21:9) Notoraham-bato sy ‘nodorana’ koa i Akana sy ny fianakaviany, satria tsy nankatò an’Andriamanitra ka nahatonga ny firenen’ny Israely ho resy tany Ay. (Josoa 7:25) Milaza ny manam-pahaizana sasany fa ny fatin’ny olona nalam-baraka no nodorana. Milaza izy ireo fa nodorana ny fatin’ny ratsy fanahy, mba tsy handevenana azy amin’ny fomba heverina ho mihaja.

Rehefa nanaisotra ny fanompoan-tsampy tany Joda koa i Josia Mpanjaka, dia nofongariny avy tany am-pasana ny taolambalon’ireo mpisorona nanao fanatitra ho an’i Bala, ary nodorany teo ambonin’ny alitaran’izy ireo. (2 Tantara 34:4, 5) Midika ve izany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona iray matoa dorana ny fatiny? Tsia. Misy tantara hafa ao amin’ny Baiboly manaporofo fa tsy marina izany.

Nataon’ny Filistinina teo amin’ny mandan’ny tanànan’i Beti-sana ny fatin’i Saoly Mpanjakan’ny Israely sy ny fatin’ny zanany telo lahy, rehefa resiny ny Israelita. Fihetsika nampiseho tsy fanajana izany. Rehefa nandre izany ny Israelita tao Jabesi-gileada, dia nalain’izy ireo ny faty ary nodorany. Naleviny ireo taolam-paty, avy eo. (1 Samoela 31:2, 8-13) Raha jerena maimaika io fitantarana io, dia toa manamafy fa ny fatin’ny ratsy fanahy no nodorana. Ratsy fanahy mantsy i Saoly satria niady tamin’i Davida, izay voahosotr’i Jehovah. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy, tamin’izy maty.

Mariho anefa hoe iza no niara-maty tamin’i Saoly. Anisan’izany i Jonatana zanany lahy, ary nodorana koa ny fatiny. Tsy ratsy fanahy izy, fa naman’i Davida akaiky mihitsy aza sady nanohana azy. Niaiky ny Israelita fa “niara-niasa tamin’Andriamanitra” i Jonatana. (1 Samoela 14:45) Rehefa fantatr’i Davida izay nataon’ireo lehilahy avy tao Jabesi-gileada, dia nidera sy nisaotra azy ireo toy izao izy: “Hotahin’i Jehovah anie ianareo, satria naneho izany hatsaram-panahy feno fitiavana izany tamin’i Saoly tomponareo.” Asehon’izany fa tsy nampaninona an’i Davida ny nandorana ny fatin’i Saoly sy Jonatana.—2 Samoela 2:4-6.

Vitan’i Jehovah foana ny manangana azy

Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa hanangana an’ireo nodimandry maro be i Jehovah Andriamanitra. (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 5:28, 29) Asehon’ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy izay hitranga rehefa ho velona indray ny maty. Izao no voalaza ao: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy.” (Apokalypsy 20:13) Vitan’Andriamanitra foana ny manangana olona iray amin’ny maty, na nalevina ny fatiny, na nodorana, na very tany an-dranomasina, na lanin’ny bibidia, eny fa na dia levon’ny baomba ataomika aza.

Tsy misy toromarika manokana momba izay tokony hatao amin’ny faty ao amin’ny Baiboly. Tsy mandrara ny fandoroana faty i Jehovah. Mazava ho azy anefa, fa tokony hatao amin’ny fomba mendri-kaja ny fandevenana sy ny fandoroana faty.

Mety hanisy fiheverana ny fanao eo an-toerana ny olona iray, rehefa manapa-kevitra ny amin’izay hatao amin’ny faty. Azo antoka fa tsy maniry hanafintohina tsy amin’antony ny mpiara-monina aminy ny olona mankatò ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy mino ny fampianaran’ny fivavahan-diso koa anefa izy ireo, anisan’izany ilay hoe tsy mety maty ny fanahy. Tsy arahiny àry ireo fanao ahitana taratra an’izany finoana izany. Aorian’ny fandinihana an’ireo lafin-javatra ireo, dia anjaran’ny tsirairay na ny ankohonany no manapa-kevitra hoe hatao ahoana ny fatiny na ny an’ny olon-kafa.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Iza tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika no nodorana ny fatiny? —1 Samoela 31:2, 12.

◼ Inona no nolazain’i Davida tamin’ireo lehilahy nandoro ny fatin’i Saoly?—2 Samoela 2:4-6.

◼ Inona no mampiseho fa vitan’Andriamanitra foana ny manangana olona amin’ny maty, na dia nodorana aza ny fatiny?—Apokalypsy 20:13.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Tsy misy toromarika manokana momba izay tokony hatao amin’ny faty ao amin’ny Baiboly