Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niova Ilay Mpampianatra

Niova Ilay Mpampianatra

Niova Ilay Mpampianatra

◼ Nasain’ny mpampianatra iray tany Batoumi, Géorgie, hitanisa ny Didy Folo ny mpianany, taona vitsivitsy lasa izay. Gaga izy fa hain’i Anna tsianjery ilay izy. Hainy tsara koa ny namaly fanontaniana ara-baiboly hafa. Variana ilay mpampianatra ka nanontany azy ny fomba nahaizany an’izany rehetra izany. Namaly i Anna hoe mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tonga dia notapahin’ilay mpampianatra ny teniny, ary nolazainy fa olona mafana fo tafahoatra izy ireny.

Nasain’ilay mpampianatra namorona lahatsoratra momba ny toe-piainana any Géorgie sy ireo olana atrehin’io firenena io ny mpianatra, indray mandeha. Toy izao no namaranan’i Anna ny lahatsoratra nataony: “Tsy hisy hahavita hanova tanteraka ny fiaraha-monina mihitsy, satria hoy ny Jeremia 10:23: ‘Tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.’ Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha ny olana rehetra.”

Noderain’ilay mpampianatra i Anna ny ampitson’iny. Hoy izy teo anatrehan’ny iray kilasy: “Tiako ny lahatsoratr’i Anna satria miavaka sady nataony tamin’ny fomba fiteniny. Nohazavainy tao ny hoe mbola hihatsara ny toe-piainana maneran-tany sy ny hoe ahoana no hahatanterahan’izany.” Noderainy koa i Anna satria mahalala fomba sady manao akanjo maotina.

Rehefa nitsidika an’io mpampianatra io ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza izy fa nihevitra azy ireo ho olona mafana fo tafahoatra, nefa niova izany fiheverany izany noho ilay mpianany atao hoe Anna. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io mpampianatra io tamin’ny 2007, ary nohenoiny tsara ilay fandaharana.

Niaiky ilay mpampianatra fa tena mahay Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Mianatra Baiboly tsy tapaka izy izao. Azo antoka fa malala-tsaina toa azy koa ianao, ka te hahafantatra ny antony mahatonga ny olona sasany hanana finoana sy fitondran-tena miavaka. Nahoana raha mangataka Vavolombelon’i Jehovah iray hampianatra Baiboly anao maimaim-poana?

[Sary, pejy 21]

Anna eo am-panoratana ilay lahatsoratra