Ny Vavan’ny Angisy
Nisy Namorona Ve?
Ny Vavan’ny Angisy
◼ Mahalasa eritreritra ny mpahay siansa ny vavan’ny angisy (calmar). Mafy be mantsy ny vavan’io biby io, fa malemy kosa ny vatany. Gaga àry ry zareo hoe nahoana ny zavatra mafy be toy izany no afaka mipetaka amin’ny zavatra malemy. Tsy ho rovitra ve ny hoditr’ilay angisy, ka haratra izy rehefa ela ny ela?
Diniho izao: Mafy ny eny amin’ny tendron’ilay vavany, fa malemilemy kosa ny eny amin’ny fotony. Rano sy proteinina ary zavatra mafy toy ny kiran-trondro no mahaforona an’io vavany io. Ny tendrony ihany anefa no tena mafy. Mihamalemy tsikelikely kosa ilay vavany mandra-pahatonga eny amin’ny fotony. Tsy atahorana ho rovitra mihitsy àry ny hoditr’ilay angisy.
Nilaza i Frank Zok, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, fa tsara raha mandinika ny vavan’ny angisy ny injeniera. Mety hanampy azy ireo “hahita fomba vaovao hanakambanana zavatra malemy sy mafy izany, mba hanamboarana fitaovana isan-karazany.” Anisan’izany ny solon-tanana na solon-tongotra. Hoy i Ali Miserez, mpikaroka ao amin’io oniversite io ihany: ‘Efa te hanandrana hanamboatra solon-drantsambatana sahady aho, ka zavatra mitovitovy amin’ireo hita amin’ny vavan’ny angisy no hampiasaiko. Zavatra malemilemy toy ny taola-malemy no hanamboarako an’ilay ilany hipetaka amin’ny vatana, fa zavatra mafy sy tsy mora simba kosa ny eo amin’ny ilany.’
Ahoana no hevitrao? Hitantsika teo hoe nahoana no tsy rovitra ny hoditry ny angisy na dia mafy be aza ny vavany. Nisy ho azy ve ny vavan’ny angisy sa nisy namorona?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
© Bob Cranston/SeaPics.com
© Richard Herrmann/SeaPics.com