Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hiova Namana ve Aho?

Tokony Hiova Namana ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tokony Hiova Namana ve Aho?

“Rehefa tezitra aho, dia mila olona hiresahana ny ato am-poko. Rehefa malahelo aho, dia mila olona hampahery ahy. Rehefa faly aho, dia mila olona hiara-mifaly amiko. Tena ilaina ny namana amiko.”—Brittany.

MISY milaza fa mpiara-milalao no ilain’ny ankizikely, fa namana kosa no ilain’ny tanora. Inona no tsy mampitovy an’ireo?

Ankizy tafaraka milalao aminao matetika fotsiny no atao hoe mpiara-milalao aminao.

Ny namanao kosa tsy vitan’ny hoe miaraka aminao fotsiny, fa mitovy zavatra tiana aminao koa.

Milaza koa ny Baiboly fa “tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Azo inoana fa tsy toy izany ny ankizy niara-nilalao taminao.

Hoatran’ny ahoana àry no tokony ho namanao? Efa mihalehibe ianao izao, ka mila namana

1) Tsara toetra.

2) Manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.

3) Manampy anao ho hendry.

Fanontaniana: Mahafeno an’ireo fepetra ireo ve ny namanao? Andeha hodinihintsika tsirairay ireo.

Voalohany: Tsara toetra

Fantaro izao: Tsy izay rehetra miseho ho namana no tena namana. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa “misy mpinamana vonona hifamotika.” (Ohabolana 18:24) Mety hilaza ianao hoe: ‘Izany koa ve dia marina?’ Eritrereto àry izao: Efa nisy olona niseho ho namanao ve nefa nanararaotra na nifosa anao, na nanendrikendrika anao? Azo inoana fa lasa tsy matoky azy ireo intsony ianao. * Aleo àry namana vitsy nefa tsara toetra, toy izay namana maro nefa ratsy toetra!

Inona no tokony hataonao? Mifidiana namana tsara toetra mba ho modely ho anao.

“Manana namana hoe Fiona aho. Miteny daholo ny olona hoe tsara toetra izy. Tena tiako raha izaho no hoatr’azy. Mba te halaza hoe tsara toetra koa aho.”—Yvette, 17 taona.

Andramo ireto:

1. Vakio ny Galatianina 5:22, 23.

2. Eritrereto izao: ‘Hita hoe manana ny “vokatry ny fanahy” ve ny namako?’

3. Soraty eto ny anaran’izay tena namanao. Soraty eo amin’ny ilany ny tena toetrany.

Anarana Toetra

․․․․․ ․․․․․

․․․․․ ․․․․․

․․․․․ ․․․․․

Soso-kevitra: Hitanao ve fa ratsy toetra izy? Tsy aleo àry ve miova namana?

Faharoa: Manaraka ny fitsipiky ny Baiboly

Fantaro izao: Aza maika hahazo namana, sao ho sendra naman-dratsy. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Hahita loza izay minamana amin’ny tsisy saina.’ (Ohabolana 13:20) Tsy hoe olona tsy mieritreritra tsara no tiana holazaina amin’ny hoe “tsisy saina”, fa olona tsy miraharaha torohevitra ary mikiry manao ratsy. Tena ratsy ny namana toy izany!

Inona no tokony hataonao? Aza minamana amin’izao olona rehetra izao, na dia hitanao aza fa tia anao ry zareo. Mahaiza kosa mifidy. (Salamo 26:4) Tsy midika anefa izany hoe tokony hanavakavaka ianao. Tokony handinika tsara kosa ianao mba ‘hahitanao ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.’—Malakia 3:18.

Tsy manavakavaka Andriamanitra, saingy fidiny tsara izay tiany ‘hivahiny ao an-tranolainy.’ (Salamo 15:1-5) Afaka manao toy izany ianao. Araho koa anefa ny fitsipiky ny Baiboly. Amin’izay dia hahatsikaritra anao ny olona tia an’Andriamanitra, ka hinamana aminao. Ho hitanao fa izy ireo no tena namana!

“Faly aho fa nampian’ny ray aman-dreniko hahita namana mitovy taona amiko, sady manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.”—Christopher, 13 taona.

Andramo ireto:

Valio ireto fanontaniana ireto:

◼ Miferinaina ve aho matetika rehefa miaraka amin’ny namako, sao hasainy manao zava-dratsy?

□ Eny □ Tsia

◼ Afeniko amin’ny ray aman-dreniko ve hoe iza no namako, satria matahotra aho sao tsy ho tian-dry zareo izy?

□ Eny □ Tsia

Soso-kevitra: Eny ve no valin-teninao amin’ireo? Mitadiava àry namana manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Nahoana raha mba mitady ankizy zokinao sady Kristianina modely?

Fahatelo: Manampy anao ho hendry

Fantaro izao: Hoy ny Baiboly: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintianina 15:33, Fandikan-teny Protestanta) Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Lauren: “Tsy tian’ny mpiara-mianatra tamiko aho raha vao tsy nanao izay noteneniny. Tsy nana-namana aho ka naleoko nanaiky. Amin’izay aho mantsy mba tiany.” Tsapan’i Lauren anefa fa lasa toy ny kilalaon’ny namany izy, satria ampanaovin’izy ireo izay tiany. Manana ny hajanao ianao, ka aza manaiky hatao an’izany!

Inona no tokony hataonao? Aza minamana intsony amin’ny ankizy manery anao hitovy aminy. Tsy hiferinaina intsony ianao amin’izay. Ho tia anao koa ny ankizy tsara toetra, ka hahazo namana hanampy anao ho hendry ianao.—Romanina 12:2.

“Mpinamana be izahay sy Clint. Izy foana no tena mahay mampahery ahy, satria sady matotra izy no tsara fanahy.”—Jason, 21 taona.

Andramo ireto:

Valio ireto fanontaniana ireto:

◼ Ovako ve ny fiakanjoko na ny fiteniko na ny fihetsiko mba ho tian’ny namako aho?

□ Eny □ Tsia

◼ Mandeha any amin’ny toerana tsy mety amin’ny Kristianina ve aho mba ho tian’ny namako, nefa tsy falehako ilay izy?

□ Eny □ Tsia

Soso-kevitra: Eny ve no valin-teninao amin’ireo? Mangataha àry torohevitra amin’ny ray aman-dreninao, na olon-dehibe matotra hafa. Afaka manatona anti-panahy koa ianao, raha Vavolombelon’i Jehovah. Anontanio izy hoe inona no azonao atao, mba hahitanao namana hanampy anao ho hendry.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tadidio anefa fa manao fahadisoana daholo isika. (Romanina 3:23) Raha nahasosotra anao àry ny namanao, nefa tena manenina izy avy eo, dia mamelà ny helony. Tsarovy fa “manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Petera 4:8.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona no toetra tena tianao hananan’ny namanao? Nahoana?

◼ Inona no toetra tokony hiezahanao hananana, mba ho tian’ny namanao kokoa ianao?

[Efajoro/Sary, pejy 19]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Nisy ankizy tsy navelan’ny ray aman-dreniko hiarahako. Tsy nanaiky aho tamin’ny voalohany. Hitako anefa tatỳ aoriana fa tsara ny torohevitr’izy ireo. Nandinika tsara aho, ka nahita fa hay be dia be ny ankizy hendry azoko natao namana.—Cole.

Lasa mifankahalala tsara amin’ny mpiara-manompo aho, rehefa mandeha mitory. Miovaova tsinona ny olona miaraka amiko. Ao ny antitra, ary ao koa ny tanora. Sady tia an’i Jehovah daholo ry zareo.—Yvette.

Nivavaka aho mba hahazo namana, nefa tsy nitady akory. Hay tsy nety ny nataoko! Niresaka tamin’ny olona àry aho tany am-pivoriana, ka tsy ela dia nahazo namana be dia be. Tsy nahatsiaro ho irery intsony aho.—Sam.

[Efajoro, pejy 20]

ANDRAMO IRETO:

Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Anontanio ry zareo hoe hoatran’ny ahoana ny namany tamin’izy nitovy taona taminao. Nanenina ve izy ninamana tamin’ireo tanora ireo? Raha eny, nahoana? Anontanio izy hoe inona no azonao atao, mba tsy hahavoa anao izay nahazo azy.

Asehoy amin’ny ray aman-dreninao ny namanao. Raha tsy sahy manao izany ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Nahoana aho no tsy sahy?’ Misy zavatra momba ilay namanao ve hitanao hoe tsy ho tian’ny ray aman-dreninao? Raha izany, dia mila mitandrina kokoa ianao rehefa mifidy namana.

[Efajoro, pejy 20]

INONA NO TOKONY HATAONAO MBA HO TIAN’NY NAMANAO FOANA IANAO?

Mahaiza mihaino. Asehoy fa mitady izay hahasoa azy ianao. Fantaro koa izay mampanahy azy.—Filipianina 2:4.

Mahaiza mamela heloka. Aza mieritreritra hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy izy. “Manao fahadisoana imbetsaka mantsy isika rehetra.”—Jakoba 3:2.

Avelao izy mba hanana ny fiainany indraindray. Aza terena hiaraka aminao foana izy. Raha tena namana izy, dia ho vonona hanampy anao foana, rehefa mila azy ianao.—Mpitoriteny 4:9, 10.

[Sary, pejy 18, 19]

Lasa toy ny kilalaon’ny namanao ianao, raha manaiky ampanaoviny izay tiany