Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Be Loatra, ka Tsy Arako!’

‘Be Loatra, ka Tsy Arako!’

‘Be Loatra, ka Tsy Arako!’

TSY mibata fonjam-by faran’izay mavesatra isan’andro ny mpibata fonjam-by, raha te handresy amin’ny Lalao Olympika. Fonjam-by maivana kokoa aloha no batainy, rehefa manao fanazaran-tena izy. Rehefa matanjaka sy zatra tsara ny hozany vao mibata fonjam-by faran’izay mavesatra izy. Harary mantsy ny hozany sy ny vanin-taolany raha miezaka mafy mibata fonjam-by faran’izay mavesatra foana izy. Mety tsy ho afaka hifaninana intsony koa aza izy.

Mitovy amin’ny mpibata fonjam-by ianao, raha mbola mpianatra. Azo inoana fa efa mianatra mafy ianao any am-pianarana. Mbola afaka mianatra mafy kokoa noho izany aza ianao, rehefa mahazo entimody sarotra na manomana fanadinana. * Ahoana anefa raha izany foana no ataonao isan’andro? Mety tsy hahatelin-kanina intsony ianao, na tsy hahita tory. Mety harary mihitsy aza ianao amin’ny farany. Izany mihitsy angamba izao no mahazo anao. *

Tsy mety tapitra ny entimody

Hoy i Hiroko, * 15 taona, any Japon: “Lasa be dia be sy sarotra ny entimodiko, rehefa nifindra kilasy aho. Ela be vao vitako ilay izy. Betsaka ny zavatra hafa tiako hatao, nefa tsy maintsy vitaina ny entimody, satria haverina ny ampitson’iny. Lasa mikoropaka aho indraindray.” Hoy koa i Svetlana, 14 taona, any Rosia: “Mila tsy ho vitako intsony ny entimodiko. Mitombo ny taranja ianarako isan-taona, ary manome entimody be dia be foana ny mpampianatra. Samy milaza koa ry zareo fa ny taranjany no tena ilaina. Tena sarotra àry ny mifantoka amin’ny taranja tsirairay, sy mamita ny entimody rehetra.”

Nahoana no manome entimody be dia be ny mpampianatra? Hoy i Gilberto, 18 taona, any Brezila: “Milaza ny mpampianatra fa natao hanampiana anay hahay kokoa noho ny hafa ny entimody. Be dia be mantsy ny olona hifaninana aminay rehefa hitady asa izahay.” Na marina aza izany, dia mety hiferinaina ihany ianao, rehefa be loatra ny entimodinao. Inona àry no vahaolana? Azonao ovana angamba ny fiheveranao azy ireny. Mahaiza koa mandamina ny fotoananao sy ny fiainanao.

Marina fa betsaka ny entimodinao, nefa ataovy toy ny hoe fampiofanana anao izy ireny mba hahafahanao mivelona tsara rehefa lehibe. Tsy hitahitanao akory dia ho vita ny fianaranao, na dia hoatran’ny tsy mety tapitra mihitsy aza ny entimodinao izao. Rehefa hanomboka hiasa ianao, dia tsy ho sahirana satria efa zatra nanao zavatra sarotra. ‘Hifaly noho ny asa mafy nataonao’ tany am-pianarana ianao amin’izay.—Mpitoriteny 2:24.

Tsy hiferinaina firy koa ianao raha mazoto mianatra sy mahay mandamina ny fotoananao sy ny fiainanao. (Jereo ilay efajoro hoe  “Tsy Te Hiferinaina Intsony ve Ianao?”) Vitao ara-potoana sy ataovy tsara ny entimodinao. Hatokisan’ny mpampianatra ianao amin’izay, ary mety hanampy anao izy. Inona no mety ho vokany raha atokisan’ny mpampianatra ianao? Raha misy zavatra tsy ampoizina mitranga, ka miteny mialoha aminy ianao fa tsy ho afaka hamita ny entimodinao, dia azo inoana fa tsy ho sarotiny aminao izy. “Mendri-pitokisana”, ohatra, ilay mpanompon’Andriamanitra atao hoe Daniela, ary “tsy mba nanao tsirambina mihitsy fa nanao ny marina foana.” Nazoto niasa izy ka lasa nidera azy sy natoky azy ny mpanjaka. (Daniela 6:4) Raha manahaka an’i Daniela ianao, dia mety handefitra aminao ny mpampianatra rehefa ilaina izany.

Ho afaka tanteraka ve ny adin-tsainao rehetra, raha mihaino tsara ianao ao an-dakilasy ary mamita ara-potoana ny entimodinao? Tsia. Mbola mety hiady saina ihany ianao satria te hianatra tsara. Mety tsy hitady fomba hialana amin’ny entimody sarotra intsony mantsy ianao, fa vao mainka aza te hianatra.

Tena ilainao ny mampiasa saina toy izany, satria hahasoa anao. Misy zavatra tsy tena mahasoa anefa, fa vao mainka aza manahirana.

Zavatra hafa ivelan’ny ora fianarana

Eritrereto hoe tsy hajain’ny olona iray mihitsy ny bisikiletany, fa entiny mirifatra be foana eny amin’ny lalan-dratsy. Mijanona tampoka koa izy, ary mandeha mafy tampoka avy eo. Inona no hitranga raha izany foana no ataony? Azo inoana fa vetivety dia ho simba tanteraka ilay bisikileta. Mety ho potika alohan’izany aza ilay bisikileta raha hiharan-doza izy.

Mpianatra maro no mampiasa mafy ny vatany sy ny sainy toy izany foana. Manao zavatra be dia be mantsy izy ireo, aloha sy aorian’ny ora fianarana. Nandinika ny fiainan’ny mpianatra vitsivitsy i Denise Clark Pope, ary nilaza toy izao tao amin’ilay bokiny hoe Mamita Fianarana (anglisy): “Vao maraina be ry zareo dia efa manao zavatra. Adiny iray na adiny roa alohan’ny anombohan’ny olon-dehibe ny asany no anaovan’izy ireo izany. Matetika koa no alina be izy ireo vao mba mipetraka. Mbola manao fanatanjahan-tena mantsy izy ireo, mamerina dihy, miara-mivory amin’ny fikambanan’ny mpianatra, miasa aorian’ny fianarana, ary mamita entimody.”

Hahita olana ny mpianatra, raha manao zavatra be dia be toy izany foana isan’andro. Mety harary vavony sy harary andoha izy ireo, satria mirotoroto lava. Vizana foana izy, ka mihena ny hery fanefitra ao amin’ny vatany. Mety harary mihitsy aza izy. Tsy mahavita na inona na inona intsony izy ireo avy eo, ary mety ho ela vao hahazo hery indray. Efa nahazo anao koa ve izany?

Tsy ratsy ny hoe miezaka mafy mba hanatratrarana tanjona tsara. Misy fetrany anefa ny mety ho vitanao ao anatin’ny iray andro, na dia matanjaka be aza ianao. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Manana heviny roa ny hoe “mahay mandanjalanja”: “Tsy manao zavatra tafahoatra” ary “mahay misaina.” Ny olona mahay mandanjalanja, dia tsy mandray fanapahan-kevitra mampidi-doza ny tenany na ny hafa. Matotra kosa izy, ary tena ilaina izany eto amin’ity tontolo miovaova ity. Mahaiza àry mandanjalanja, mba ho salama foana ianao. Ajanony ireo zavatra sasany ataonao nefa tsy tena ilaina akory.

Mikatsaka harena

Misy tanora mihevitra fa tsy ho tratrany mihitsy ny tanjony raha miezaka handanjalanja izy. Te ho tafita mantsy izy ireo, izany hoe te hanana asa be karama, ka ho lasa mpanankarena. Izany toe-tsaina izany no hitan’i Pope, tamin’ireo mpianatra sasany nodinihiny. Hoy izy: “Mba te ho ampy torimaso sy ho salama kokoa izy ireo, saingy tsy afaka satria be atao loatra. Enjehiny daholo mantsy na fianarana, na asa, na adidy amin’ny fianakaviana. Te hiaraka amin’ny namany, na hanao zavatra hafa, na hiala sasatra koa izy ireo. Nilaza anefa ny ankamaroany fa tsy ho vitany, raha sady hanao an’ireo izy no hiezaka hanana naoty ambony foana. Nekeny fa nila nisafidy izy, ka naleony nihafy mba ho tafita rahatrizay.”

Tokony handinika an’ity tenin’i Jesosy Kristy ity ireo mpianatra ireo: “Inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy? Sa inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” (Matio 16:26) Mampitandrina antsika izy, fa tsy misy dikany ny ezaka mafy ataontsika mba hanatratrarana tanjona eto amin’ity tontolo ity. Mety hankarary antsika izany, ary mety hanimba ny toe-pontsika sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.

Hoy i Madeline Levine, psikology, tao amin’ilay bokiny hoe Tambin’ny Fahombiazana (anglisy): “Tsy voatery hahasambatra na hiaro amin’ny ratram-po ny vola, fianarana, fahefana, toerana ambony, ary harena.” Hoy koa i Pope: “Ankizy sy ray aman-dreny maro no mitady ny tonga lafatra. Izany, hono, no ilaina raha te ho tafita. Tokony hiezaka kosa isika mba ho salama ara-batana sy ara-tsaina ary hahay handanjalanja.”

Misy zavatra sarobidy lavitra noho ny vola. Anisan’izany ny hoe salama ara-batana sy ara-pihetseham-po, manana feon’ny fieritreretana madio, ary mifandray tsara amin’ny Mpamorona. Tsy voavidim-bola ireo fanomezana avy amin’Andriamanitra ireo. Raha afoinao ireo mba hahazoana laza sy harena, dia tsy ho azonao intsony. Mariho àry ity tenin’i Jesosy ity: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.”—Matio 5:3.

Tanora maro no miaiky fa marina izany. Mianatra tsara izy any am-pianarana, nefa mitadidy koa fa tsy mahasambatra mandrakizay ny mari-pahaizana ambony sy ny harena. Hitany fa miteraka olana fanampiny ireo. Azo ialana anefa izany. Fantatr’izy ireo fa izay miezaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ihany no tena ho sambatra amin’ny hoavy. Ho faly hanampy anao amin’izany ny mpampanonta an’ity gazety ity, na ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ho an’ny mpianatra tsy dia mazoto mianatra, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hahazoako Naoty Tsara Kokoa?”, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, pejy 114-120.

^ Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ahitako Fotoana Hamitana ny Entimodiko?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2004, pejy 13-15.

^ Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Misy fetrany ny mety ho vitanao ao anatin’ny iray andro, na dia matanjaka be aza ianao

[Teny notsongaina, pejy 8]

Ny fiezahana hahalala ny Mpamorona no fianarana tsara indrindra

[Efajoro/Sary, pejy 5]

 TSY TE HIFERINAINA INTSONY VE IANAO?

❑ Mikorontana loatra ve ny entanao, ka lany fotoana ianao mitady ny taratasinao sy ny kahienao? Mila ampiana handamin-javatra ny olona sasany. Aza menatra àry mangataka torohevitra.

❑ Mangataka andro lava ve ianao? Andramo izao: Vitao aloha be ny entimodinao iray. Ho hitanao fa ho maivamaivana sy ho afa-po ianao. Mety hanampy anao izany, mba tsy hangataka andro intsony rehefa manao entimody.

❑ Tsy mifantoka ve ianao ao an-dakilasy? Andramo mandritra ny iray volana izao: Henoy tsara ny fanazavan’ny mpampianatra, ary raiso an-tsoratra ny hevi-dehibe. Ho hitanao fa ho mora kokoa ny entimodinao, ary ho faly ianao. Amin’izay ianao dia tsy hiferinaina loatra any am-pianarana.

❑ Manao fianarana fanampiny koa ve ianao, mba hanatsarana ny fahaizanao any am-pianarana, nefa mandany fotoana sy mitaky ezaka be ilay izy? Tena ilainao ve izany? Miresaha aloha amin’ny ray aman-dreninao. Manontania koa olon-kafa mahay mandanjalanja. Mety ho hitanao, aorian’izay, fa tsy dia ilaina akory izany, mba hahatafita anao amin’ny fianarana.

[Efajoro, pejy 6]

MANDA FIAROVANA AO AN-TSAINA FOTSINY

“Amin’ny mpanana, dia toy ny tanàna voaro mafy ny harenany. Heveriny fa manda fiarovana izany.” (Ohabolana 18:11) Nanao manda avo be ny olona fahiny, mba hiaro azy amin’ny fahavalo. Aoka hatao hoe mipetraka ao amin’ny tanàna iray tsy misy manda ianao. Mieritreritra anefa ianao hoe misy manda ilay izy. Na hino izany mafy toy inona aza ianao, dia tsy hiaro anao amin’ny fahavalo izany manda tsy tena misy izany.

Toy ny olona mipetraka ao amin’ny tanàna tsy misy manda ny tanora mikatsaka harena. Ho diso fanantenana izy ireo. Ry ray aman-dreny, ampio àry ny zanakareo mba tsy ho lasa matimatin-karena, ka hanorina manda any an-tsainy fotsiny.

Hanampy anareo hampisaintsaina ny zanakareo ireto fahamarinana ara-baiboly ireto:

◼ Vao mainka mampitombo ny olana ny harena. “Ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena ... no tsy ahitany tory.”—Mpitoriteny 5:12; 1 Timoty 6:9, 10.

◼ Ho sambatra ny olona iray raha mahay mitantam-bola, na dia tsy manankarena aza izy. “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”Ohabolana 21:5; Lioka 14:28.

◼ Manjary mahay mianina ny olona iray, na kelikely aza ny karamany, nefa ahazoany izay ilainy. “Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa.”Ohabolana 30:8. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana fanampiny momba ny fandriky ny fitiavan-karena ao amin’ny Mifohaza! 8 Aprily 2003, pejy 26-27.

[Sary, pejy 7]

Tsy mahasoa ny manao zavatra be loatra

[Sary, pejy 7]

Hevero ho toy ny fampiofanana ny entimody, fa TSY ho toy ny olana