Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ireo Mpitsabo Mpamonjy Voina?

Iza Ireo Mpitsabo Mpamonjy Voina?

Iza Ireo Mpitsabo Mpamonjy Voina?

Nitaratra teny amin’ireo trano sy fiara hafa ny jiro menan’ilay fiara mpitondra marary nandehananay. Naneno mafy koa ny fanairana nalefan’ilay fiara, ka nijanona ny fiara hafa sy ny mpandeha an-tongotra mba hanome lalana anay. Handeha hamonjy olona nila vonjy mantsy izahay.

MPITSABO amin’ny vonjy taitra aho, efa 20 taona mahery izao, ka mitsabo an’izay marary sy maratra mila fitsaboana maika, alohan’ny hahatongavany any amin’ny hopitaly. * Miovaova foana ny toe-javatra atrehiko amin’ny asako. Mety ho efa mahazatra ilay izy nefa mety ho tsy fahita mihitsy koa, ary mety ho tsara fiafara nefa mety ho ratsy fiafara koa.

Ilaina ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra

Tena ilaina ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra eto Kanada. Mety hamonjy ain’olona mantsy ny fitsaboana ataon’izy ireo, na fara faharatsiny hampihena ny vokatry ny aretina na ny ratra mafy manjo an’ilay olona. *

Azo antsoina foana na andro na alina ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra any amin’ny faritra maro. Misy amin’izy ireo miasa amin’ny sampam-pitsaboana vonjy taitra tantanan’ny kaominina na hopitaly tsy miankina na hopitalim-panjakana. Misy koa miaraka amin’ny fiara mpitondra marary na fiara mpamono afo.

Vonona avy hatrany izy ireo raha vao maharay antso maika, na amin’ny firy na amin’ny firy. Andeha hojerentsika hoe inona no fampiofanana azon’izy ireo.

Ampiofanina hamonjy aina

Misy sokajiny efatra ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra eto Kanada, na dia samy hafa aza ny fampiofanana azony, arakaraka ny faritany misy azy. Mila manana taratasy fanamarinana ny fiofanana nataony izy ireo, satria takin’ny fanjakana sy ny hopitaly izany.

Niofana nandritra ny ora maro tany an-dakilasy sy tany amin’ny hopitaly ary tao anaty fiara mpitondra marary aho. Nianatra namantatra izahay raha mbola misy aina ny olona iray niharam-boina, nianatra nampiverina ny fitepon’ny fo sy ny fisefoana, ary nampiasa fitaovana manome oksizenina sy manampy amin’ny fisefoana. Nianatra nametaka sparadirà koa izahay, ary nametaka fitaovana mihazona ny rantsambatana tapaka na mihazona ny hazondamosina tsy hihetsiketsika.

Niofana 300 ora fanampiny tao amin’ny sampana vonjy taitra sy sampana mitsabo marary mafy aho, ary tao amin’ny toeram-piterahana tany amin’ny hopitaly maromaro. Tsy hohadinoiko mihitsy ilay fotoana voalohany nanampiako vehivavy iray niteraka. Toy ny hoe nandray anjara tamin’ny fanaovana fahagagana aho! Nanampy ahy hanaraka fampiofanana hafa indray ireny rehetra ireny, ka niofana 300 ora mahery tao anaty fiara mpitondra marary aho. Mpitsabo roa efa za-draharaha amin’ny vonjy taitra no nampianatra sy nanampy ahy tamin’izany. Nanao fanadinana an-tsoratra aho avy eo, ary notsaraina ny fomba fitsaboako olona nila vonjy maika. Afa-panadinana aho ka nahazo diplaoma ho mpitsabo mpanampy amin’ny vonjy taitra.

Niasa tany an-tanàn-dehibe sy tany ambanivohitra aho, nandritra ny taona maro. Hitako fa tena nilaina ny fampiofanana azoko. Nisy lehilahy iray mpanao trano, ohatra, tonga tao amin’ny hopitaly niasako, indray mandeha, satria nisy naharary azy tao amin’ny tratrany. Nijanona tampoka ny fony, taoriana kelin’ny nahatongavany. Niezaka namelona azy aho niaraka tamin’ny dokotera sy mpitsabo mpanampy vitsivitsy, izay nanindrona azy sy nampiasa milina mpamerina ny fitepon’ny fo. Nitepo indray ny fon’ilay lehilahy rehefa afaka minitra vitsivitsy, ary afaka niaina indray izy. Nafindra tany amin’ny fitsaboana an’ireo marary mafy izy avy eo. Nasaina nankany aho ny ampitson’iny, ary nisy dokotera iray nampifankahalala ahy tamin’ny lehilahy iray. Nipetraka teo am-pandriana izy io sady niresaka tamin’ny vadiny. Tsy fantatro ilay lehilahy raha tsy efa niteny hoe: “Tadidinao ve aho? Izaho ilay novonjenao omaly!” Faly erỳ aho nandre izany!

Nisy fiofanana farany nataoko tatỳ aoriana. Niara-niasa tamin’ny dokotera iray nandritra ny adiny 12 aho, ary nijery ny fomba fiasako izy. Nanala fanadinana aho avy eo, ka nahazo diplaoma ho mpitsabo amin’ny vonjy taitra.

Miasa eo ambany fahefan’ny dokotera tompon’andraikitra iray ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra. Miara-midinika fomba fitsabo maromaro io dokotera io sy ny komity iray mpanolo-tsaina, ka raketin’izy ireo an-tsoratra ny tsipiriany rehetra momba izany. Mifototra amin’izany ny fitsaboana ataon’ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra. Misy kosa mifandray mivantana amin’ny dokotera voafantina vitsivitsy, amin’ny alalan’ny telefaonina na radio, ka afaka manatanteraka avy hatrany ny toromarika rehetra omen’ireny dokotera ireny. Mampiditra oksizenina amin’ny marary ireo mpitsabo amin’ny vonjy taitra, manome fanafody, mampiasa fitaovana mamerina ny fitepon’ny fo sy fitaovana manampy amin’ny fisefoana, ary manao fandidiana.—Jereo ilay efajoro hoe  “Teknika Amin’ny Vonjy Taitra”, ao amin’ny pejy 15.

Zava-tsarotra atrehinay

Miatrika zava-tsarotra foana izahay mpitsabo amin’ny vonjy taitra, isan’andro. Miasa foana izahay na tsara ny andro na ratsy, ary na dia ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza aza. Mety hahitan-doza koa ny mitondra fiara mankany amin’ny toerana misy an’ilay niantso vonjy.

Mety hampidi-doza koa anefa ny mikasika ra sy ranoka avy amin’ny olona marary na maratra, sy ny mitsabo olona voan’ny areti-mifindra. Manao gan-tanana, sarom-bava, solomaso, saron-tava ary akanjo manokana àry izahay.

Mifandray amin’ny fianakavian’ny marary, na amin’ny namany na amin’ny olona tsy fantany koa izahay rehefa mitsabo. Mihetsi-po tafahoatra anefa ny sasany amin’izy ireny, na mampiseho fihetsika tsy ampoizina. Mampalahelo koa rehefa maty ny vadin’ny olona iray, indrindra raha efa niara-niaina am-polony taona maro izy mivady. Tsy mora ny milaza amin’ilay olona hoe maty ny vadiny. Tsy maintsy nanao izany anefa aho indray mandeha. Avy hatrany dia nasian’ilay vehivavy totohondry aho, ary lasa izy nihazakazaka nankeny amin’ny arabe sady nikiakiaka no nitomany. Tratrako ihany anefa izy. Niodina izy ka nisarangotra tamiko sy namihina ahy, ary nigogogogo tsy laitra nampanginina teo an-tsoroko.

Raha malahelo ny olona tsaboinay na nisotro toaka na nidoroka zava-mahadomelina, dia mila mahay miombom-pihetseham-po aminy izahay ary mahay mandanjalanja sy mangoraka. Mety tsy hampoizina mihitsy mantsy ny fihetsiny. Efa nisy nanaikitra, nandrora, ary namely ahy ireo marary tsy nahafehy tena.

Mamizana koa ny asanay satria mibatabata foana izahay, nefa tery kely ny toerana misy an’ilay niharam-boina indraindray. Mandohalika sy miondrika foana koa izahay, ka misy aminay lasa marary lamosina na soroka na lohalika. Mitondra takaitra mihitsy aza ny sasany ka tsy afa-miasa intsony. Matetika koa izahay no miasa alina ka reraka be.

Mandreraka fo sy saina ny mitsabo olona atahorana ho faty. Tsy maintsy tony foana anefa izahay, ary mila misaina tsara sy mahay manapa-kevitra. Mahita olona mijaly foana koa izahay, ary mahatsiravina ny ratran’ny olona sasany. Tsaroako tsara ny tovolahy iray niharan-doza tao amin’ny orinasa iray. Saika potika tanteraka ny tapany ambany, nefa niangavy ahy sy ilay namako izy mba tsy hamela azy ho faty. Nampalahelo fa maty izy tsy ampy adiny iray taorian’izay, na teo aza ny ezaka mafy nataonay sy ireo dokotera ary mpitsabo mpanampy.

Tena mahavaky fo ny zava-mitranga sasany. Naharay antso, ohatra, izahay indray maraina fa nisy trano may. Vao tonga avy niasa ilay lehilahy tompon-trano, no nahita ny vadiny sy ny zanany vavy telo taona nivoaka tao amin’ilay trano. Tavela tao anefa ny zanany telo hafa izay efa-bolana ka hatramin’ny dimy taona, sy ny raiben’ireo ankizy. Efa tonga ny mpamono afo vao tafavoaka izy ireo. Mpitsabo maromaro izahay no niezaka namonjy ny ain’izy ireo, nefa tsy nahomby.

Mety hanontany tena àry ianao hoe nahoana no misy olona te ho mpitsabo amin’ny vonjy taitra. Manontany tena toy izany koa aho indraindray. Tsaroako anefa ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina tsara fanahy, izay nahafoy tena hanampy lehilahy iray naratra. (Lioka 10:30-37) Mahafoy tena koa ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra, mba hanampiana an’izay mila vonjy. Mahafa-po ahy ny asako, nefa tsy andriko koa ny fotoana tsy hanaovako azy io intsony. Mampanantena mantsy Andriamanitra fa tsy ho ela dia tsy hisy hilaza intsony hoe: “Marary aho.” ‘Tsy hisy fahafatesana na fanaintainana intsony’ koa amin’izay. (Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4)—Notantarain’ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra any Kanada.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1999, pejy 29, mba hahitana hoe inona no asa mety hasaina hataon’ny Kristianina iray mpitsabo, nefa mety tsy heken’ny feon’ny fieritreretany.

^ Any amin’ny tany sasany, dia tsy misy mpitsabo ao anatin’ny fiara mpitondra marary, fa anjaran’ilay mpamily ny manao izay hahatongavan’ilay marary haingana any amin’ny hopitaly.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Tsy fantatro ilay lehilahy raha tsy efa niteny tamiko hoe: “Tadidinao ve aho? Izaho ilay novonjenao omaly!” Faly erỳ aho nandre izany!

[Teny notsongaina, pejy 14]

Efa nisy nanaikitra, nandrora, ary namely ahy ireo marary tsy nahafehy tena

[Efajoro/Sary, pejy 15]

 TEKNIKA AMIN’NY VONJY TAITRA

Ataon’ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra izay hampidirana rivotra ao amin’ny havokavok’ilay marary. Avy eo amin’ny vavan’ilay marary no ampidirany fantsona plastika, izay mandalo ny tadim-peo ary tonga ao amin’ny traotraoka, ka fitaovana kely misy jiro no ijereny ny fidiran’ilay izy. Na angamba didiany kely amin’ny antsy kely manify ny tendan’ilay marary, ary mampiasa fanjaitra sy fantsona kely ary tariby izy mba hampidirana fantsona lehibe kokoa mankao amin’ny traotraoka. Raha tsy miasa tsara kosa ny havokavok’ilay marary, dia eo amin’ny tratrany no ampidirana fanjaitra sy fantsona kely.

Mety hampiditra fanafody ao anaty lalan-dra ny mpitsabo indraindray. Mampiasa fanjaitra izy mba hampidirana fantsona kely hanaparitahana an’ilay fanafody. Mety hampidiriny mivantana ao anaty tsoka koa anefa ilay fanafody.

Mety hampiasa milina mpamerina ny fitepon’ny fo koa ny mpitsabo, mba hijerena ny sarin’ny fitepon’ny fon’ilay marary, na mba hanampiana ny fony hitepo tsara raha nijanona tampoka ny fony na mitepo haingana loatra. Azo ampiasaina koa ilay milina mba hanampiana ny fony hitepo haingana kokoa, raha miadana loatra ny fitepony.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary rehetra: Taken by courtesy of City of Toronto EMS

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Taken by courtesy of City of Toronto EMS