Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tian’ny Ankizy Ilay Boky!

Tian’ny Ankizy Ilay Boky!

Tian’ny Ankizy Ilay Boky!

◼ Tian’ny ankizy sy ny tanora ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hoy ny ankizivavy iray: “Be dia be ny antony itiavako an’ilay boky, anisan’izany ny sary. Tena tiako ny sary rehetra ao, sady manaitra ahy ny lokony marevaka. Tamin’izaho namaky an’ilay boky, dia nodinihiko tsara ireo sary mba hahitako izay ifandraisany amin’ilay tantara.

“Tiako koa ny teny ampiasaina ao. Mora azo ilay izy ka mahafinaritra ny mamaky azy.

“Nahavariana ahy ny fomba iresahany ny olana sasany misy ankehitriny sy izay azo atao mba hisorohana azy ireny. Tena tiako ireto toko ireto: ‘Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika’, ‘Ohatra Momba ny Hatsaram-panahy’ ary ‘Te ho Voalohany Foana ve Ianao?’ ”

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io, sady feno sary tsara tarehy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany, ary alefaso any amin’ny adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.