Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Ampiasaina Araka Izay Tiana ve ny Fanafody?

Azo Ampiasaina Araka Izay Tiana ve ny Fanafody?

Azo Ampiasaina Araka Izay Tiana ve ny Fanafody?

SENDRA ren’i Ando niresaka ny ray aman-dreniny fa nisy vokany ratsy ny fanafodin’ny anadahiny, satria tsy mampahazoto homana. Te hihena i Ando ka nangalatra nihinana tamin’ilay fanafody. Natahotra ny ho tratra anefa izy, ka naleony nangataka tamin’ny namany, izay nampiasa an’io fanafody io koa. *

Nahoana no maro no tia mampiasa fanafody fahatany? Voalohany, satria tsy sarotra tadiavina izy ireny. Ao an-trano ihany dia efa mety hisy. Faharoa, tanora maro no miaro tena hoe tsy voararan’ny lalàna ny mampiasa fanafody tsy misy taratasin’ny dokotera. Fahatelo, toa tsy dia manimba noho ny zava-mahadomelina ny fanafody. Misy tanora mieritreritra hoe: ‘Tsy mampaninona ny fanafody sasany matoa mety amin’ny ankizy.’

Ekena aloha fa mety hanatsara ny fahasalamana sy ny fiainana, ary mamonjy aina mihitsy aza ny fanafody, rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. Manimba toy ny zava-mahadomelina ihany anefa izy ireny rehefa tsy mety ny fomba ampiasana azy. Raha be loatra, ohatra, ny fanafody manaitaitra ampiasain’ny olona iray, dia mety hijanona ny fony na hifanintona izy. Ny fanafody hafa mety hahasempotra, ary hahafaty amin’ny farany. Mety hisy voka-dratsiny koa ny fanafody sasany raha ampiarahina amin’ny fanafody hafa na toaka. Nilaza ny gazety amerikanina iray, fa nisy mpilalao sarimihetsika nalaza maty tamin’ny 2008, satria nihinana ‘fanafody mampitony karazany enina, niampy pilina mampatory sy fanafody andoha.’

Mety hanjary handevozin’ny fanafody koa ny olona rehefa mampiasa azy fahatany. Lasa toy ny zava-mahadomelina ny fanafody sasany, rehefa ampiasaina be loatra na tsy amin’antony. Manaitaitra ny atidoha mantsy ilay izy ka falifaly ilay olona, ary mitady an’ilay izy foana. Vetivety ihany anefa izy no falifaly. Tsy manampy azy hiatrika olana koa ilay fanafody, fa vao mainka aza manampy trotraka an’izany. Vao mainka koa izy hiady saina, na ho kivy, harary, tsy hahavita hanao zavatra, na hanjary handevozin’ilay fanafody. Mety ho ireo rehetra ireo mihitsy aza no hanjo azy. Tsy maintsy hahita olana izy, na ao an-trano, na any am-pianarana, na any am-piasana. Ahoana àry no hahafantarana hoe mety sa tsy mety ny fomba ampiasantsika fanafody?

Mety sa tsy mety?

Mety ny fomba ampiasanao fanafody rehefa mifanaraka amin’ny toromariky ny dokotera mahafantatra tsara ny mahazo anao. Tokony hohajainao tsara, ohatra, ny fatran’ilay izy sy ny fotoana ampiasana azy ary ny fomba fampiasana azy. Tsy tokony hampiasa fanafody tsy mety amin’ny aretinao koa ianao. Mety mbola hisy vokany ratsy na tsy ampoizina ihany anefa ilay izy. Ilazao haingana ny dokoteranao raha sanatria mitranga izany. Mety hovany ny fanafodinao na hasainy hajanona. Mitovy amin’izany koa ireo fanafody tsy ilana taratasin’ny dokotera. Aza mampiasa an’ireny raha tsy tena ilaina, ary araho tsara ny toromarika ao amin’ilay taratasy miaraka aminy.

Mety hahita loza ianao raha mampiasa fanafody fahatany na fanafody natao ho an’olon-kafa, tsy miraharaha ny fatrany, na mampiasa azy io tsy araka ny tokony ho izy. Misy, ohatra, pilina natao hatelina mba tsy hiely haingana be ao amin’ny vatana. Ny an’ny olona sasany anefa potehiny na tsakoiny aloha vao ateliny, na potehiny dia fohiny amin’ny orona, na levoniny anaty rano dia ataony tsindrona. Lasa toy ny zava-mahadomelina ilay izy amin’izay, ka “sambatsambatra” izy. Mety ho lasa andevozin’ilay fanafody anefa izy na ho faty mihitsy.

Ahoana anefa raha efa mampiasa fanafody araka ny tokony ho izy ianao, saingy manahy sao efa andevozin’ilay izy? Ilazao haingana ny dokoteranao. Azo inoana mantsy fa mahay mamaha tsara ilay olana izy, nefa koa tsy hanao an-tsirambina ny fitsaboana anao.

Nahoana no be dia be ankehitriny no za-dratsy mampiasa fanafody na zava-mahadomelina? Satria maro ny olana ao an-tokantrano. Tsy mifankatia firy intsony, ohatra, ny mpianakavy sady tsy mifampahery. Tsy misy hasiny amin’ny olona intsony koa ny fitondran-tena tsara sy ny fivavahana ary ny aina. (2 Timoty 3:1-5) Maro koa no tsy manana fanantenana. Mihevitra izy ireo fa tsy hihatsara mihitsy ny fiainany. Tsy miraharaha ny ampitso àry izy ireo, ary tsy mitady afa-tsy izay hahazoana fahafinaretana, ka manaonao foana indraindray. Hoy ny Baiboly: “Samy manao izay tiany fotsiny ny olona rehefa tsy misy fahitana avy amin’Andriamanitra.”—Ohabolana 29:18.

Raha manan-janaka àry ianao, dia azo antoka fa te hiaro azy tsy ho tratran’ireo olana voalaza ireo. Ahoana anefa no hanaovanao izany? Aiza no hahitana tari-dalana tsara? Ahoana no hananana fanantenana azo antoka? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nalaina tao amin’ny Internet (TeensHealth).

[Efajoro, pejy 4]

ATAO DAHOLO IZAY “HAHASAMBATSAMBATRA”

Andraman’ny olona daholo ny karazan-javatra rehetra mba hahatsapana ho “sambatsambatra.” Ireto, ohatra, misy zavatra fohin’ny olona amin’ny orony, nefa tena manimba: Ranoka fanadiovana, verinia fanao amin’ny hoho na fanaka, lasantsy, lakaoly, ranona birike, loko atifitra, ary zavatra hafa mora mietona. Miparitaka haingana any amin’ny lalan-dra ny fofon’ny zavatra fohina, ka misy vokany eo no ho eo.

Manimba koa ny fanafody tsy ilana taratasin’ny dokotera raha be loatra, indrindra raha misy alkaola na tsy mampatory. Ho simba mantsy ny vavahadin-tsaina, indrindra fa ny sofina sy ny maso. Mety hikorontan-tsaina koa ilay olona, hahita zavatra tsy misy, tsy handre fanaintainana, na harary kibo.

[Efajoro, pejy 5]

TETIKA AHAZOANA FANAFODY

Milaza ny boky iray fampiasan’ny dokotera fa “matetika no manao tetika ahazoana fanafody ny olona andevozin’izy ireny na efa za-dratsy mampiasa azy ireny. Misy, ohatra, mody miantso dokotera maika, na efa hirava ny dokotera vao tonga; tsy mety hanaovana fizahana na fitsirihana na halefa any amin’ny manam-pahaizana manokana; milaza foana fa ‘very’ taratasim-panafody; manova izay ao amin’ny taratasim-panafodiny; tsy te hanome ny taratasy momba ny fitsaboana narahiny teo aloha na ny nomeraon-telefaonin’ny dokotera efa nalehany. Misy koa miovaova dokotera.”

Ireto fanafody ireto no be mpampiasa indrindra:

Fanafody mahadomelina: natao hanalana fanaintainana

Fanafodin’ny rafi-pitatitra foibe: natao ho an’ny olona mitebiteby na tsy matory (fampitonena na fampatoriana)

Fanafody manaitaitra: natao ho an’ny olona tsy mahay mifantoka, na matory tampoka, na matavy *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Avy amin’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Fidorohana Zava-mahadomelina.

[Efajoro, pejy 6]

TORO LALANA MOMBA NY FAMPIASANA FANAFODY

1. Araho tsara ny toromariky ny dokotera.

2. Aza ovana ny fatrany raha tsy ny dokotera no miteny.

3. Aza ajanona raha tsy nasain’ny dokotera najanona.

4. Aza potehina na silahina ny pilina raha tsy nasaina natao an’izany.

5. Fantaro ny mety ho vokatr’ilay fanafody raha mitondra fiara na manao zavatra hafa ianao.

6. Jereo sao mety hampidi-doza ilay izy raha ampiarahina amin’ny toaka na fanafody hafa.

7. Lazao amin’ny dokoteranao raha efa za-dratsy nampiasa fanafody na zava-mahadomelina ianao taloha.

8. Aza mampiasa fanafodin’olon-kafa na manome ny fanafodinao ho an’olona. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Avy amin’ny Birao Amerikanina Miandraikitra ny Sakafo sy ny Fanafody.