Fantatrao ve ny Atao hoe Tiroida?
Fantatrao ve ny Atao hoe Tiroida?
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BREZILA
VAO bevohoka telo volana i Sara dia afa-jaza. Nalahelo be izy. Mbola afa-jaza indray izy herintaona taorian’izay. Tsy fantatra ny antony, na dia efa nanao fitiliana imbetsaka aza izy. Nihanatavy izy tatỳ aoriana, nefa efa niezaka tsy hisakafo be sy nanao fanatanjahan-tena foana. Nanaintaina matetika ny tongony, ary lasa sarotin-katsiaka izy. Nanao fitiliana indray àry izy. Notarafina koa ilay fihary ao amin’ny tendany, atao hoe tiroida. Hita fa voan’ny aretin’i Hashimoto izy. Mpahazo ny tiroida izy io, ary mety ho izany no nahatonga azy ho afa-jaza. *
Toy ny ankamaroantsika, dia tsy nieritreritra mihitsy i Sara taloha hoe tena mila arahi-maso ny tiroida. Efa narary izy vao nahatsapa an’izany.
Ny tiroida
Taova kely miendrika lolo ny tiroida, ary 28 grama latsaka ny lanjany. Eo amin’ny tenda anoloana no misy azy, eo ambanin’ny lohatraoka. Eo amin’ny andaniny roa amin’ny lalan-drivotra ny tiroida. Anisan’ireo fihary mpamokatra sy mpitahiry hormonina izy io, ary mpandefa izany any amin’ny ra.
Fitambarana kitapo bitika maro be ny tiroida. Misy ranoka madity ao anatin’ny kitapo tsirairay, ary ao amin’ilay ranoka no misy an’ireo hormonina, izay tena be iôda. Efa ho ny 80 isan-jaton’ny iôda raisin’ny vatana no tehirizin’ny tiroida. Rehefa tsy ampy iôda àry ny sakafo, dia mivonto ny tiroida. Io ilay antsoina hoe goatira (goitre). Raha ankizy kosa no tsy ampy iôda, dia tsy afaka mamokatra hormonina ny tiroidany. Mety tsy hitombo ara-dalàna àry izy, ho votsa ny sainy, ary tsy hiasa tsara ny taovam-pananahany.
Ny asan’ny hormonina vokariny
Antsoina hoe T3 sy RT3 ary T4 ny hormonina vokarin’ny tiroida. * Avy amin’ny T4 ihany ny T3 sy RT3, fa rehefa tonga any amin’ny sela ny T4 vao mamokatra an’ireo. Inona no mitranga rehefa mila hormonina betsaka kokoa avy amin’ny tiroida ny vatana? Mandefa T4 any amin’ny ra aloha ny tiroida. Mamoaka T3 sy RT3 ilay T4, ary miparitaka eran’ny vatana izy telo avy eo.
Ny hormonina avy amin’ny tiroida no mandrindra ny fiasan’ny vatana, mba tsy ho haingana loatra na ho ela loatra ny famokaran’izy io hery sy sela. Raha tsy eo àry ny hormonina avy amin’ny tiroida, dia tsy hety tsara ny fitomboan’ny sela sy ny fanavaozana azy. Tsy ho ara-dalàna koa ny fitepon’ny fo sy ny herin’ny hozatra ary ny hafanan’ny vatana.
Manao asa lehibe hafa koa ny hormonina vokarin’ny tiroida. Ampiany ny aty mba hanala ny menaka tsy ilaina ao amin’ny ra, anisan’izany ny kolesterola ratsy. Mankao ao amin’ny afero io kolesterola io avy eo, ary mivoaka miaraka amin’ny diky. Raha kely ny hormonina vokarin’ny tiroida, dia mitombo ny kolesterola ratsy, fa mihena ny kolesterola tsara.
Ilain’ny vavony sy ny tsinay koa ny hormonina vokarin’ny tiroida, satria manampy azy ireo hamokatra haingana ny ranoka ilaina amin’ny fandevonan-kanina, sady manampy ny hozatra ao amin’izy ireo hanosika haingana ny sakafo mba hidina. Raha be loatra àry ny hormonina vokarin’ny tiroida, dia mivoaka matetika ny olona, fa raha kely loatra, dia mitohana izy.
Inona no mibaiko ny tiroida?
Faritra kely ao amin’ny atidoha no mandefa ny baiko. Misy fihary baikoiny eo akaikiny, rehefa fantany fa mila hormonina ny vatana. Eo amin’ny farany ambany amin’ny atidoha, eo ambonin’ny lanilany no misy an’ilay fihary. Mandefa hormonina atao hoe TSH any amin’ny ra izy io, mba hanairana ny tiroida hamokatra hormonina.
Fantarin’ny dokotera fotsiny àry ny habetsahan’ny TSH, T3, RT3, ary T4 ao amin’ny ra, rehefa te hahalala izy hoe miasa tsara sa tsia ny tiroida. Tena ilaina izany, satria mety harary izy io.
Ahoana no hahalalana hoe marary ny tiroida?
Tsy miasa tsara ny tiroida rehefa tsy ampy iôda ny olona, na reraka loatra, miady saina * Mety ho mikraoba na aretina koa no mahatonga azy tsy hiasa tsara. Mety hivonto izy rehefa tratran’ny aretina, ary mbola antsoina hoe goatira koa ilay fivontosana. Izy manontolo no mivonto, na ny faritra sasany aminy. Tsy mahafaty ny goatira amin’ny ankapobeny, nefa tsy tokony havela amin’izao, satria mety ho efa famantarana aretina lehibe, toy ny kansera. *
lava, misy tsy mety ny fototarazony, na tsy mahazaka fanafody.Mazàna no mamokatra hormonina be loatra na kely loatra ny tiroida, rehefa marary. Mihombo tsikelikely ilay aretina, ary tsy hita. Mety ho efa marary an-taonany maro àry ny olona iray, nefa tsy mahalala akory. Tsy miteraka takaitra firy ny aretin’ny tiroida, rehefa hita aloha be sy voatsabo haingana.
Ny aretin’i Hashimoto sy ny aretin’i Graves no tena mpahazo ny tiroida, ary misy itovizany izy ireo. Rehefa voan’ireo mantsy ny olona, dia potehin’ny hery fiarovany ny selan’ny tiroidany
satria heverin’izy ireo fa mikraoba. Zara raha mamokatra hormonina ny tiroida, rehefa tratran’ny aretin’i Hashimoto. Avo enina heny noho ny lehilahy ny vehivavy voany. Mamokatra hormonina be loatra kosa ny tiroida, rehefa tratran’ny aretin’i Graves, ary avo valo heny ny vehivavy voany.Isaky ny inona no tokony hatao fitiliana ny tiroida? Samy manana ny heviny ny dokotera, saingy milaza ny ankamaroany fa ny zaza vao teraka no tena mila atao an’izany. (Jereo ilay efajoro hoe “Fitiliana Tokony Hatao Amin’ny Zaza vao Teraka.”) Afaka manao fitiliana koa anefa ny olon-dehibe. Raha hita fa tsy miasa tsara ny tiroidany, dia ampanaovina fitiliana fanampiny izy mazàna mba hahitana sao efa potehin’ny hery fiarovany izy io. Raha miasa be loatra kosa ny tiroidany, dia asaina tarafina ilay izy, raha tsy bevohoka na mampinono ilay olona. Raha mivonto kosa ilay tiroida, dia mety hakana sombiny kely mba hijerena sao efa lasa kansera.
Ny fitsaboana azy
Rehefa be loatra ny hormonina vokarin’ny tiroida, dia mitepo haingana ny fo, mangovitra ny hozatra, ary mitebiteby ilay olona. Misy fanafody mampihena an’ireo. Misy fitsaboana hafa koa anefa: Vonoina ny sela sasany ao amin’ny tiroida, mba hihena ny hormonina vokariny. Azo esorina tanteraka mihitsy aza ny tiroida.
Matetika no omena hormonina T4 isan’andro ny olona iray, raha nesorina ny tiroidany na kely loatra ny hormonina vokarin’izy io. Arahi-maso tsara izy, mba ho ampy foana ny fatran’ilay fanafody. Misy fomba maro azo itsaboana ny kanseran’ny tiroida. Omena fanafody ilay olona, na didiana, na ampanaovina fitsaboana simika.
Mihinana fanafody misy hormonina T4 i Sara, ary tena mety aminy ilay izy. Misy manam-pahaizana koa manoro azy ny sakafo tokony hohaniny. Salama tsara izy izao. Nianarany fa tsy azo atao tsinontsinona ny tiroida, na dia taova kely aza. Karakarao tsara àry izy io. Mihinàna sakafo misy iôda, aza manao reraka be na miady saina lava, ary ataovy foana izay hahasalama.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Mety ho afa-jaza tokoa ny vehivavy raha kely ny hormonina vokarin’ny tiroidany, saingy tsy ny rehetra no toy izany. Teraka soa aman-tsara ny ankamaroany. Tokony homena fanafody mahasolo ny hormonina ao amin’ny tiroida anefa izy, dieny mbola bevohoka. Ny hormonina avy ao aminy mantsy no mankao amin’ny zanany.
^ Antsoina hoe T3 sy T4 izy ireo, arakaraka ny habetsahan’ny iôda ao aminy. Mamokatra hormonina natao hamerana ny habetsahan’ny kalsioma ao amin’ny ra koa ny tiroida.
^ Tsy manoro hevitra anao ny amin’izay karazana fitsaboana tokony harahinao ny Mifohaza! Raha manahy ianao hoe marary ny tiroidanao, dia manatòna dokotera manana traikefa momba izany.
^ Atahorana kokoa ho voan’ny kanseran’ny tiroida ny olona efa natao radio teo amin’ny loha na tenda, na efa voan’ny kansera, na manana fianakaviana voan’ny kanseran’ny tiroida.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Ny hormonina avy amin’ny tiroida no mandrindra ny fiasan’ny vatana, mba tsy ho haingana loatra na ho ela loatra ny famokaran’izy io hery sy sela
[Teny notsongaina, pejy 29]
Mihombo tsikelikely ny aretin’ny tiroida, ary tsy hita. Mety ho efa marary an-taonany maro ny olona iray, nefa tsy mahalala akory
[Efajoro/Sary, pejy 28]
SORITR’ARETINA FAHITA
Rehefa miasa be loatra ny tiroida: Taitaitra be ilay olona, mihena ny lanjany nefa tsy fantatra ny antony, midobodoboka be ny fony, mivoaka matetika izy, kizitina, mitebiteby, mbetika faly mbetika malahelo, kely hery, hoatran’ny hivoaka ny voamasony, tsy mahita tory, miovaova ny fotoanan’ny fadimbolany, ary manify sy vakivaky ny volony. *
Rehefa zara raha miasa ny tiroida: Votsa saina, malai-mihetsika, lasa matavy nefa tsy fantatra ny antony, mihintsam-bolo, mitohana, sarotin-katsiaka, miovaova ny fotoanan’ny fadimbolana, kivy be, miova ny feo (farim-peo na iva kely), very tadidy, ary reraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Mety ho aretina hafa no mahatonga ny soritr’aretina sasany, ka manatòna dokotera rehefa tsy metimety.
[Efajoro, pejy 28]
FITILIANA TOKONY HATAO AMIN’NY ZAZA VAO TERAKA
Tokony hakana ra kely ny zaza vao teraka mba hahitana raha misy tsy mety ny tiroidany. Afaka mitsabo izany ny dokotera. Raha tsy ampy ny hormonina avoakan’ny tiroida, dia mety tsy hitombo ara-dalàna ny zaza, ary ho votsa ny sainy. Atao fitiliana àry izy mazàna, andro vitsivitsy aorian’ny ahaterahany.
[Efajoro/Sary, pejy 29]
MAHASALAMA VE NY SAKAFONAO?
Ilaina ny mihinana sakafo mahasalama mba tsy hampaharary ny tiroida. Ampy iôda ve, ohatra, ny sakafonao? Tena ilaina izy io mba hamokaran’ny tiroida hormonina. Ny hazan-dranomasina no tena be iôda. Misy iôda koa ny legioma sy ny hena, fa miankina amin’ny zavatra simika ao anaty tany ny habetsahany. Tsy ampy iôda ny sakafo any amin’ny tany sasany, ka manapa-kevitra ny fanjakana fa hampiana iôda ny sira.
Mila seleniôma koa ny tiroida. Hita ao amin’ny anzima mamadika ny hormonina T4 ho T3 izy io. Miankina amin’ny zavatra simika ao anaty tany koa ny habetsahan’ny seleniôma ao amin’ny legioma sy ny hena ary ny ronono. Misy seleniôma ny hazan-dranomasina, voatabiha, tongolobe, laisoa, ary voasary. Aza manao dokotera tena anefa raha hitanao fa tsy metimety ny tiroidanao.
[Kisary, pejy 28]
[Jereo ny gazety)
Lalan-drivotra
Lohatraoka
Tiroida
Lalan-drivotra