Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Inona no Tokony Hataonao mba ho Voavonjy Amin’ny Faran’izao Tontolo Izao?”

“Inona no Tokony Hataonao mba ho Voavonjy Amin’ny Faran’izao Tontolo Izao?”

“Inona no Tokony Hataonao mba ho Voavonjy Amin’ny Faran’izao Tontolo Izao?”

◼ Miresaka momba ny faran’izao tontolo izao, na faran’izao rafitra iainantsika izao, ny Baiboly. Inona no tiany hambara? Ady niokleary eran-tany izay handripaka ny olona rehetra ve? Sa loza avy amin’ny fifandonan’ny planeta hafa amin’ny tany? Mahaliana fa lazain’ny Baiboly hoe hisy “vahoaka be” ho voavonjy amin’ny faran’izao tontolo izao. (Apokalypsy 7:9, 10, 14) Iza izy ireo? Mety ho anisany ve ianao?

Hamaly an’ireo fanontaniana lehibe ireo ny lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Inona no Tokony Hataonao mba ho Voavonjy Amin’ny Faran’izao Tontolo izao?” Handre izany ianao any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “MIAMBENA HATRANY!” Hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah manomboka amin’ny Jolay eto Madagasikara izy io, ary hisy maneran-tany. Faly izahay manasa anao hanatrika ny fivoriambe akaiky anao. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity. Misy lisitry ny toerana hanaovana an’io fivoriambe eto Madagasikara io, ao amin’ny gazety Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2009.