Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?
Manontany ny Tanora Hoe...
Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?
Efa mba ataoko mihitsy izay hahatara azy amiko. Lazaiko aminy daholo izay ananako, ny toerana efa nalehako, ny olom-pantatro. Tena tokony ho tara amiko kosa izy e!
Te hisitri-belona aho! Ahoana àry no tsy ahitany fa efa leo be aho! Ahoana re no hanapahako an’ity resaka ity, nefa tsy hampahatezitra azy e?
EFA lehibe ianao izao ka afaka mampiaraka. Ankizivavy mahafinaritra sy mitovy finoana aminao no tianao hiarahana. (1 Korintianina 7:39) Isaky ny mba te hanombo-dresaka anefa ianao hatramin’izay, dia hoatran’ny tsy nahomby mihitsy.
Inona aloha no tokony hodinihinao raha misy ankizivavy mahafinaritra anao? Inona koa no toro lalan’ny Baiboly tokony hotadidinao?
Dingana voalohany
Ireto aloha misy zavatra tena mila ianaranao tsara. Ho lasa tian’ny olon-drehetra ianao amin’izay.
◼ Miezaha hahalala fomba. Milaza ny Baiboly fa ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika.” (1 Korintianina 13:5) Mahalala fomba ianao, izany hoe, tsy manao izay tsy mahamendrika, raha manaja olona, mato-tsaina, ary tsara toetra toa an’i Kristy. Tsy toy ny kompile natao hampideraderaina anefa ny fahalalam-pomba, ka esorina rehefa tonga any an-trano. Saintsaino izao: ‘Mahalala fomba ve aho ao an-trano?’ Raha tsia no valiny, nefa ianao miseho ho mahalala fomba rehefa miaraka amin’olon-kafa, dia ho hita ihany fa amboamboarina ilay izy. Tadidio fa ny fomba ifandraisanao amin’ny havanao no dinihin’ny ankizivavy mato-tsaina, mba hahitany ny tena toetranao.—Efesianina 6:1, 2.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Tena mahafinaritra ahy ny ankizilahy mahalala fomba. Ohatra hoe manokatra *
ny varavarana ho ahy izy, ary tsara fanahy amiko sy ny fianakaviako mihitsy aza.”—Tiana, 20 taona.“Mahatsiravina ahy ny ankizilahy raha vao sambany mihaona amiko, nefa manontanintany ny momba ahy sahady. Ohatra hoe: ‘Efa misy ankizilahy miaraka aminao angaha?’, ‘Inona kay no mba tianao hatao eo amin’ny fiainana?’ Tsy mahalala fomba ny olona hoatr’izany sady mahasosotra be!”—Kanto, 19 taona.
◼ Aoka ianao hadio foana. Sady manaja ny hafa ianao amin’izay, no manaja ny tenanao. (Matio 7:12) Mora amin’ny hafa ny manaja anao raha hajainao ny tenanao. Tsy ho tian’ny ankizivavy kosa ianao raha tsy mahakarakara tena.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Maimbo vava be ilay ankizilahy tia ahy. Tena nahasorena ilay izy ka tsy tantiko.”—Koloina, 24 taona.
◼ Mahaiza miresaka. Mila mahay mifampiresaka ny olona raha te ho mpinamana foana. Midika izany fa tsy izay zavatra tianao foana no resahina, fa izay tian’ilay namanao koa.—Filipianina 2:3, 4.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Mahafinaritra ahy ny ankizilahy mahay miresaka amiko, mahatadidy izay efa noteneniko taminy, ary mahita fanontaniana tsara mba hitohizan’ilay resaka.”—Kazy, 20 taona.
“Izay zavatra hitan’ny ankizilahy no manintona azy, fa ny an’ny ankizivavy kosa dia izay reny.”—Lalaina, 22 taona.
“Tsy ratsy ny mandray fanomezana. Fa raha mahay miresaka sy mahay mampahery ilay ankizilahy, dia izany no tena tsara!”—Amina, 21 taona.
“Hanaiky hiaraka amin’ilay ankizilahy aho, raha toa izy ka tia vazivazy, nefa koa hita fa matotra rehefa misy zava-dehibe resahina.”—Koloina, 24 taona.
Hahazo namana tsara ianao raha arahinao ireo torohevitra rehetra ireo. Misy ankizivavy tianao hiarahana ve anefa izao? Inona àry no tokony hataonao?
Dingana faharoa
◼ Miresaha aminy. Raha hitanao fa mety ho vady tsara ho anao ny ankizivavy iray, dia lazao aminy fa tianao izy. Tsory aminy izay ao am-ponao. Marina fa mety ho sarotra izany. Matahotra mantsy ianao sao holaviny. Ho hita anefa hoe efa olon-dehibe ianao raha sahy miresaka aminy.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Tsy mpaminany aho akory. Tokony hotsorin’ilay ankizilahy sy horesahiny amiko mivantana ny faniriany, raha te hiaraka amiko izy.”—Nirina, 23 taona.
“Mahasadaikatra ihany aloha raha toa ka namanao no lasa raiki-pitia aminao. Tsy mampaninona ahy anefa izany, raha mitsotra amiko fotsiny izy hoe tia ahy.”—Haingo, 25 taona.
◼ Hajao ny fanapahan-keviny. Ahoana raha milaza ilay ankizivavy fa tsy te hiaraka aminao? Hajao izy ary ekeo fa izy no tena mahalala ny ao am-pony, ka rehefa tsy tiany ianao, dia izay izany. Hoatran’ny hoe tsy tena matotra mantsy ianao raha mbola misisika ihany. Ahoana tokoa moa raha efa mandà an-kitsirano ilay ankizivavy, nefa ianao tsy miraharaha na tezitra mihitsy aza? Tena mihevitra izay hahasoa azy ve ianao amin’izany, sa mitady izay hahasoa anao fotsiny?—1 Korintianina 13:11.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Tsy tiako maizina ny ankizilahy rehefa tenenina hoe aoka izao, nefa mbola misisika ihany.”—Kajina, 20 taona.
“Efa nohazavaiko tamin’ilay ankizilahy hoe tsy te hiaraka aminy aho, nefa mbola nangataka ny nomeraon-telefaoniko foana izy. Tsy te hasiaka taminy aho tamin’ny voalohany, satria fantatro fa tsy mora taminy ny nilaza ny tao am-pony. Tsy maintsy hentitra be anefa aho taorian’izay.”—Sarah, 23 taona.
Izay tokony hohalavirina
Misy ankizilahy mieritreritra hoe tsy sarotra aminy ny manao izay hitiavan’ny ankizivavy azy. Mety hifaninana mihitsy aza izy ireo mba hahitana hoe iza no tena be mpitia. Ratsy fanahy anefa ny ankizilahy toy izany ary ho ratsy laza. (Ohabolana 20:11) Araho àry ireto torohevitra ireto, raha tsy tianao izany.
◼ Aza manadala ankizivavy. Tia mandokadoka sy manao fihetsika manaitra ny filan’ny nofo ny mpanadala ankizivavy, nefa tsy mieritreritra ny hanambady akory. Tsy raharahainy ny torohevitry ny Baiboly mba hitondra ‘ny vehivavy tanora toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.’ (1 Timoty 5:2) Takatry ny ankizivavy mato-tsaina, fa tsy namana tsara ary tsy ho vady tsara ny mpanadala ankizivavy.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Mahasosotra be ny mieritreritra hoe mandokadoka anao eo ilay olona, nefa fantatrao fa nisy namanao nitenenany toy izany koa, vao iray volana izay.”—Haingo, 25 taona.
“Dedaka be ilay ankizilahy bôgôsy nanadala ahy. Ny mombamomba azy foana no noresahiny. Izany koa no nataony tamin’ilay ankizivavy vaovao lasa namanay. Dia mbola izany ihany no nataony rehefa nisy ankizivavy hafa niaraka taminay. Mahatsiravina!”—Tiana, 20 taona.
◼ Aza lalaovina ny fihetseham-pony. Diso ianao raha mihevitra fa mitovy ny fomba tokony hifandraisanao amin’ny ankizilahy namanao sy ny ankizivavy. Nahoana? Aoka hatao hoe lazainao amin’ny namanao fa mety be aminy ilay kompileny vaovao, na mifampiresaka tsy tapaka ianareo roa lahy, ary tantarainao aminy izay mitranga aminao. Tsy hieritreritra mihitsy izy hoe raiki-pitia aminy ianao. Raha ankizivavy kosa no ilazanao fa mahafinaritra anao ny paoziny, na mifampiresaka foana ianareo, ary tantarainao aminy izay mitranga aminao, dia ahoana? Azo inoana fa hihevitra izy hoe tia azy ianao.
Ny hevitry ny ankizivavy: “Tsy takatry ny ankizilahy mihitsy hoe tsy azony atao hoatran’ny ankizilahy namany ny ankizivavy.”—Sariaka, 26 taona.
“Misy ankizilahy maka ny nomeraoko, dia avy eo aho andefasany hafatra an-telefaonina. Inona no tiany hahatongavana? Misy ihany aloha mifandefa hafatra an-telefaonina ary lasa mifankatia. Nefa tsy ahafahana milaza zavatra firy ange ireny hafatra ireny e!”—Mariamo, 19 taona.
“Tsy azon’ny ankizilahy angamba hoe mora miraiki-po ny ankizivavy, indrindra raha tsara fanahy sy mora iresahana ilay ankizilahy. Tsy voatery hoe may ny hanambady akory ilay ankizivavy. Mba te ho raiki-pitia fotsiny ny ankamaroany, ary mitady foana an’ilay olona mety aminy.”—Alisoa, 25 taona.
Jereo ny tena zava-misy
Tsy mijery ny tena zava-misy ianao sady tia tena, raha mihevitra fa ho tia anao daholo ny ankizivavy. Hisy ho tia anao anefa, raha tadidinao fa ny toetranao no sarobidy kokoa noho ny fisehoanao ivelany. Tsy mahagaga àry raha asongadin’ny Baiboly fa ilaina ny mitafy “ny toetra vaovao.”—Efesianina 4:24.
Hoy i Kaliana, 21 taona: “Mihevitra ny ankizilahy hoe raha ataony hoatr’izao na hoatr’izao ny fomba fiakanjony, dia ho tia azy ny ankizivavy. Mety ho marina ihany izany, nefa ny toetra tsara no tena tian’ny ankizivavy.” *
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Novana ny anarana.
^ Jereo ny toko faha-3 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
ERITRERETO IZAO:
◼ Ahoana no ahitana fa manaja ny tenanao ianao?
◼ Ahoana no ahitana fa manaja ny fanapahan-kevitr’ilay ankizivavy sy ny fihetseham-pony ianao?
[Sary, pejy 19]
Tsy toy ny kompile natao hampideraderaina ny fahalalam-pomba, ka esorina rehefa tonga any an-trano