Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tena Vahaolana

Ny Tena Vahaolana

Ny Tena Vahaolana

“NANENINA mafy sy namoy fo ary naniry ho faty” i Lila, ilay voaresaka teo aloha, tamin’izy 32 taona, noho izy lasa nandevozin’ny fanafody. Hoy izy: “Naniry hanao izay hahasambatra ny vady aman-janako aho. Tena nampahonena anefa ny fiainako sy ny zava-nisy eran-tany, ka tsy hitako izay antony hanaovana an’izany. Niezaka ihany aho saingy tsy nahomby.”

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Lila. Tsy ela dia lasa nilamin-tsaina sy sambatra izy, satria nahalala ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Mbola tsy nahatsiaro ho sambatra toy izany mihitsy aho.” Nanjary nahafantatra ny toro lalan’ny Baiboly sy nanantena hoavy sambatra izy. Nandrisika azy hiala tamin’ny zava-mahadomelina izany.

Toro lalana mahasoa

Nataon’i Jehovah Andriamanitra ho antsika ireo lalàna sy toro lalana ao amin’ny Baiboly. Hoy ny Salamo 19:7, 8: “Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah sady mamelombelona. ... Mahitsy ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo. Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso.”

Mampirisika antsika, ohatra, ny 2 Korintianina 7:1 mba “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.” Nosaintsainin’i Lila foana io andinin-teny io, ary izany no nanampy azy hiala tamin’ilay fanaony, izay nandoto ny vatany. Izany koa no nataon’i Mirana. Tadidinao angamba fa lasa nandevozin’ilay fanafody andoha izy. Ahoana no nataony? Niresaka tamin’ny dokoterany izy, ka natorony fitsaboana hafa. * Nifanerasera hatrany tamin’ny fiangonana kristianina koa izy mba hahazoana fampaherezana.  

Nangataka ny fanampian’Andriamanitra koa i Lila sy Mirana. Hoy ny Filipianina 4:6, 7: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.” Nisy mpanompon’Andriamanitra nahatsapa izany fiadanan-tsaina izany fahiny. Nilaza izy fa ‘rehefa nihabetsaka ny tebiteby tao anatiny’, dia nampitony sy nampionona ary nampifaly azy ny fampaherezan’Andriamanitra. (Salamo 94:19) Hita ao amin’ny Baiboly ny fampaherezana toy izany. Afaka mampionona antsika koa ireo Kristianina namantsika, anisan’izany ny anti-panahy.

Mety hahatsiaro ho tsy misy ilana azy mihitsy anefa ny olona indraindray, rehefa andevozin’ny fanafody. Izany no nanjo ny vehivavy kristianina atao hoe Janice, nandritra ny taona maro. Hoy izy: “Tena sarotra amin’ny olona andevozin’ny fanafody ny mangataka fanampiana amin’i Jehovah. Mety tsy ho vitany mihitsy aza izany. Mahatsiaro ho tsy misy ilana azy mantsy izy sady tsy mifandray amin’i Jehovah intsony.” Tena mila mangataka fanampiana amin’ny Kristianina matotra ny olona toy izany. Afaka manampy azy ny fitiavana asehon’ireny Kristianina ireny sy ny fampaherezana omeny ary ny vavaka ataony amim-pinoana. (Jakoba 5:15) Raha ankizy ilay andevozin’ny fanafody, dia tokony hanampy azy hifandray tsara amin’Andriamanitra indray ny ray aman-dreniny sady hitsabo azy. Mety ho resy indray mantsy izy raha tsy izany.

Nitsabo tena i Janice. Resiny àry ilay fahazaran-dratsiny, ary tsy andevozin’ny fanafody intsony izy izao. Hoy izy: “Mivavaka amin’i Jehovah aho rehefa mitady ho resy indray. Milamin-tsaina aho izao, ary lasa falifaly indray.”

Ho voavaha ireo olana mahazo antsika

Ho avy ny fotoana tsy hisian’ny fanafody intsony. Nahoana? Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha [anisan’izany ny olana mahazo antsika ankehitriny].”

Oharin’ny Baiboly amin’ny ‘vatofantsiky ny aina’ ny fanantenan’ny Kristianina. “Sady azo antoka” izy io no “mafy orina.” (Hebreo 6:18, 19) Nandatsaka vatofantsika ny tantsambo fahiny, rehefa nisy tafiotra. Rehefa mamikitra any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ilay izy, dia miaro an’ilay sambo, satria mihazona azy tsy hidona amin’ny harambato na amin’ny morontsiraka. Mitovy amin’izany ny fanantenana hita ao amin’ny Baiboly, satria manampy antsika ho tony sy hatanja-tsaina ary hifandray foana amin’Andriamanitra, rehefa misy fitsapana mafy toy ny tafiotra.

Nahoana raha dinihina ny Baiboly? Ho hitanao fa tena mampahery sy azo ampiharina ny torohevitra sy fampianarana ao. Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy hanenina ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy voatery hitovy amin’izany ny manjo ny olona sasany. Misy voan’ny aretina mampijaly be. Tsy maintsy mampiasa fanafody mahery vaika izy, na dia mety ho lasa andevozin’ilay izy aza. Ny dokotera mihitsy no mampanao izany sy manara-maso azy. Tsy tokony hisy hieritreritra àry hoe te ho “sambatsambatra” fotsiny ilay marary, na efa andevozin’ny fanafody.—Jereo ny Ohabolana 31:6.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra ... no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”— Filipianina 4:6, 7.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

FOMBA HANATSARANA NY FAHASALAMANA

Hoy ilay boky hoe Fomba Andaminanao ny Sainao sy Izay Azonao Atao mba Hahasalama Azy (anglisy): ‘Manaova fampiasan-tena mba ho faly kokoa. Mampisinda ny hakiviana koa izany.’ Ilaina koa ny manovaova ny sakafo sy ny fahazarana. Diniho ny tantaran’i Valérie, izay nisy nampijaly tamin’ny mbola kely. Nanjary nandevozin’ny karazam-panafody 12 izy, fara fahakeliny. Resiny anefa io fahazarany io, ary miaina toy ny olon-drehetra izy izao. Inona no nanampy azy?

Tsy nijery tele na namaky tantara tsy mety amin’ny Kristianina i Valérie. Naleony kosa nianatra Baiboly tsy tapaka sy namaky ireo boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny gazety toy ity. Nangataka hery tamin’Andriamanitra foana koa izy, ary nanaiky ny fanampian’ireo Kristianina namany. Ankoatra izany, dia nanao zavatra mampahery izy nandritra ny andro, anisan’izany ny fitoriana ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Novany koa ny sakafony. Tsy nihinana tsakitsaky be loatra intsony izy. Sitrana izy, ka gaga hatramin’ny dokoterany. Efa an-taonany maro izy izao no tsy andevozin’ny fanafody intsony. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy mitovy amin’ny an’i Valérie ny mahazo anao, raha toa ianao ka nomen’ny dokotera fanafody noho ianao kivy be na manana olana ara-tsaina. Aza ajanona àry ny fanafodinao, raha tsy ny dokotera no miteny.