Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Ray Aman-dreny Arovy ny Zanakareo!

Ry Ray Aman-dreny Arovy ny Zanakareo!

Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Zanakareo!

MANAHY ny ray aman-dreny maro, ka manontany hoe: “Fa nahoana no mihamaro ny tanora mangalatra mihinam-panafody?” Maro ny antony. Te hahatsiaro ho “sambatsambatra” ny tanora sasany. Misy indray te hahay kokoa amin’ny fianarana na te hanadino ny olana mahazo azy. Ny hafa koa marary na ory, ka mba te ho maivamaivana. Manjary za-dratsy amin’ny fanafody, na dia ny ankizy vao 12 taona aza. Hafarany ao amin’ny Internet ilay izy indraindray. Tonga dia alefan’ireo mpivarotra izany, fa tsy manontany akory izy ireo hoe iza no manafatra an’ilay izy. Misy koa mividy fanafody amin’ny namany. Inona àry no azonao atao mba hiarovana ny zanakao?

Resaho mazava tsara aminy ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina sy ny fampiasana fanafody fahatany. Aza apetraka eny rehetra eny ny taratasin’ny dokotera. Tsara mihitsy aza raha hidiana lakile ny fitoeram-panafody. Fantaro izay fanafody misy ao an-trano, ary araho maso hoe firy ny ambiny. Ario tsy ho hitan’ny zanakao izay fanafody tsy ilaina intsony. Raha efa tsy mikohaka intsony izy nefa mbola mihinam-panafody, dia anontanio azy ny antony. Fantaro ny zavatra vidiny. Farany, araho maso sao miova ny namana iarahany, ny bika aman’endriny na ny fihetsiny, na midina be ny naotiny.

Raha lasa andevozin’ny fanafody ny ankizy

Inona no azonao atao, raha manahy ianao sao andevozin’ny fanafody na zava-mahadomelina ny zanakao? Mila miresaka aminy ianao, nefa aoka ho be fitiavana sy tsara fanahy. Hoy ny Baiboly: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.” (Ohabolana 20:5) Toy ny hoe misinton-drano amin’ny tady mora tapaka ianao, rehefa mamantatra ny ao am-pon’ny ankizy ahina ho efa andevozin’ny fanafody. Mety ho tapaka ilay tady raha sintoninao mafy loatra. Toy izany koa fa mety tsy hiresaka aminao intsony ilay ankizy raha tonga dia manome tsiny azy ianao na tezitra be aminy. Tadidio fa roa ny tanjonao. Voalohany, ny hahalala hoe andevozin’ny fanafody ny zanakao sa tsia. Ary faharoa, ny hahafantatra ny antony. Mety ho anisan’izany ireto:

Naman-dratsy. Hoy ny 1 Korintianina 15:33: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” Ny ray aman-dreny hendry àry dia manampy ny zanany hahatakatra fa mampidi-doza ny naman-dratsy. Manampy ny zanany hifidy namana koa anefa izy. (Ohabolana 13:20) Azon’ny ray aman-dreny atao ny manasa namana hendry ho any an-tranony na hiara-mitsangantsangana amin’izy mianakavy.

Miferinaina. Terena hahavita zavatra tonga lafatra ny ankizy ankehitriny. Manampy trotraka izany ny ray aman-dreny indraindray, satria mitaky zavatra be loatra amin’ny zanany. * Fantatrao ve ny zavatra mety ho vitan’ny zanakao sy tsy ho vitany? Tanjona mora tratrarina ve no asainao tratrariny, ary ampianao izy ho tody amin’izany? Miezaka tsy hampitaha azy amin’ny ankizy hafa ve ianao rehefa mibedy azy? Mety halahelo na ho kivy be mantsy izy, raha atao an’izany. Mila fitiavana sy fankasitrahana ny ankizy, ka raha tsy mahatsapa izany izy ireo ao an-trano, dia azo antoka fa hitady izany any an-kafa. Miezaka mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra koa ny ray aman-dreny hendry. Azony amakiana Baiboly, ohatra, izy ireo. Hoy i Jesosy Kristy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Tsy misy fitsipika mifehy azy. Mangalatra mihinam-panafody na mampiasa zava-mahadomelina ny ankizy sasany satria avelan’ny ray aman-dreniny hanao izay tiany. Hoy ny Ohabolana 29:15: “Mahatonga henatra ho an-dreniny ... ny zaza avela hanaram-po.” Tadidio fa mankasitraka ny fitsipika asaina arahiny ny ankizy, na dia mimenomenona aza. Mampihena ny tebitebin’izy ireo izany, ary vao mainka mampiaiky azy fa tiana izy. Ampirisihin’ny Baiboly àry ny ray aman-dreny mba hametraka fitsipika ho an’ny zanany sady hanome modely. (Efesianina 6:4) Tokony ho hentitra sy tsy hiovaova hevitra koa izy ireo amin’ny fotoana ilana izany, ka “rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Jakoba 5:12.

Mazava ho azy fa mila manatona dokotera ianao, raha fantatrao hoe andevozin’ny fanafody ny zanakao. Sarotra mantsy ny miala amin’izany ary mety hilana fanampian’ny mpitsabo. Tokony hangataka torohevitra amin’ny anti-panahy koa ianao, raha Vavolombelon’i Jehovah ianareo. (Jakoba 5:13-16) Afaka manampy anareo hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ireny lehilahy araka ny fanahy ireny, ka ho sitrana haingana ny zanakao.

Handinika toro lalana fanampiny isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, ary hamantatra momba ny hoavy tena tsara miandry antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.”—Ohabolana 20:5

[Efajoro, pejy 7]

ATAHORANA HO ZA-DRATSY AMIN’NY FANAFODY NY TANORA RAHA...

◼ Misy fianakaviany andevozin’ny fanafody na zava-mahadomelina na toaka

◼ Kivy be na mihevi-tena ho tsy misy vidiny

◼ Mihevitra fa tsy mahay mifanaraka amin’ny hafa sady tsy tian’ny olona

◼ Kamokamo foana; tsy mahita tory firy

◼ Masiaka sy mikomy amin’ny olon-dehibe *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nalaina tao amin’ny Internet (Teen Help).