Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
◼ “Nisy nangalatra ny 160 000 tamin’ny zavatra naranty tao amin’ireo tranombakoka any Rosia.”—RIA NOVOSTI, ROSIA.
◼ “Hitan’ny sambondanitra Phoenix Mars fa nisy lanezy nilatsaka avy eny amin’ny rahon’ny planeta Marsa.”—“VAOVAON’NY NASA”, ETAZONIA.
◼ “Tsy nametaka fehikibo na satroka fiarovana amin’ny loza ny 65 isan-jaton’ny mpamily sy mpandeha namoy ny ainy, tamin’ny lozam-pifamoivoizana tany Gresy.”—EIKONES, GRESY.
Entana Very
Matetika no very entana ny mpandeha fiaramanidina. Milaza ny gazety iray fa “entana 42 tapitrisa no very” tamin’ny 2007. “Mihoatra 25 isan-jato noho ny tamin’ny 2006 izany.” Azon’ny tompony ao anatin’ny roa andro ny ankamaroan’izy ireny. “Tsy hita mihitsy” anefa ny 3 isan-jatony, izany hoe “entana iray isaky ny mpandeha 2 000.” Lany vola 3,8 tapitrisa dolara tamin’ny fanonerana ny entana very ny kompaniam-pitaterana ana habakabaka, tamin’ny 2007. Nahoana ny entana no very? “Be loatra, ohatra, ny entana satria mihamitombo ny isan’ny mpandeha. Fohy loatra ny fotoana ijanonan’ny fiaramanidina eo amin’ny seranana, alohan’ny hiaingany indray.” Tsy voakarakara tsara ny entana, ary diso ny anarana na ny adiresin’ny tompony.
Katolika Manao Tokantranomaso
Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Frantsa fa “tsy dia manan-kery” eo amin’ny fiainan’ny olona intsony izao ny fivavahana, araka ny gazety Population & Sociétés. Ny 88 isan-jaton’ny olona 18 ka hatramin’ny 24 taona, ohatra, no milaza fa Katolika. Tsy mankany am-piangonana anefa ny 80 isan-jaton’izy ireo, raha tsy rehefa misy maty, na mariazy, na atao batisa. Hita taratra eo amin’ny fiainam-pianakaviana koa izany. Mpivady 1 isaky ny 10 no nanao tokantranomaso, 40 taona lasa izay. Mpivady 9 isaky ny 10 anefa no manao izany izao. “Ny 75 isan-jaton’ireo mpamonjy lamesa no efa nanao tokantranomaso talohan’ny mariaziny.”
Mihamaro ny Tantsaha Karàna Mamono Tena
Maherin’ny 17 000 isan-taona ny tantsaha mamono tena any Inde, nanomboka tamin’ny 2002, araka ny gazety The Hindu. Nihinana fanafody famonoana bibikely ny ankamaroany. Fa inona no olana? Eo aloha ny haintany, midina be koa ny vidim-bokatra, mitombo be ny vola lany amin’ny fambolena, ary sarotra ny mindram-bola any amin’ny banky. Maro àry no mitrosa amin’olona, nefa ambony be koa ny zana-bola. Lasa bokan’ny trosa izy ireo, noho izany. Hany heriny mivarotra ny taovany mba handoavany trosa. Rehefa tsy mahomby indray izany, nefa izy efa lany haika, dia aleony mamono tena. An’arivony no manao izany.
Mbola Tsy Foy Nefa Mifampiresaka
“Mifampiresaka ny zana-boay raha mbola ao anaty atody”, hoy ny gazety The Times any Londres. Miara-foy izy ireo, noho izany. Noraisim-peo ny fifampiresahan’ireo voay tao amin’ny reniranon’i Nil, tamin’izy ireo mbola tsy foy. Nalefa teo amin’ny atody vitsivitsy hafa ilay fifampiresahana noraisim-peo, ary nandray anjara tamin’ilay resaka koa ireo voay kely tao anaty atody. Nihetsika matetika kokoa ny atody nisy an’ireo voay nandre an’ilay feo raha mitaha amin’ny atody tsy nampihainoana izany. “Niara-foy tao anatin’ny folo minitra ireo voay nandre ny feon’ny namany”, araka an’ilay tatitra. Tsy niara-foy kosa ireo atody tsy nandre feo mihitsy, na nandre feo hafa tanteraka.