Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Andaminako ny Fotoanako?

Ahoana no Andaminako ny Fotoanako?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Andaminako ny Fotoanako?

“Henoko nivazivazy momba ahy toy izao ny olona iray: ‘Raha te hanao fotoana aminy amin’ny efatra ianao, dia asaivo tonga amin’ny telo izy.’ Teo vao tsapako fa nila nandamina ny fotoanako aho!”—Rado. *

MILA adiny firy fanampiny ianao ao anatin’ny iray andro? Hanaovanao inona izany?

□ Hiarahana amin’ny namana

□ Hatoriana

□ Hanaovana fanatanjahan-tena

□ Hianarana

□ Zavatra hafa

Tena tsara raha mba tsy 24 ora fotsiny ny iray andro. Tsy hisy mihitsy anefa izany! Inona àry no azonao atao? Tanora maro no nandamina ny fotoanany, ka nahita an’ilay fotoana malalaka notadiaviny. Tsapany koa fa rehefa nandamina fotoana izy, dia lasa tsy sorena firy intsony, nihatsara ny naotiny, ary natoky azy kokoa ny ray aman-dreniny. Andeha hojerentsika ny fomba azonao andaminana ny fotoananao?

Vahaolana #1 Manao fandaharam-potoana

Nahoana izany no sarotra? Kivy ianao raha vao mieritreritra fotsiny hoe fandaharam-potoana! Tianao raha tsy alamina mialoha izay ataonao.

Nahoana ilay izy no tokony hatao? Hoy i Solomona Mpanjaka: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Azo inoana fa be atao i Solomona. Mbola tsy 20 taona akory izy dia efa nanambady aman-janaka sady mpanjaka! Vao mainka maro ny andraikiny taorian’izay. Be atao koa angamba ianao izao. Mety mbola hiampy anefa ny andraikitrao rehefa mihalehibe ianao. Tsara àry raha mahay mandamina fotoana dieny izao ianao!

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Nanomboka nanao fandaharam-potoana raikitra aho, enim-bolana teo ho eo izay. Nilamina kokoa ny fiainako noho izany!”—Jao.

“Manampy ahy hanaraka ny fandaharam-potoanako ny fanaovana lisitra. Rehefa misy zavatra fanampiny tokony hataoko, dia ataonay sy Neny lisitra izany. Eritreretinay avy eo izay azo ifanampiana mba hamitana ny zava-drehetra.”—Mialy.

Inona no hanampy anao? Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe hanao dia lavitra ianao sy ny fianakavianao. Samy manipy ny entany ao amin’ny fitoeran’entan’ny fiara ny tsirairay. Hoatran’ny tsy ho omby ao anefa ny entana rehetra. Inona àry no hataonao? Havoakanao angamba ny entana rehetra ary haverinao ao indray, saingy ny lehibe kokoa no hampidirinao voalohany. Ho hitanao avy eo ny hampidirana ny entana kely kokoa.

Toy izany koa ny fiainanao. Tsy hanam-potoana hanaovana ireo zava-dehibe kokoa ianao, raha lany fotoana amin-javatra madinika. Ireo zava-dehibe atao voalohany, dia ho hitanao fa mbola hanam-potoana hanaovana zavatra hafa ianao!—Filipianina 1:10.

Inona avy ireo zava-dehibe tokony hataonao?

․․․․․

Alaharo izay tokony hataonao voalohany amin’ireo. Ho gaga ianao fa hanam-potoana hanaovana ny zavatra madinika, raha ireo zava-dehibe no ataonao voalohany. Tadidio anefa fa tsy mety ny mifamadika amin’izany!

Soso-kevitra. Soraty amin’ny taratasy izay zavatra tokony hataonao. Alaharo izany ka izay zava-dehibe indrindra no ataovy laharana voalohany. Ireto koa misy zavatra hafa azonao ampiasaina.

□ Kalandrie amin’ny finday

□ Karine

□ Kalandrie amin’ny ordinatera

□ Kalandrie tsotra

Vahaolana #2 Manaja fandaharam-potoana

Nahoana izany no sarotra? Avy nianatra ianao ka mba te haka aina sy hijery tele vetivety fotsiny. Na tokony hianatra lesona ianao, nefa nisy namana nanasa anao hijery filma. Mety hieritreritra ianao hoe tsy afaka miandry ilay filma, fa ny fianarana lesona kosa azo ahemotra amin’ny alina be. ‘Sady izaho ange rehefa am-poto-moty vao mahavita mianatra tsara e!’, hoy ianao.

Nahoana ilay izy no tokony hatao? Raha amin’ilay mifantoka iny ny sainao no mianatra lesona ianao, dia ho tsara kokoa ny naotinao. Tsy efa be dia be ve ny zavatra enjehinao? Koa nahoana no mbola ampiana fianaran-desona amin’ny alina be indray, nefa fanadinana ny ampitso? Dia hanao ahoana ianao ny ampitso maraina? Mety hatory maraina ianao, ho rera-tsaina kokoa, ho voatery hihazakazaka, ary angamba ho tara.—Ohabolana 6:10, 11.

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Tiako ny mijery tele sy mitendry gitara ary miaraka amin’ny namako. Tsy ratsy ireo, saingy indraindray lasa mampihemotra ny fotoana tokony hanaovako ny zava-dehibe kokoa. Lasa manenjikenjika be aho amin’ny farany.”—Jery.

Inona no hanampy anao? Samy soraty ao amin’ny fandaharam-potoananao na ny zavatra tokony hataonao na ny zavatra mahafinaritra anao. Hoy i Jery: “Mora kokoa amiko ny mamita ny zavatra tokony hataoko, rehefa fantatro fa hanao zavatra mahafinaritra aho avy eo.”

Hevitra hafa: Mametraha tanjona lehibe. Manàna tanjona kely kokoa avy eo, nefa ezaho tratrarina foana ilay tanjona lehibe. Hoy i Jao, 16 taona, voaresaka terỳ aloha: “Te ho mpitory manontolo andro aho. Manampy ahy hanaja ny fandaharam-potoanako izany, sady manampy ahy hiomana ho amin’ny fiainana any aoriana, rehefa ho betsaka kokoa ny zavatra tsy maintsy hataoko.”

Soso-kevitra. Soraty eto ny tanjona iray na roa azonao tratrarina ao anatin’ny enim-bolana hoavy.

․․․․․

Inona no tanjona azonao tratrarina ao anatin’ny roa taona hoavy, ary inona no tokony hataonao izao mba hanatratrarana izany?

․․․․․

Vahaolana #3 Madio sy milamina

Nahoana izany no sarotra? Tsy azonao hoe inona no ifandraisan’ny fahaizana mandamina fotoana amin’ny hoe madio sy milamina. Sady toa mora kokoa ny mamela ny zava-drehetra haloto sy hikorontana. Afaka miandry rahampitso ny fanadiovana ny efitranonao, na tsy hatao mihitsy! Tsy mampaninona anao ny trano mikorontana. Lasa tsy zava-dehibe aminao àry ny filaminana. Sa mba zava-dehibe ihany?

Nahoana ilay izy no tokony hatao? Tsy ho lany fotoana hikarohana ny zavatra ilainao ianao raha madio sy milamina ny efitranonao. Hampilamina ny sainao koa izany.—1 Korintianina 14:40.

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Rehefa tsy mampirina ny akanjoko aho indraindray, dia very ao anaty korontana ny zavatra tadiaviko!”—Meva.

“Tsy hitako nandritra ny herinandro ny kitapo kely fasiako vola. Sorena be aho. Hitako ihany ilay izy rehefa nampirin-trano aho.”—Faly.

Inona no hanampy anao? Avereno amin’ny toerany haingana araka izay azo atao ny zavatra avy nampiasainao. Ho voadio vetivety ny efitranonao ary ho mora hita izay tadiavinao, raha mampirina azy io tsy tapaka ianao fa tsy miandry azy hikorontana be.

Soso-kevitra. Aoka ianao ho zatra manadio sy mampirina. Ataovy madio foana ny zava-drehetra, ary jereo raha manamora ny fiainanao izany.

Ataovy tsikelikely izany, ary atombohy dieny izao! Inona tamin’ireo soso-kevitra tato no tena nanampy anao?

․․․․․

Handramako mandritra ny ․․․․․ herinandro ireo, ary ho hitako raha mahomby.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana ato.

ERITRERETO IZAO:

◼ Adiny firy ianao no tokony hatory mba hahafahanao hianatra tsara?

◼ Iza no azonao iangaviana hanampy anao handamina ny fandaharam-potoananao?

◼ Raha efa manana fandaharam-potoana ianao, inona no tokony hahitsinao amin’ilay izy?

[Efajoro/Sary, pejy 20, 21]

Toy izao ny ora lanin’ny tanora eo anelanelan’ny 8 sy 18 taona, ao anatin’ny herinandro:

17

iarahana amin’ny ray aman-dreny

35

any am-pianarana

44

ijerena tele, anaovana lalao video, andefasana hafatra, ary ihainoana mozika

NY ANDANIAKO NY FOTOANAKO

Atambaro ny ora laninao isan-kerinandro

ijerena tele: ․․․․․

anaovana lalao video: ․․․․․

ampiasana ordinatera: ․․․․․

ihainoana mozika: ․․․․․

Tontaliny: ․․․․․

Ora anaovako zavatra tsy dia ilaina nefa azoko ampiasaina amin’ny zava-dehibe kokoa: ․․․․․

[Sary, pejy 20]

Tsy hisy toerana ho an’ireo entana lehibe kokoa raha ny entana madinika no ampidirinao voalohany