Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Nanampy Azy Ireo Tsy Hanala Zaza?

Inona no Nanampy Azy Ireo Tsy Hanala Zaza?

Inona no Nanampy Azy Ireo Tsy Hanala Zaza?

TSY nety hanala zaza i Victoria, voaresaka tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Hoy izy: “Tsapako fa efa miaina ilay zaza tao an-kiboko. Nisaraka tamin’i Bill aho, satria fantatro fa tsy hanampy ahy izy, mandritra ny fotoana maha bevohoka ahy.”

Niova hevitra anefa i Bill tatỳ aoriana. Nangata-bady an’i Victoria izy, ary niteraka lahikely izy ireo. Sahirana be anefa izy ireo tamin’ny fikarakarana an’ilay zaza. Hoy i Victoria: ‘Tsy nanam-bola izahay, ary zara raha nanana akanjo. Zara raha nanan-javatra koa izahay. Kely karama i Bill, ka trano tsizarizary no nipetrahanay. Tsy kivy anefa izahay.’

Nisy olon-kafa koa sahirana toa azy ireo, nefa nanapa-kevitra tsy hanala zaza. Ahoana no nahatonga azy ireo tsy hiova hevitra mihitsy, sy hahavita hiatrika ny adin-tsaina ateraky ny fitaizana? Satria nanaraka ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly izy ireo.

Fandaminana mialoha

Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.”Ohabolana 21:5.

Efa telo lahy ny zanak’i Connie, ary kilemaina ny iray, ka tena very hevitra izy nony bevohoka indray. Hoy izy: “Nieritreritra hanala zaza izahay, satria tsy ho afaka hamelona zaza hafa intsony.” Tsy maimaika hanapa-kevitra anefa izy, fa namboraka an’ilay olana tamin’i Kay mpiara-miasa taminy. Nohazavain’i Kay taminy àry fa efa miaina ilay zaza tao an-kibony, ka niova hevitra indray izy.

Nila fanampiana anefa i Connie mba hahafahany handamin-javatra mialoha. Nisy nenitoany nipetraka teo akaiky teo, ka nanoro hevitra azy i Kay mba hangataka fanampiana tamin’izy io. Nanaiky ilay nenitoany. Nanao asa fanampiny koa ny vadin’i Connie, sady nifindra tamin’ny trano mora kokoa izy ireo. Afaka nikarakara an’ilay zanany kely àry izy ireo.

Nampirisihin’i Kay koa i Connie mba hanatona fikambanana mety ho afaka hanampy azy. Misy fikambanana koa any amin’ny tany maro, manampy ny vehivavy vao teraka manana olana. Mety ho azonao atao ny mitady fikambanana toy ireny. Marina fa tsy maintsy miezaka be ianao vao hahazo fanampiana. Tadidio anefa fa mahomby “ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”

Fanekena fa olona manana aina ilay zaza

Hoy ny Baiboly: “Mahita tsara izay lalan-kizorany ny hendry, fa mandeha ao anaty haizim-pito kosa ny adala.”Mpitoriteny 2:14.

Tsy manakimpy ny masony manoloana ny zava-misy ny vehivavy hendry, ka hanjary ‘handeha ao anaty haizim-pito.’ Mandinika ny “lalan-kizorany” kosa izy, izany hoe mieritreritra tsara ny vokatry ny ataony. Mangoraka sy miaro an’ilay olona manana aina ao an-kibony ny vehivavy hendry, fa tsy toy ny sasany izay tsy miraharaha ny zava-mitranga ao an-kibony.

Saika hanala zaza ny ankizivavy iray atao hoe Stephanie. Notarafina anefa ilay zaza tao an-kibony tamin’izy bevohoka roa volana, ka nahita an’ilay zanany izy. Hoy izy: “Nitomany aho ary nieritreritra hoe: ‘Fa nahoana moa aho no hamono olona efa miaina?’ ”

Bevohoka tsy nanambady koa ny tovovavy iray atao hoe Denise. Niaiky koa izy fa efa olona tena miaina no tao an-kibony. Nanome vola azy ilay ankizilahy niarahany sady niteny hoe: “Karakarao io zaza io.” Namaly i Denise hoe: “Tianao hanala zaza aho izany? Tsy hanao an’izany mihitsy aho!” Tsy nety namono ny zanany izy.

Fandresena ny tahotra olona

Raha misy vehivavy mieritreritra hanala zaza, satria nisy nampirisika azy hanao izany, dia tokony hoeritreretiny ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity: “Fandrika ny tahotra olona, fa izay matoky an’i Jehovah no ho voaro.”Ohabolana 29:25.

Bevohokan’ny ankizilahy niarahany i Monica, 17 taona. Vao hanomboka ny fianarany momba ny varotra anefa izy tamin’izay. Kivy be ny reniny, satria efa mitaiza zaza dimy ary maty vady. Tiany hianatra asa koa i Monica, mba tsy hahantra be toa an-dry zareo. Very hevitra ny reniny, ka nanizingizina hoe tsy maintsy manala zaza izy. Rehefa nanontanian’ny dokotera anefa i Monica raha vonona hanala zaza, dia namaly izy hoe: “Tsy te hanao izany mihitsy aho!”

Tsapan’ny renin’i Monica fa vita hatreo ilay hoavy mahafinaritra noeritreretiny ho an-janany. Hitany koa fa ho sahirana izy hitaiza zaza fanampiny. Noroahiny àry i Monica, ka lasa nipetraka tany amin’ny nenitoany. Niova hevitra anefa ny reniny afaka herinandro vitsivitsy, ka namela azy hody. Niteraka lahikely i Monica, ary nataony hoe Leon ny anarany. Nanampy azy hikarakara an’i Leon ny reniny, ary nanjary tena tia an’io zafikeliny io.

Mety hisy olon-kafa koa hampirisika ny olona hanala zaza. Hoy i Robin, vehivavy manambady: “Hitan’ny dokotera hoe bevohoka aho tamin’izy nitsabo ny voako. Nilaza izy fa tena mety ho votsa saina ilay zaza rehefa teraka.” Nasainy hanala zaza àry i Robin. Hoy anefa i Robin: “Nohazavaiko taminy izay lazain’ny Baiboly momba ny aina, ary nilaza taminy aho fa tsy hanala zaza mihitsy.”

Rariny aloha raha nanahy ilay dokotera. Tsy nisy nahina anefa ny ain’i Robin. * Hoy izy: “Natao ny fitsirihana isan-karazany rehefa teraka ilay zanako, ka hita hoe nisy tsy nety kely fotsiny tao amin’ny atidohany. Salama tsara anefa izy. Efa 15 taona izy izao, ary mihamahay mamaky teny. Tena tiako izy, ary misaotra an’i Jehovah imbetsaka isan’andro aho nanome ahy an’io zanako io.”

Fifandraisana amin’Andriamanitra

Hoy ny Baiboly: “Izay matahotra an’i Jehovah no manana fifandraisana akaiky aminy.”Salamo 25:14.

Maro no mifidy tsy hanala zaza, rehefa mandinika ny fomba fihevitry ny Mpamorona. Ny zava-dehibe indrindra aminy, dia ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy ny fanaovana izay hampifaly azy. Izany koa no tena nanampy an’i Victoria, voaresaka teo aloha. Hoy izy: “Tena mino aho fa Andriamanitra no manome ny aina, ka tsy nanana zo hamono an’ilay zaza nomeny aho.”

Lasa nifandray akaiky kokoa tamin’Andriamanitra i Victoria, rehefa nianatra tsara ny Baiboly. Hoy izy: “Nahatsapa ho akaiky kokoa an’Andriamanitra aho, rehefa nanapa-kevitra tsy hanala zaza. Nanjary te hampifaly azy aho, amin’izay rehetra ataoko. Rehefa nangataka tari-dalana taminy aho, dia nandeha tsara ny zava-drehetra.”

Lasa manaja kokoa ny ain’ny zaza ao am-bohoka isika, rehefa mifandray akaiky amin’Andriamanitra, izay Loharanon’aina. (Salamo 36:9) Raha bevohoka ny vehivavy iray, nefa tsy niomana ho amin’izany na izy na ny fianakaviany, dia afaka manome azy ireo “hery fanampiny” hiatrehana an’izany Andriamanitra. (2 Korintianina 4:7) Inona àry no tsapan’ireo nanaja ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny aina?

Tsy manenina izy ireo

Tsy manamelo-tena sy tsy malahelo lava ny olona nifidy tsy hanala zaza. Tsapan’izy ireo tatỳ aoriana fa “valisoa ny aloaky ny kibo”, fa tsy hoe zava-doza! (Salamo 127:3) Niaiky an’izany i Connie, voaresaka teo aloha, adiny roa monja taorian’ny niterahany. Faly erỳ izy nitelefaonina an’i Kay, sady nilaza fa efa tsy andriny ny hitaiza an’ilay zanany vavikely. Dibo-kafaliana mihitsy izy niteny hoe: “Tahin’Andriamanitra tokoa izay olona mampifaly azy!”

Fa nahoana no tsara ny manaja ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny aina, eo amin’izay ataontsika? Satria izy no Loharanon’aina, ary nataony “hahasoa” antsika ny lalàna sy fitsipika nampanoratiny ao amin’ny Baiboly.—Deoteronomia 10:13.

Niaiky koa i Victoria sy Bill fa nanova ny fiainany ny safidy nataony hoe tsy hanala zaza. Hoy izy ireo: “Mpidoroka zava-mahadomelina izahay, ary angamba efa maty raha mbola nanohy. Nanaja ny ain’ilay zanakay mbola tao am-bohoka anefa izahay, ka nandinika ny fomba fiainanay. Niova àry izahay, ary nanampy anay tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Niteraka lahikely izy ireo, ary nataony hoe Lance ny anarany. Efa ho 34 taona izy io izao, ary efa 12 taona mahery no nanambadiany. Hoy izy: “Mbola kely aho dia nampianarin’i Dada sy Neny hanaraka izay lazain’ny Baiboly rehefa manapa-kevitra. Nahasoa ahy sy ny vady aman-janako izany, ary tsy ho sambatra hoatr’izao izahay, raha tsy nanao toy izany.” Hoy koa ny rainy, izay nampirisika ny reniny hanala zaza tamin’ny voalohany: “Mihoron-koditra izahay rehefa mieritreritra fa saika tsy nanana an’io zanakay tena maminay io.”

Ary ahoana hoy i Monica, izay tsy nety nanala zaza na dia nampirisihin’ny reniny aza? Hoy izy: “Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory tamiko, tapa-bolana taorian’ny niterahako an’i Leon. Nohazavainy ny tokony hataoko, mba hifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ny fiainako. Nampianariko koa i Leon hoe ilaina ny mankatò an’Andriamanitra, ka lasa tena tia an’Andriamanitra izy. Mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy izao, ary mitsidika fiangonana maromaro.”

Hoy i Leon: “Tena tia ahy i Neny, matoa navelany ho velona aho, na dia nisy nampirisika azy hanala zaza aza. Te hampiasa ny fiainako amin’ny fomba tsara indrindra àry aho. Te hankasitraka an’Andriamanitra koa aho, noho izy nanome ny aina izay tena sarobidy.”

Maro tokoa no nanapa-kevitra tsy hanala zaza, rehefa nianatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny aina. Tsy manenina izy ireny, ary tena tia ny zanany. Afaka milaza amin’ny fo feno fankasitrahana izy ireo hoe: “Faly izahay fa tsy nanala zaza!”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Raha eo am-piterahana no misy safidy tsy maintsy atao hoe ny ain’iza no hafoy, ny an’ilay zaza sa ny an’ny reniny, dia ireo olona voakasika amin’izany ihany no manao ny safidy. Mihamahalana anefa ny toe-javatra toy izany, satria efa mandroso ny fitsaboana.

[Sary, pejy 7]

Nanampy an’i Stephanie hanapa-kevitra ny fahitany an’ilay zanany roa volana tao an-kibony

(Nasiana soritra)

[Sary, pejy 8]

Victoria sy Lance

[Sary, pejy 8, 9]

Victoria sy Bill ankehitriny, miaraka amin’i Lance sy ny fianakaviany

[Sary, pejy 9]

Tena faly i Monica sy Leon zanany, satria tsy nety nanala zaza i Monica, 36 taona lasa izay