Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankarary ve ny Tara-masoandro?

Mankarary ve ny Tara-masoandro?

Mankarary ve ny Tara-masoandro?

“Mihamanify hatrany izao ny sosona ôzônina, nefa ny olona vao mainka tia miala voly eny amin’ny taninandro. Olona maro àry no atahorana hahazo aretina avy amin’ny taratra ‘ultraviolet.’ Tena mampanahy ny ankamaroan’ny olona izany.”—DR. LEE JONG-WOOK, TALE JENERALIN’NY FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAHASALAMANA TEO ALOHA.

RESIN-TORY teo amin’ny torapasika tany amin’ny morontsirak’i Italia i Martin, lehilahy fotsy hoditra avy any Eoropa Avaratra. Nony taitra izy dia hitany fa nifindra ny alok’ilay elo nialofany, ary nivoaramena be ny tongony. Hoy izy: “Tsy maintsy nankany amin’ny hopitaly haingana aho. Henjana be ny tongotro roa sady nivonto ka lasa toy ny saosisy. Nanaintaina be izy ireo nandritra ny roa na telo andro. Tsy afa-nitsangana aho sady tsy azoko naforitra ny tongotro. Henjana be ny hoditro ka natahorako hitriatra.”

Maro no mihevitra fa ny fotsy hoditra toa an’i Martin ihany no tokony hatahotra hainandro. Mety ho voan’ny kanseran’ny hoditra koa anefa ny mainty hoditra, na dia voaro kokoa amin’ny masoandro aza. Tsy hita ny kanseran’izy ireo raha tsy efa mihombo be. Mety hanimba ny maso sy ny hery fanefitra koa ny mitanina andro be loatra. Taona maro atỳ aoriana anefa izany vao mety ho hita.

Mazava ho azy fa betsaka kokoa ny taratra ultraviolet (UV) arakaraka ny anatonana ny ekoatera. Tsy maintsy mitandrina kokoa àry ireo monina na mandalo any amin’ny ekoatera sy ny tropika ary ny faritra manodidina an’ireo. Efa mihamanify mantsy izao ny sosona ôzônina. Andeha hojerentsika ny olana sasany mety hitranga, rehefa mitanina andro be loatra ny olona.

Manimba maso

Olona 15 tapitrisa no jamba eran-tany noho ny katarakta. Io izao no aretina miteraka fahajambana be indrindra. Voan’izy io ny olona iray rehefa mihasimba ny proteinina ao amin’ny masony, ka miteraka zavatra hafa manakona ny fahitany izany. Anisan’ny vokatry ny taratra UV ny katarakta, na dia miadana aza ny fihomboan’ilay aretina. Voalaza fa ny 20 isan-jaton’ny katarakta dia vokatry ny fitaninana andro maharitra sy miverimberina. Mampihombo an’io aretina io koa ny fanaovana izany.

Ny faritra manakaiky ny ekoatera no tena be olona voan’ny katarakta. Mahantra anefa ny ankamaroan’ny mponina amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana any. Jamba àry ny mahantra an-tapitrisany any Afrika, Amerika Afovoany, Amerika Atsimo, ary Azia satria tsy manam-bola hanesorana ny katarakta ao amin’ny masony.

Manimba hoditra

Kanseran’ny hoditra no mahazo ny ampahatelon’ny olona voan’ny kansera maneran-tany. Olona 130 000 eo ho eo no voalaza fa voan’ny mélanome isan-taona. Io no kanseran’ny hoditra tena ratsy indrindra. Olona roa ka hatramin’ny telo tapitrisa kosa no voan’ny kanseran’ny hoditra karazany hafa. Voalaza fa olona 66 000 eo ho eo no matin’ny kanseran’ny hoditra, isan-taona. *

Ahoana no animban’ny hainandro ny hoditrao? Matetika no mivoaramena na mivalomainty ny hoditry ny olona rehefa avy mitanina andro ela loatra. Mety haharitra andro maromaro izany. Mety hibontsin-drano koa ilay hoditra na hiofaka.

Inona no mitranga rehefa main’ny masoandro ny hoditra? Mamono ny ankamaroan’ny sela eo amin’ny hoditra etỳ ivelany ny taratra UV sady manimba ny hoditra ao anatiny. Efa simba ny hoditr’ilay olona matoa miova loko. Mety ho voan’ny kansera izy raha simba ny ADN ao aminy. Ny ADN anefa no mandrindra ny fitomboan’ny selan’ny hoditra sy ny fizarazarany. Manova ny endriky ny hoditra koa ny hainandro, ary mahatonga azy io hihenjana sy ho mora maratra. Lasa miketrona ny hoditr’ilay olona na dia mbola tsy antitra aza izy.

Manimba hery fanefitra

Nasehon’ny fikarohana fa lasa tsy miasa tsara intsony ny hery fanefitra ao amin’ny vatan’ny olona iray, raha tratran’ny taratra UV be loatra ny hodiny. Mety tsy ho afaka hiaro tena firy amin’ny aretina intsony àry ny vatany. Na tsy mitanina andro be loatra aza anefa ny olona iray, dia mety mbola ho tratran’ny aretina avy amin’ny bakteria, holatra, katsentsitra, ary virosy ihany. Voamariky ny olona sasany fa misy karazana fanaviana mipoitra foana eo akaikin’ny vavany, rehefa mitanina andro izy. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa ny karazana taratra UV antsoina hoe UVB no “azo inoana fa manimba ny hery fanefitra, ka mahatonga azy io tsy hiasa tsara intsony. Tsy voafehy intsony, ohatra, ny virosy herpès ao amin’ilay olona, ka mahatonga an’ilay fanaviana hipoitra foana.”

Miteraka kansera àry ny hainandro, ary misy ambaratongany roa izany. Manimba ny ADN aloha izy io, ary avy eo manimba ny hery fanefitra izay natao hanarenana ny fahasimbana toy izany.

Aleo àry mitandrina mba tsy ho tratry ny hainandro be loatra. Mety hankarary antsika mantsy izany, ary mety hahafaty mihitsy aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Miresaka momba ny kanseran’ny hoditra ny Mifohaza (frantsay) 8 Jona 2005, pejy 3-10.

[Efajoro, pejy 11]

FOMBA HIAROVAN-TENA

◼ Aza mandeha loatra eny amin’ny hainandro eo anelanelan’ny amin’ny folo ora maraina sy amin’ny efatra ora hariva. Mahery be mantsy ny taratra UV amin’ireo ora ireo.

◼ Makà alokaloka.

◼ Manaova akanjo lava tanana malaladalaka sy pataloa na zipo malaladalaka.

◼ Manaova satroka be sofina mba hiarovana ny maso, sofina, tarehy, ary hatoka.

◼ Tsara koa ny manao solomaso mainty misy tahony lehibebe. Miaro ny maso amin’ny taratra UVA sy UVB izany.

◼ Mampiasà menaka miaro amin’ny masoandro, ary ahosory isaky ny adiny roa. Ny menaka misy fiarovana mahery kokoa sy maharo amin’ny taratra maro kokoa no tena tsara.

◼ Milaza ny OMS fa tsy mety ny mampiasa fitaovana misy taratra UV, toy ny jiro na fandriana na zavatra hafa, satria manimba hoditra izy ireny.

◼ Mila arovana manokana ny ankizy, satria mbola marefo ny hoditr’izy ireo.

◼ Aza matory eo amin’ny hainandro mihitsy.

◼ Manatòna dokotera, raha misy pentina mainty na volontany mampanahy anao eo amin’ny hoditrao.