Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miambena Hatrany!”

“Miambena Hatrany!”

“Miambena Hatrany!”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah

◼ Natomboka tany Etazonia io fivoriambe maharitra telo andro io, ny 22-24 Mey 2009. An’arivony amin’izy io no hatao maneran-tany, mandritra ny volana maromaro. Hanomboka amin’ny 9.20 maraina, amin’ny alalan’ny mozika fanokafana, ny fandaharana amin’ny andro tsirairay. Nalaina tao amin’ny Matio 24:44 ny foto-kevitry ny andro zoma hoe ‘Aoka Ianareo ho Vonona.’ Aorian’ny lahateny fanokafana, dia hisy lahateny hoe “Manampy Antsika Hiambina Hatrany ny Fivoriambe”, sy hoe “Jehovah, Ilay Andriamanitry ny ‘Fotoana sy Vanim-potoana.’ ” Hanaraka izany ny lahateny mifampitohy hoe “Tahafo Ireo Niambina Hatrany ka Tsy Nivadika.” Hiresaka momba an’i Noa sy Mosesy ary Jeremia izy io. Hamarana ny fandaharana maraina ny lahateny fototra hoe “Manampy Antsika ‘Hiambina Hatrany’ i Jehovah.”

Hodinihina ny zoma tolakandro ny hoe “Valin’ireo Fanontaniana Momba ny ‘Andro Farany’ ” sy hoe “Nahoana no ‘Tsy Fantatsika na ny Andro na ny Ora’?” ary hoe “Fantaro fa Akaiky ny Farany.” Avy eo dia hisy lahateny mifampitohy misy fizarana enina, hoe “Ry Fianakaviana, Aoka Ianareo ‘Hifoha Hatrany!’ ” Hiresaka momba ny lehilahy sy ny vehivavy manambady ary ny ankizy ny fizarana telo voalohany. Ireo fizarana telo farany kosa hitondra ny lohateny hoe “Aoka ho Tsotra Foana ny Masonareo”, “Miezaha Foana Hanatratra Tanjona”, ary “Ataovy Tsy Tapaka ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.” Hamarana ny fandaharana ny zoma ilay lahateny hoe “Teny Mandrisika Antsika Hiambina Hatrany.”

Avy ao amin’ny 1 Petera 5:8 ny foto-kevitry ny andro asabotsy hoe “Aoka Ianareo Hisaina Tsara sy Hiambina.” Hisy lahateny mifampitohy misy fizarana dimy ny maraina, izay hitondra ny lohateny hoe “Ampio ‘Hifoha Amin’ny Torimasony’ ny Olona.” Ireto avy no hodinihina amin’izany: “Nahoana no Tena Ilaina ny Fanompoantsika?”, “Mahaiza Mandinika Rehefa Manompo”, “Hatsarao ny Fahaizanao”, “Aza Hadinoina ny Havanao!”, ary “Tadidio fa Asa Maika ny Fitoriana!” Hanaraka izany ny lahateny hoe “Miambena toa An’i Jesosy” sy hoe “Aoka Ianao ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka.” Hamarana ny fandaharana maraina ny lahatenin’ny batisa, ary hatao batisa avy eo ireo mahafeno fepetra.

Ny asabotsy tolakandro dia hisy lahateny mifampitohy misy fizarana dimy, hoe “Mitandrema Amin’ireo Vela-pandrik’i Satana!”: “Afo”, “Lavaka”, “Fandrika”, “Vela-pandrika Mangeja”, ary “Vela-pandrika Manorotoro.” Hisy fandaharana manokana avy eo, hitondra ny lohateny hoe “Tsy Hanaiky Hivadika Mihitsy Aho, Mandra-pahatapitry ny Aiko.” Hamarana ny fandaharana ny asabotsy ny lahateny hoe “Aza Mitodika ‘any Aoriana’ ” sy hoe “Miambena toa An’ireo Apostolin’i Jesosy.”

Nalaina tao amin’ny Habakoka 2:3 ny foto-kevitry ny andro alahady hoe ‘Andraso Ihany, fa Tsy ho Tara Izany.’ Aorian’ny lahateny hanazavana an’io foto-kevitra io, dia hisy lahateny mifampitohy, hoe “Afantohy Amin’ny Zavatra Tsy Hita ny Masonao.” Ireto avy no hodinihina amin’izy io: ‘Hankahala An’ilay Mpivaro-tena ny Tandroka Folo’, “Tsy Maintsy Hiaiky Ireo Firenena fa i Jehovah no Andriamanitra”, “Hotorotoroina ‘Ireo Fanjakana Rehetra Ireo’ ”, “Hofatorana Arivo Taona ny Devoly”, “Hanao Trano sy Tanimboaloboka Izy Ireo”, “Ny Amboadia sy ny Zanak’ondry Hiara-komana”, “Hofafan’Andriamanitra ny Ranomaso Rehetra”, ‘Hivoaka Izay Rehetra any Am-pasana’, ary “Andriamanitra no ho ‘Zava-drehetra ho An’ny Rehetra.’ ” Hamarana ny fandaharana maraina ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Inona no Tokony Hataonao mba ho Voavonjy Amin’ny Faran’izao Tontolo Izao?”

Hampiavaka ny fandaharana ny alahady tolakandro ilay tantara an-tsehatra hoe ‘Efa Maty ny Rahalahinao fa Velona Indray.’ Nalaina avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala izy io. Hanaraka izany ny famintinana Ny Tilikambo Fiambenana. Hamarana ny fivoriambe ny lahateny hoe “Andraso Hatrany ny Andron’i Jehovah.”

Manaova fandaharana dieny izao mba hanatrehana an’io fivoriambe io. Mankanesa any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity, mba hahalalanao ny toerana hanaovana azy io akaiky anao indrindra. Hisy fivoriambe iraisam-pirenena maharitra efatra andro koa any amin’ny tany sasany. Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa ny lisitry ny toerana hanaovana ny fivoriambe eto Madagasikara.