Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niafina Aho Rehefa Nandika Teny Nandritra ny 30 Taona

Niafina Aho Rehefa Nandika Teny Nandritra ny 30 Taona

Niafina Aho Rehefa Nandika Teny Nandritra ny 30 Taona

Notantarain’i Ona Mockutė

Nampangaina ho mpanao heloka bevava aho, ary notsaraina tao amin’ny tribonaly iray feno hipoka eto Klaïpeda, Litoania, tamin’ny Aprily 1962. Nosamborina aho ny Oktobra talohan’io, satria nanohintohina ny fiandrianam-pirenena sovietika, hono, ny asa ara-pivavahana nataoko. Aleo hotantaraiko ny nisamborana sy nanagadrana ahy, noho izaho niafina rehefa nandika ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

TERAKA tamin’ny 1930 aho, tany amin’ny faritra andrefan’i Litoania, any akaikin’ny Ranomasina Baltika. Tamin’izaho mbola tany an-kibo, dia nivavaka, hono, i Neny mba ho lasa masera aho. Hoy anefa izy tamiko, indray mandeha: “Tsy mba hivavabavaka amin’i Md. Piera na ireny sampy ireny aho.” Notadidiko tsara izany, ka tsy nandohalika mihitsy aho tany am-piangonana. Nandohalika tamin’ny lakroa kosa anefa aho teny an-dalana avy nianatra.

Tena nahavaky fo ny habibiana hitako tatỳ aoriana, nandritra ny Ady Lehibe II (1939-1945). Indray andro, raha mbola ny Alemà no nifehy ny faritra nisy anay, dia nandeha nioty voaroy izahay sy Nenitoa. Tonga teo amin’ny lavaka lehibe roa izahay ary nahita ra tetsy sy teroa. Hay vao nisy Jiosy novonoina teo, anisan’izany i Tese sy Sara, mpiara-mianatra tamiko, ary teo amin’ny fasan’izy ireo izahay. Taitra loatra aho ka nahateny mafy hoe: “Andriamanitra ô! Fantatro fa tsara fanahy ianao, nefa nahoana no avelanao hitranga izao zava-doza izao?”

Vita ny fianarako teny amin’ny lise teo akaikinay, teto Klaïpeda, tamin’ny 1949. Nianatra mozika aho avy eo. Nisy mpianatra nanangana antoko politika niafina satria te hitaky fiovana. Niara-dia tamin’izy ireo aho tamin’ny 1950. Nisy namadika anefa taminay, tsy ela taorian’izay, ka nosamborina ny 12. Nampidirina am-ponja teto Klaïpeda aho, ary tany no nahitako Vavolombelon’i Jehovah voalohany.

Nianatra ny fahamarinana ara-baiboly

Natosika hiditra tao amin’ilay efitra figadrana nisy anay ny vehivavy iray efa zokinjokiny. Nitsikitsiky taminay fito vavy izy. Nanontaniako izy hoe: “Ary ianao toa mitsikitsiky, nefa izany olona ampidirina am-ponja izany matetika malahelo. Fa maninona kay ianao no nalefa atỳ?”

“Noho ny fahamarinana”, hoy izy.

“Fa inona izany fahamarinana izany?”, hoy indray aho.

Lydia Peldszus no anaran’ilay vehivavy. Alemà izy ary nosamborina satria Vavolombelon’i Jehovah. Niresaka zavatra be dia be momba ny Baiboly izahay. Nanohina ny foko ny fahamarinana nampianarin’i Lydia anay, ka tena nanova ny fiainako. Tsy ny ahy ihany fa ny an’ny telo hafa niray efitra taminay koa.

Nihabetsaka ny fahalalana ara-baiboly azoko

Voaheloka higadra 25 taona sy hatao sesitany 5 taona aho, satria niaraka tamin’ilay antokona mpianatra nikomy tamin’ny Sovietika. Nihaona tamin’ny Vavolombelona aho tany amin’ireo fonja sy toby fitanana tany Siberia, ka nihabetsaka ny zavatra fantatro momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Nosazina noho ny finoany ireny Vavolombelona ireny, toa an’i Lydia.

Nianatra Baiboly aho tamin’ireny fotoana ireny ary nitory. Efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra aho nefa mbola tsy natao batisa. Nihevitra ahy ho Vavolombelon’i Jehovah anefa ny voafonja hafa sy ny tompon’andraikitra. Nafahana aho tamin’ny 1958, rehefa avy nanefa sazy valo taona, ary niverina teto Litoania. Ny vatako no tsy natanjaka, fa ny finoako an’i Jehovah kosa tena natanjaka.

Nanomboka ny fandikan-teny niafina

Nogadraina na nalefa sesitany tany Siberia ny ankamaroan’ny Vavolombelona, ka vitsy no tafajanona teto Litoania. Nisy Vavolombelona roa niverina avy tany Siberia, tamin’ny 1959. Nanontanian’izy ireo aho raha afaka nandika ny bokintsika amin’ny fiteny litoanianina. Faly erỳ aho nanaiky an’io asa sarotra io, satria voninahitra izany tamiko.

Nanomboka nandika teny aho tamin’ny Martsa 1960, ary natao batisa niafina tao amin’ny Reniranon’i Dubysa, ny Jolay. Tsy nahita asa aho noho ny fanoheran’ny KGB, izany hoe ny polisy miafina niaro ny fitondrana sovietika. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko àry aho, satria nankasitraka ny fivavahako ry zareo. Niandry ny ombin’i Dada sy ny an’ny mpiray tanàna taminay no nataoko. Nandika teny àry aho sady niandry omby. Tsara tarehy erỳ ny biraoko satria foto-kazo no sezako, kijana no gorodona, lanitra manga no tafo, ary ny feko no nataoko latabatra.

Hitako anefa fa mety ho tratran’ny KGB na ny mpitsikilony mora foana aho, rehefa mandika teny eny an-kalamanjana. Niala tao an-trano àry aho rehefa nahita fiafenana nahafahako niasa. Tany amin’ny toeram-piompiana aho indraindray no niasa, ka tao ambadiky ny efitra nisy biby no nisy ahy, nitendry an’ilay milina fanoratako.

Ny antoandro aho no niasa satria tsy nisy jiro. Nasiana milina fitotoana ahodin’ny rivotra teo ivelan’ilay toeram-piompiana, mba tsy handrenesana ny feon’ilay milina fanoratana. Nandeha nisakafo aho rehefa maizina ny andro. Niverina tao amin’ilay toeram-piompiana aho, avy eo, ary natory teo ambony mololo.

Nosamborina izaho sy ny Vavolombelona roa, tamin’ny Oktobra 1961, rehefa sarona ny asako. Izany no nahatonga an’ilay fitsarana tamin’ny 1962, nolazaiko terỳ aloha. Navelan’ny manam-pahefana hatrehin’ny besinimaro ilay izy, ka faly izahay afaka nanambara ny finoanay teo anatrehan’ny olona maro. (Marka 13:9) Voaheloka higadra telo taona tany Tallinn, any Estonia aho. Izaho irery, araka ny reko, no nigadra noho ny finoako tao amin’ilay fonja, tamin’izany fotoana izany. Nitsidika ahy ny manam-pahefana tao an-tanàna ary niresahako momba ny fivavahako.

Niverina nandika teny

Nafahana avy tany Estonia aho tamin’ny 1964, ary niverina teto Litoania. Nandika ny bokintsika indray àry aho, matetika avy tamin’ny teny rosianina ho amin’ny teny litoanianina. Betsaka ny asa tamin’izany. Nisy ihany ireo nanampy, fa izaho irery no niasa manontolo andro ho an’ny teny litoanianina. Niasa hatramin’ny alahady aho matetika, maraina mandra-paharivan’ny andro. Tsy ho vitako mihitsy izany raha tsy nanampy ahy i Jehovah.

Nitandrina be foana aho satria fantatro fa tena ilaina ny asako. Matetika ny mpiray finoana sy ny fianakaviany no nanao vivery ny ainy rehefa nanafina ahy, nanome izay zavatra nilaiko, ary niaro ahy. Nahatonga anay hifankatia be izany fiaraha-miasa izany. Nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviana iray aho rehefa niasa. Izy ireo no nijery sao nisy olona mety hitati-bolana momba ny asako. Nokapohiny indroa tamin’ny vy ny fantsona fanafanana, mba hampahafantarana ahy fa misy olona tamy. Amin’izay, dia afeniko haingana izay zavatra mety hahatratrarana ahy.

Rehefa hitanay fa misy manara-maso ny trano misy ahy, dia mifindra toerana haingana aho. Olon-kafa no manatitra ny milina fanoratako any amin’ilay toerana. Heverina ho toy ny mpanao heloka bevava mantsy, tamin’izany, izay olona nanana milina fanoratana nefa tsy nahazoan-dalana. Amin’ny alina aho matetika no mifindra.

Tena niaro ahy i Jehovah. Fantatry ny manam-pahefana ny asa nataoko nefa tsy nanana porofo ry zareo. Rehefa notsaraina, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah valo, tamin’ny 1973, dia nampanantsoin’ny mpampanoa lalàna aho mba halaina am-bavany. Tonga dia nanontaniany aho hoe: “Mockutė a! Firy izao ny boky voadikanao hatramin’izay?”

Nilaza aho fa tsy afaka namaly an’izany fanontaniany izany. Hoy àry izy: “Fa fanontaniana hoatran’ny ahoana àry no azonao valiana?”

“Izay tsy mifandray amin’io asa io”, hoy aho.

Nihatsara ny toe-javatra

Nihatsara ny toe-draharaha teto Litoania, taloha kelin’ny 1990. Tsy nilaina intsony ny niafina ny manam-pahefana. Olon-kafa indray àry no nandika teny nanomboka tamin’ny 1990. Avy eo, ny 1 Septambra 1992, dia nisy birao kely fandikan-teny natsangana, teto Klaïpeda, tanàna misy ahy izao.

Nandika teny tany amin’ny toerana 16 nandritra ny 30 taona aho, raha atambatra. Tsy mba nanana trano aho, nefa faly be mahita ny vokatry ny asanay. Efa 3 000 eo ho eo izao ny Vavolombelon’i Jehovah eto Litoania. Niafina aho taloha rehefa nandika teny tany amin’ireo toeram-piompiana sy efitra mifanolotra amin’ny tafon-trano. Toerana arifomba sy milamina tsara kosa izao no anaovana an’io asa io any amin’ny biraon’ny sampan’i Litoania, any akaikin’ny tanànan’i Kaunas.

Mbola tadidiko hatramin’izao ny zava-niseho tao amin’ilay fonja nangatsiaka teto Klaïpeda, efa ho 60 taona izao. Tena nanova ny fiainako iny! Isaorako foana i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe, satria nahalala ny marina momba azy sy ny fikasany aho, ka nanokana ny fiainako hanaovana ny sitrapony.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Nanohina ny fonay efa-bavy ny fahamarinana nampianarin’i Lydia anay tany am-ponja, ka tena nanova ny fiainanay

[Sary, pejy 12]

Nivoaka an-gazety ilay fitsarana ahy tamin’ny 1962

[Sary, pejy 14, 15]

Santionan’ny zavatra nadikako, izay nety ho nampigadra ahy

[Sary, pejy 15]

I Lydia no nampianatra ahy ny fahamarinana ara-baiboly tany am-ponja

[Sary, pejy 15]

Vavolombelona roa (eo ankavia) nampianatra ahy bebe kokoa momba an’Andriamanitra, tany amin’ny fonja iray any amin’ny faritr’i Khabarovsk, Rosia (1956)

[Sary, pejy 15]

Milina fanoratana nampiasaiko nandritra ny fandrarana