Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Plovdiv, Tanàna efa Nisy Hatry ny Ela

Plovdiv, Tanàna efa Nisy Hatry ny Ela

Plovdiv, Tanàna efa Nisy Hatry ny Ela

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BOLIGARIA

TRANAINY kokoa noho i Roma sy Carthage ary Constantinople i Plovdiv, izay misy mponina 350 000 eo ho eo. Eo amin’ireo havoana fito any afovoan’i Boligaria no misy azy.

Nisy korontana foana tao amin’io tanàna nalaza io. Hahita porofon’izany ianao rehefa mandeha eo amin’ireo arabe tranainy ao aminy. Ho hitanao ao mantsy ny trano naorin’ny Thraces, izay foko tena nahery velona taonjato maro talohan’i Kristy. Misy tsangambato grika sy kianjana teatra naorin’ny Romanina koa ao, ary tilikambo tiorka.

Ilay ‘tanàna tsara indrindra’

Porofoin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka, tao Plovdiv sy ny manodidina azy, fa efa nisy mponina tao talohan’ny taona 1000 Talohan’i Kristy (T.K.) Nilaza i Ammien Marcellin, mpahay tantara romanina, fa talohan’ny taonjato fahefatra T.K., dia nisy tanàna mimanda naorin’ny Thraces teo amin’ny toeran’i Plovdiv ankehitriny. Nantsoina hoe Eumolpias ilay tanàna. Resin’i Philippe II, rain’i Aleksandra Lehibe izy io, tamin’ny 342 T.K. Novan’io mpanjakan’i Makedonia io hoe Philippopolis ny anaran’ilay tanàna.

Nitsiriritra an’io tanàna io koa ny Romanina, satria tao no nisy ny Via Diagonalis, sampanan-dalana nampitohy ny faritra Balkans. Azon’izy ireo izy io tamin’ny taona 46, ka nataony renivohitr’i Thrace sady novany hoe Trimontium indray ny anarany. Nanorenan’izy ireo kianjam-panatanjahan-tena sy kianjana teatra (sary eo ambony), toerana fandroana ary trano mampiavaka azy ireo tao.

Tena kanto i Trimontium, araka ny tenin’i Lucien, mpanoratra avy any Samosate. Naorina teo amin’ny havoana telo, eo akaikin’ny Tandavan-tendrombohitra Rhodope mantsy izy io. (Jereo ilay hoe  “Ilay Tanana eo Amin’ny Havoana Fito”, pejy faha-18.) Tsy lavitra ny Reniranon’i Marica koa i Trimontium, ary misy tany lonaka midadasika eo akaikiny. Izy io no “tanàna lehibe indrindra sy tsara indrindra” tamin’izany, hoy i Lucien.

Ny Slavy indray no nonina tao amin’ilay faritra, rehefa tsy nahery intsony ny Romanina. Inefatra ireo mpanao ady masina no nandroba ilay tanàna, nandritra ireo taonjato vitsivitsy taorian’izay. Nisy fiovana lehibe anefa tamin’ny taonjato faha-14, rehefa azon’ny Tiorka ilay tanàna. Novan’izy ireo hoe Philibé ny anaran’izy io, ary izy ireo indray no nanjaka tao hatramin’ny 1878. Mbola mijoro ao sy mampahatsiahy ny lasa ny fiangonana silamo atao hoe Jumaia, izay misy tilikambo sy famantarana ora amin’ny alalan’ny aloka.

Novana hoe Plovdiv ny anaran’ilay tanàna, rehefa resin’ny Rosianina ny Tiorka tamin’ny 1878. Nisy tsenabe tao tamin’ny 1892, ka lasa niroborobo be ny toe-karenany. Lasa foibem-barotra lehibe indrindra eto Boligaria i Plovdiv nanomboka teo. Nifehy vetivety an’i Plovdiv ny Nazia nandritra ny ady lehibe faharoa, nefa noroahin’ny Sovietika tamin’ny 1944. Rava koa anefa ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1989, ka afaka teo ambany fahefan’ny fitondrana natanjaka indray i Plovdiv. Mety ho nanana tanjona tsara ny mpitondra sasany tany Plovdiv. Tsy tratran’izy ireo anefa izany satria tsy ho tonga lafatra mihitsy ny fitondran’olombelona.

Tonga any Plovdiv ny vaovao tsara

Nosoratana ho ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Nabludatelna Kula (Tilikambo Fiambenana) tamin’ny 1938. Nanao pirinty sy nizara Baiboly sy boky ara-baiboly nanerana an’i Boligaria izy io. Nampahory ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny fitondrana kominista teto. Na izany aza, dia nitory foana izy ireo, ka nanambara ny vaovao tsara momba ny Fanjakana iray tonga lafatra any an-danitra. (Matio 24:14) Nandray tsara ny olona sasany, ka roa izao ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Plovdiv, ary misy mpitory 200 mahery.

Boligara ny ankamaroan’izy ireo, nefa misy koa Amerikanina, Anglisy, Italianina, Kanadianina, Moldavianina, ary Poloney. Tsy mahagaga izany satria firenena maro no nifandimby nitondra tao. Miara-mitory izy ireo, ka miresaka amin’ny mpiara-monina aminy hoe hisy fanjakana tonga lafatra amin’ny hoavy. Tsy ny mponin’i Plovdiv ihany amin’izay no hiaina ao anatin’ny filaminana, fa ny olona eran-tany mihitsy. “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

“ILAY TANÀNA EO AMIN’NY HAVOANA FITO”

  Tsy mora amin’ny mpizaha tany tonga any Plovdiv ny mahita ireo havoana fito, na tepe araka ny iantsoana azy atỳ. Naletsy mantsy ny havoana Tepe Markovo, rehefa nitatra ilay tanàna, zato taona lasa izay. Mbola ao kosa ny enina, izay porofon’ireo zava-nitranga fahiny tao Plovdiv.

Ireto ny telo, izay mora tazana: Tepe Bunardjik, Tepe Djendem, ary Tepe Sahat. Natao hoe Sahat ilay fahatelo noho ilay tilikambo misy famantaranandro naorin’ny Tiorka teo amin’izy io. Ireto kosa ny havoana telo hafa tao Trimontium (anarana nomen’ny Romanina an’i Plovdiv): Ny Tepe Djambaz izay lehibe indrindra sy avo indrindra, ny Tepe Taksim, ary ny Tepe Nebet izay teny tiorka midika hoe “Havoana Mpiambina.”

Koa satria nitatra foana ny tanànan’i Plovdiv, aiza ny faritra tranainy indrindra amin’izy io? Ao amin’ny faritra nisy an’i Trimontium fahiny. Manomboka eo amin’ny sisa tavela amin’i Philippopolis izany, anisan’izany ny mandany, ka hatrany amin’ilay kianjana teatra naorin’ny Romanina, izay mbola ampiasaina hatramin’izao. Mahaliana koa ireo trano eo an-tsisin’ireo arabe tery vita rarivato, izay trano efa tamin’ny taonjato faha-18 sy faha-19.

[Sary nahazoan-dalana]

© Caro/Andreas Bastian

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

BOLIGARIA

SOFIA

Plovdiv

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Sary ambony: © Wojtek Buss/age fotostock; sary ambany: David Ewing/Insadco Photography/age fotostock