Tsy Tena Mamaha Olana ny Fanalana Zaza
Tsy Tena Mamaha Olana ny Fanalana Zaza
NIHEVITRA foana i Bill taloha hoe fahotana lehibe ny fanalana zaza, toy ny famonoana olona ihany. Niova hevitra anefa izy, rehefa izy mihitsy no tsy maintsy nanapa-kevitra momba izany, tamin’ny 1975. Bevohoka mantsy i Victoria, ilay ankizivavy niarahany, nefa izy tsy vonona hanambady sy hitaiza. Hoy izy: “Avy hatrany aho dia nifidy ny vahaolana tsotra indrindra. Niteny tamin’i Victoria aho hoe tsy maintsy manala zaza izy.”
Maro no mifidy an’io vahaolana lazaina fa tsotra indrindra io, rehefa sendra ny tsy nampoizina. Notombanana ho 42 tapitrisa ny isan’ny fanalana zaza maneran-tany, tamin’ny 2003. Avy amin’ny firazanana sy firenena ary fivavahana samy hafa ireo vehivavy manala zaza. Ao ny mahantra, ny manankarena, ny nahita fianarana, ny tsy dia nianatra firy, ny vao tonga fotoana, ary ny efa hitsaha-jaza. Raha tsy maintsy manapa-kevitra ianao hoe hanala zaza sa tsia, ahoana no hataonao? Fa nahoana tokoa no maro ny olona manala zaza?
“Izay ihany no vahaolana hitako”
Hoy ny vehivavy iray 35 taona: “Vao iray volana sy tapany ny zanako tamin’izay, dia bevohoka indray aho. Efa nijaly be anefa aho tamin’ny nitondra vohoka, sady avy eo saro-piterahana. Izahay koa tsy nanam-bola mihitsy, sady nisy korontana tao an-tokantranonay. Nanapa-kevitra hanala zaza àry izahay. Fantatro fa tsy mety izany, nefa izay ihany no vahaolana hitako.”
Maro ny antony mahatonga ny vehivavy hanala zaza. Eo, ohatra, ny olana ara-bola. Tsy mifanaraka koa angamba izy sy ilay lehilahy nahabevohoka azy, na mampijaly azy izy io, ka tsy te hifandray aminy intsony izy. Mety ho manana tanjona hafa koa ilay vehivavy, na izy sy ilay lehilahy, ka tsy te hiteraka.
Misy koa mifidy ny hanala zaza, mba tsy hanala baraka ny ray aman-dreniny. Nisy ankizivavy te hanala zaza, ohatra, nanatona ny dokotera iray atao hoe Susan Wicklund. Nitantara io dokotera io hoe izao no nolazain’ilay ankizivavy taminy: “Mpivavaka be i Dada sy Mama. ... Ho afa-baraka ry zareo, raha miteraka tsy manambady aho. Ho hitan’ny namany rehetra mantsy fa nanota ny zanany vavy.”
Namaly ilay dokotera hoe: “Dia manota tokoa izany ianao, amin’ny Dada sy Mamanao! Fa ahoana ny heviny momba ny fanalana zaza?” Hoy ilay ankizivavy: “Tsy hamela ny heloko mihitsy ry zareo, raha manala zaza aho! Kanefa, aleoko aza izay, satria tsy hisy hahalala mihitsy ilay izy. Tsy hisy hahalala koa ny naman-dry zareo any am-piangonana.”
Na inona na inona antony, dia tsy mora mazàna ny manapa-kevitra hoe hanala zaza sa tsia. Tena mampiady saina izany. Kanefa, mamaha olana tokoa ve ny fanalana zaza?
Diniho ny vokany
Nisy fanadihadiana natao tamin’ny vehivavy nanala zaza, tamin’ny 2004. Rosianina ny 331, ary Amerikanina ny 217. Ny antsasany tamin’izy ireo no nalahelo noho izy nanala zaza. Hita koa fa efa ho ny antsasak’ireo Rosianina nohadihadina sy ny ankamaroan’ireo Amerikanina no “nanamelo-tena.” Nilaza koa ny roa ampahatelon’ireo Amerikanina fa ‘nenjehin’ny eritreriny foana.’ Araka izany, dia maro no manamelo-tena rehefa manala zaza, ary mahatsapa an’izany na dia ireo tsy mpivavaka aza. Koa nahoana àry no mbola be dia be ny vehivavy manala zaza?
Matetika no misy olona mampirisika mafy azy, ka milaza aminy fa ny fanalana zaza no vahaolana tsotra kokoa. Mety ho ny ray aman-dreniny izany, na ny vadiny, na ny namany. Noho izany, dia mety ho maimaika hanapa-kevitra izy, fa tsy hieritreritra tsara. Hoy ny Pr. Priscilla Coleman, manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina mpanjo ny olona manala zaza: “Mikorontan-tsaina be ny vehivavy, amin’ny fotoana anapahany hevitra. Rehefa vita anefa ilay fanalana zaza, dia afaka misaina tsara kokoa izy, ka matetika no manenjika azy ny eritreriny, malahelo be izy, ary manenina mafy.”
Manenina ireny vehivavy ireny matetika, rehefa mandinika hoe efa niaina ve ilay zaza nesorina tao an-kibony. Nilaza ny tatitra navoakan’ny Mpikaroka avy any Dakota Atsimo tamin’ny 2005, fa “vehivavy maro no voafitaka, satria nilazana fa ‘fitambaran-tsela’ fotsiny no tao an-kibony. Nilaza ireny vehivavy ireny fa tsy ho nanala zaza izy, raha nahalala ny marina.”
Vehivavy 1 940 no nijoro ho vavolombelona tamin’izay, ary tena “manaitra sy mahavaky fo” ny zavatra nolazainy. Hoy ihany ilay tatitra: ‘Maro amin’izy ireo no malahelo mafy ny zanany, izay nolazaina hoe mbola tsy nisy, ka nanjary tezitra be izy ireo. Matetika no tena voadona ny sain’ireny vehivavy ireny, nony fantany fa namono ny zanany izy.’
Inona àry no marina? Fitambaran-tsela fotsiny ve no esorina ao an-kibon’ny vehivavy manala zaza? Ary efa miaina ve ny zaza ao am-bohoka?
[Efajoro/Sary, pejy 4]
IREO NIFIDY HITERAKA SY IREO NANALA ZAZA
Nisy fikarohana natao tamin’ny 2006, ka nodinihina tamin’izany ny fiainan’ny vehivavy maro be, izay bevohoka tamin’izy mbola tsy ampy taona. Nifidy ny hiteraka ny antsasak’izy ireo, ary nanala zaza ny antsasany. Hita fa “vitsy kokoa tamin’ireo nifidy ny hiteraka no tsy nahita tory, nifoka rongony, ary nila ny torohevitry ny mpitsabo aretin-tsaina.”—Gazetin’ny Tanora (anglisy).
Nisy fanadihadiana efatra koa natao tamin’ny vehivavy maro maneran-tany. Hita tamin’izany fa ‘betsaka tamin’ireo nanala zaza no voan’ny aretin-tsaina, raha oharina amin’ireo tsy nanala.’—Tatitra Navoakan’ny Mpikaroka avy any Dakota Atsimo Tamin’ny 2005 (anglisy).