Ahoana no Havalinao?
Ahoana no Havalinao?
Taiza no Nitrangan’ity?
1. Taiza ny tanàna nitrangan’io?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:1-13.
Asio boribory ny valin-teninao eo amin’ny sarintany.
Atena
Jerosalema
Babylona
◼ Avy aiza no fiavian’ny ankamaroan’ireo mpianatra?
․․․․․
◼ Nahoana no naneso an’ireo mpianatra ny olona sasany?
․․․․․
IARAHA-MIDINIKA:
Raha ampitahaina io tantara io sy ilay ao amin’ny Genesisy 11:1-9, inona no itovizany, ary inona no tsy itovizany?
Ato Amin’ity Gazety Ity
Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.
PEJY 4 Mety ho difotry ny inona ny olona iray? 2 Korintianina 2:․․․
PEJY 6 Inona no hataon’ny fiadanan’Andriamanitra? Filipianina 4:․․․
PEJY 28 Mafana fo ho an’Andriamanitra ny olona sasany saingy tsy araka ny inona? Romanina 10:․․․
PEJY 29 Iza no tokony hankatoavintsika? Asan’ny Apostoly 5:․․․
Ho An’ny Ankizy
Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.
Fantatrao Tsara ve i Otniela Mpitsara?
Vakio ny Mpitsara 3:7-11. Valio ireto fanontaniana ireto.
2. ․․․․․
Avy tamin’ny fokon’iza izy?
Vakio ny Josoa 15:17, 20.
3. ․․․․․
Nanavotra ny Israely avy teo ambany fitondran’iza izy?
4. ․․․․․
Marina sa Diso ny hoe velona talohan’i Mosesy izy?
IARAHA-MIDINIKA:
Modely tamin’inona i Kaleba, dadatoan’i Otniela?
Vakio ny Nomery 14:6-9. Iza no havanao manana toetra mahafinaritra anao, ary lazao izay tena mampiaiky anao aminy.
◼ Valiny, pejy 11
VALIN’NY PEJY 31
1. Jerosalema.—Asan’ny Apostoly 2:5.
◼ Galilia.—Asan’ny Apostoly 2:7.
◼ Noheveriny fa mamo izy ireo.—Asan’ny Apostoly 2:13.
2. Joda.—Josoa 15:17, 20.
3. Kosana-risataima.—Mpitsara 3:8.
4. Diso.