Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diso ve Ianao Raha Miova Finoana?

Diso ve Ianao Raha Miova Finoana?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Diso ve Ianao Raha Miova Finoana?

Nanaraka ny Fivavahana Sikh ny fianakavian’i Avtar. Tezitra ry zareo rehefa nianatra Baiboly izy. Hoy i Avtar: “Ailikiliky ny fiaraha-monina izay miova finoana, atỳ aminay. Na ny anaranay aza misy heviny ara-pivavahana. Raha miova finoana àry ianao, dia toy ny hoe mandà ny maha ianao anao, sady tsy manaja ny fianakavianao.”

LASA Vavolombelon’i Jehovah i Avtar. Diso ve izy satria niova finoana? Mitovy hevitra amin’ny havany angamba ianao. Mety hieritreritra ianao hoe efa fivavahan-drazanao ilay arahinao izao, ka tsy tokony hialana.

Tena ilaina ny manaja ny fianakaviana. Hoy mantsy ny Baiboly: “Henoy ny rainao niteraka anao.” (Ohabolana 23:22) Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny mitady ny marina momba ny Mpamorona sy ny fikasany. (Isaia 55:6) Azo atao ve izany? Raha eny, tena vonona hitady izany ve ianao?

Tadiavo ny fivavahana marina

Mifanipaka ny zavatra ampianarin’ireo fivavahana. Tsy afaka ny ho marina daholo izy ireny. Maro àry ny olona ‘mafana fo ho an’Andriamanitra saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara’, hoy ny Baiboly. (Romanina 10:2) Milaza anefa ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Timoty 2:4 fa sitrapon’Andriamanitra ‘ny hananan’ny karazan’olona rehetra fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ Ahoana no hahitana an’izany fahalalana marina izany?

Ilaina ny mandinika ny Baiboly. Hoy mantsy i Paoly, izay nahazo ny herin’ny fanahy masina: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.” (2 Timoty 3:16) Rehefa mikaroka ny marina àry ianao, dia hamarino koa raha avy amin’ny Mpamorona tokoa ny Baiboly. Fakafakao ny fahendrena tsy manam-paharoa raketiny sy ny fahamarinany ara-tantara, ary ny faminaniany tanteraka.

Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe eken’Andriamanitra daholo ny fivavahana. Ampirisihiny kosa ny mpamaky azy mba tsy hino izay rehetra reny, fa ‘hamantatra aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.’ (1 Jaona 4:1) Tokony hifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra, ohatra, izay fampianarana tena avy aminy. Anisan’izany ilay toetrany miavaka indrindra, dia ny fitiavana.—1 Jaona 4:8.

Manome toky antsika ny Baiboly fa irin’Andriamanitra “hahita azy tokoa” isika. (Asan’ny Apostoly 17:26, 27) Raha tian’ny Mpamorona hitady ny marina àry isika, diso ve isika raha manao zavatra mifanaraka amin’izay porofo hitantsika? Mety hiova fivavahana mihitsy aza isika amin’izany. Inona anefa ny olana amin’izay?

Fianakaviana sa fivavahana?

Mety hanapa-kevitra ny olona miova finoana, fa tsy handray anjara intsony amin’ny fombafomba sy fety ara-pivavahana sasany. Tsy mahagaga raha ho tezitra mafy aminy ny fianakaviany. Niaiky izany i Jesosy rehefa niteny tamin’ny mpianany hoe: “Tonga aho hampisaraka ny lehilahy amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny.” (Matio 10:35) Te hilaza ve izy hoe natao hampiadiana olona ny fampianaran’ny Baiboly? Tsia. Nolazainy fotsiny izay mety hiseho rehefa misy olona mifikitra amin’ny zavatra inoany, nefa toherin’ny fianakaviany satria tsy mitovy amin’ny azy ireo.

Tokony hanao izay tian’ny fianakavianao foana ve ianao mba tsy hiadianareo? Ampianarin’ny Baiboly fa tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy, ary tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy. (Efesianina 5:22; 6:1) Ilazany koa anefa ireo tia an’Andriamanitra fa ‘Andriamanitra no mpitondra azy ireo ka izy no tsy maintsy ankatoaviny, fa tsy olona.’ (Asan’ny Apostoly 5:29) Mety tsy ho tian’ny havanao sasany àry indraindray ny fanapahan-kevitrao tsy hivadika amin’Andriamanitra.

Avahan’ny Baiboly tsara ny fampianarana marina sy ny fampianarana diso. Na izany aza, dia avelan’Andriamanitra hifidy izay tiany arahina ny tsirairay. (Deoteronomia 30:19, 20) Tsy terena hanaraka fivavahana iray ny olona raha tsy eken’ny sainy izany. Tsy tokony hoterena koa ny olona hisafidy hoe ny fianakaviany sa ny fivavahany. Mampisara-bazana ny mpianakavy àry ve ny fianarana Baiboly? Tsia. Ny Baiboly aza mampirisika ny mpivady tsy mitovy finoana mba hiara-mitoetra foana.—1 Korintianina 7:12, 13.

Aza matahotra

Manahy angamba ianao hoe inona no hataon’ny manodidina anao raha mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Hoy i Mariamma: “Natahotra ny havako sao dia tsy hahazo vady tsara afaka hikarakara ahy aho. Tsy navelany hianatra Baiboly àry aho.” Natoky an’i Jehovah Andriamanitra anefa i Mariamma ka nanohy nianatra. (Salamo 37:3, 4) Afaka manao toy izany koa ianao. Aza atahorana izay ho vokany, fa eritrereto kosa ny tombontsoa ho azonao. Manatsara ny fiainan’ny olona sy ny fitondran-tenany ny Baiboly. Ampianarina ho tia ny mpianakaviny izy, ary ampiana handresy fahazaran-dratsy. Anisan’izany ny fanaovana teny mandratra, herisetra, fimamoana ary ny fampiasana zava-mahadomelina. (2 Korintianina 7:1) Ampirisihina hanana toetra tsara koa izy, ohatra hoe tsy mivadika, manao ny marina ary mazoto miasa. (Ohabolana 31:10-31; Efesianina 4:24, 28) Nahoana raha mianatra Baiboly? Ho hitanao fa hahasoa ny mampihatra ny fampianarana ao!

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Nahoana ianao no tokony handinika tsara izay ampianarin’ny fivavahana misy anao?—Ohabolana 23:23; 1 Timoty 2:3, 4.

◼ Ahoana no ahafantaranao ny fampianarana tena marina?—2 Timoty 3:16; 1 Jaona 4:1.

◼ Tokony tsy hianatra Baiboly ve ianao satria tsy avelan’ny fianakavianao?—Asan’ny Apostoly 5:29.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Manatsara ny fiainan’ny olona sy ny fitondran-tenany ny Baiboly

[Sary, pejy 29]

Mariamma sy ny vadiny