Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana”

Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana”

Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana”

MARO ny ‘zavatra nampanahy’ sy nampalahelo an’i Davida Mpanjaka. Fantany anefa fa tena mahatakatra izay mahazo ny olombelona ny Mpamorona. Hoy izy: “Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ahy, na mipetraka aho na mitsangana. Fantarinao avy eny lavitra eny ny eritreritro. Fa mbola tsy manonona teny akory ny lelako, dia efa fantatrao sahady ny tiako holazaina, Jehovah ô!”—Salamo 139:1, 2, 4, 23.

Afaka matoky koa isika fa mahatakatra izay mahazo antsika ny Mpamorona. Takany fa misy vokany ratsy eo amin’ny saintsika sy ny vatantsika tsy lavorary ny fahaketrahana. Fantany ny mahatonga ny olona ho ketraka lava sy ny fomba tsara indrindra iatrehana an’izany. Lazainy mihitsy aza fa hofoanany mandrakizay io aretina io. Tsy misy afaka tena manampy antsika hiatrika an’io aretina io afa-tsy “Andriamanitra, izay mampahery ny ory fo.”—2 Korintianina 7:6, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Mety hieritreritra anefa ireo olona ketraka lava hoe ahoana no anampian’Andriamanitra azy rehefa tena ory izy.

Azon’ny olona ketraka hatonina ve Andriamanitra?

Tena akaiky an’ireo mpanompony ketraka Andriamanitra, ka toy ny hoe mitoetra eo amin’ny “torotoro fo sy manetry tena, mba hamelombelona ny sain’ireo manetry tena sy ny fon’ireo torotoro fo.” (Isaia 57:15) Mampionona tokoa ny mahalala fa “akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka”!—Salamo 34:18.

Ahoana no ahazoan’ireo ketraka fampiononana avy amin’Andriamanitra?

Afaka manatona an’ilay “Mpihaino vavaka” amin’ny fotoana rehetra ny mpanompony. Izy no afaka manampy antsika hiatrika ny fahaketrahana sy ny toe-javatra mahakivy. (Sal. 65:2) Mampirisika antsika hamboraka ny ao am-pontsika aminy ny Baiboly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7.

Ahoana raha mahatsiaro tena ho tsy mendrika isika, ka mihevitra fa tsy hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika?

Noho ny fahaketrahana, dia mety hihevitra isika fa tsy ampy ny ezaka ataontsika mba hampifaliana an’Andriamanitra. Mahatakatra ny fihetseham-pontsika anefa ilay Raintsika any an-danitra, ka “tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:14) ‘Mety hanameloka antsika ny fontsika’, nefa afaka ‘manome toky’ azy io isika fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ (1 Jaona 3:19, 20) Azontsika ampiasaina ao amin’ny vavaka ataontsika àry ny teny hitantsika ao amin’ny andinin-teny toy ny Salamo 9:9, 10; 10:12, 14, 17; ary 25:17.

Ahoana raha ory loatra isika ka tsy mahavita mamboraka izay ao am-pontsika?

Aza milavo lefona raha be loatra ny fahorianao ka tsy hitanao izay holazaina! Manatòna foana an’ilay “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, satria takany ny fihetseham-ponao ary fantany izay ilainao. (2 Korintianina 1:3) Hoy i Maria, voaresaka teo aloha: “Mikorontana ny saiko indraindray, ka tsy haiko izay tokony holazaina ao amin’ny vavaka. Fantatro anefa fa takatr’Andriamanitra izay mahazo ahy, ary manampy ahy izy.”

Ahoana no amalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika?

Tsy milaza ny Baiboly hoe esorin’Andriamanitra izao dia izao ny olana rehetra mahazo antsika. Manome hery kosa izy mba hiatrehantsika ny “toe-javatra rehetra”, anisan’izany ny fahaketrahana. (Filipianina 4:13) Hoy i Miora: “Tamin’izaho vao nanomboka ketraka, dia nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanasitrana ahy teo no ho eo. Nihevitra mantsy aho fa tsy ho zakako ilay izy. Ny hery ilaiko isan’andro mba hiatrehako an’ilay izy indray izao no angatahiko.”

Manome hery ho an’ny olona ketraka ny Soratra Masina. Ketraka nandritra ny 35 taona i Sanda. Tsapany fa tena nanampy azy hiatrika an’izany ny famakiana Baiboly isan’andro. Hoy izy: “Nahasoa ahy ny fitsaboana avy amin’ny dokotera. Hitako anefa fa ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no tena nanampy ahy. Nataoko fahazarana ny namaky azy io.”

Tsy hisy ho ketraka intsony!

Nanasitrana aretina maro i Jesosy Kristy tamin’izy teto an-tany, noho ny hery nomen’Andriamanitra azy. Naniry hanamaivana ny fijalian’ireo narary mafy izy. Efa mba nitebiteby sy nalahelo mafy koa izy. Ny alina talohan’ny nahafatesany, ‘dia nitalaho sy niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty i Kristy, ary nitaraindraina mafy sy nitomany.’ (Hebreo 5:7) Mandray soa isika ankehitriny mahafantatra an’io toe-javatra niainan’i Jesosy io, satria “afaka manampy an’izay iharam-pitsapana izy.”—Hebreo 2:18; 1 Jaona 2:1, 2.

Lazain’ny Baiboly fa fikasan’Andriamanitra ny hanaisotra ny zava-drehetra mampahory, izay mahatonga fahaketrahana. Mampanantena izy hoe: “Hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Dia tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha. Koa miravoravoa sy mifalia mandrakizay noho ny amin’izay hoforoniko.” (Isaia 65:17, 18) Hahatonga ny “tany vaovao” na ny olo-marina eto an-tany ho salama tsara ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-panahy indray, ny “lanitra vaovao” na ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho foana mandrakizay ny aretina.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao amin’ny lavaka lalina dia lalina aho. Ho renao tokoa ny feoko. Aza manampin-tsofina tsy hanafaka ahy. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho. Nanatona ianao tamin’ilay andro niantsoako anao, ka niteny hoe: ‘Aza matahotra.’ ”​—Fitomaniana 3:55-57

[Efajoro/Sary, pejy 7]

‘MANAOVA TENY MAMPAHERY NY KIVY’

Ketraka i Barbara sady nahatsapa ho tsy misy vidiny. Miantso an-telefaonina an’i Gerard izy sy ny vadiny rehefa tsy zakany intsony ilay izy. Naman’izy ireo i Gerard, sady anti-panahy. Henoiny tsara foana i Barbara rehefa mitantara amin-dranomaso ny zavatra mampalahelo azy, na dia efa notantarainy foana aza izany.

Miezaka mihaino tsara i Gerard, fa tsy mitsaratsara, na miady hevitra, na manome tsiny. (Jakoba 1:19) Miezaka manao “teny mampahery ny kivy” izy, araka ny torohevitry ny Baiboly. (1 Tesalonianina 5:14) Omeny toky i Barbara fa tena sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fianakaviany ary ny namany izy. Mazàna i Gerard no mamaky andinin-teny iray na roa mampahery avy ao amin’ny Baiboly, na dia efa novakiny teo aloha aza ny sasany aminy. Mivavaka miaraka amin’i Barbara sy ny vadiny an-telefaonina izy avy eo. Hitan’izy ireo fa tena mampionona izany.—Jakoba 5:14, 15.

Tsy dokotera i Gerard, ka tsy maka ny toeran’ny dokoteran’i Barbara. Manampy amin’ny fitsaboana an’i Barbara anefa izy, rehefa mamaky andinin-teny mampionona sy manao vavaka mampahery. Vitsy mantsy ny dokotera manao izany.

Mba ‘hanaovana teny mampahery ny kivy’, dia...

Afaka milaza ianao hoe: “Tiako ho fantatrao fa tena nahatsiaro anao aho. Fantatro fa tsy salama matetika ianao. Nanao ahoana ianao izay?”

Tsara ho fantatra: Mitenena amim-pahatsorana ary henoy ilay olona ketraka, na dia zavatra efa nolazainy teo aloha aza no resahiny. Ataovy tsapanao izay manjo azy.

Afaka milaza ianao hoe: “Gaga aho mahita ny zava-bitanao (na “Mahavariana ahy ny toetra kristianina asehonao”), na eo aza ny tsy fahasalamanao. Mety hoe te hanao bebe kokoa ianao, nefa tsarovy fa tia anao sy mankasitraka izay vitanao i Jehovah, ary toy izany koa izahay.”

Tsara ho fantatra: Aoka ianao hangoraka sy ho tsara fanahy.

Afaka milaza ianao hoe:Nahita an’ity andinin-teny mampahery ity aho.” Na “Nahatsiaro anao aho rehefa namaky indray an’ity andinin-teny tena tiako ity.” Vakio na tonony ilay andininy avy eo.

Tsara ho fantatra: Aza be fananarana.

[Efajoro, pejy 9]

Fampiononana avy ao Amin’ny Soratra Masina

Mampahery an’i Lorraine ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Isaia 41:10, hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.”

Milaza i Andry fa matetika no mampionona azy ny teny ao amin’ny Salamo 34:4, 6, hoe: “Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy, ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra. Niantso ity olona ory ity, dia nohenoin’i Jehovah, ka novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.”

Milaza i Naoya fa mampionona azy foana ny mamaky ny Salamo 40:1, 2, hoe: “Nanantena fatratra an’i Jehovah aho, dia nanongilan-tsofina nihaino ahy izy ka nandre ny antso vonjy nataoko. ... Nampandehaniny teo amin’ny tany mafy tsara aho.”

Mampahery an’i Naoko ny Salamo 147:3, hoe: “Manasitrana an’ireo torotoro fo [i Jehovah], ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.”

Manampy an’i Eliz hatoky ny fikarakaran’i Jehovah ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:6, 7, hoe: “Tsy vola madinika roa kely vidy ve no ivarotana fody dimy? Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ireny, na iray akory aza. Fa na ny volon-dohanareo aza voaisa daholo. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”

Andinin-teny hafa:

Salamo 39:12: “Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô, ary aoka ianao hanongilan-tsofina rehefa miantso vonjy aho. Aza odian-tsy hita ny ranomasoko.”

2 Korintianina 7:6: “Mampahery ny ory fo” Andriamanitra.—DIEM.

1 Petera 5:7: “Apetraho aminy [Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”