Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Rehefa Mitondra Fiara!

Mitandrema Rehefa Mitondra Fiara!

Mitandrema Rehefa Mitondra Fiara!

AN-TAPITRISANY ny olona mihevitra fa ilaina ny fiarakodia. Mety hitera-doza anefa ny fitondrana fiara. Voalaza mantsy fa 1 200 000 mahery, isan-taona, ny olona matin’ny lozam-piarakodia eran-tany! Tena ilaina àry ny mitandrina. Ireto misy dingana mila arahina.

Azonao antoka ve fa hahavita hitondra ianao?

Milaza ny gazety aostralianina iray, fa tena hihena ny lozam-piarakodia raha tony tsara ny mpamily. Eritrereto àry izao alohan’ny hitondrana fiara: ‘Hahavita hitondra fiara ve aho ary tsy sorena?’ Tsy hisaina tsara ianao ary tsy hahavita hanao zavatra avy hatrany raha reraka. Milaza ny Birao Misahana ny Fitaterana any Philippines fa mety hisy vokany eo amin’ny fahazaran’ny mpamily ny hatezerana sy ny adin-tsaina ary ny fientanentanana. Hahatonga azy hanaonao foana na hahery setra mihitsy aza izany.

Tsy maintsy eritreretina koa ny toe-batana. Mety hahatonga ny olona iray tsy dia hahavita hamily fiara mantsy ny aretina na ny ratra mahazo azy. Manaja ny ain’ny hafa ny mpamily raha tsy mitondra fiara rehefa avy nisotro toaka. Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny mpamily koa ny zava-mahadomelina na ny fanafody sasany. Tsara kokoa indraindray ny mitady olon-kafa hitondra ny fiara, na tsy mandeha mihitsy.

Azonao antoka ve fa mahay mitondra tsara ianao?

Mitombo ny isan’ny fiara, indrindra fa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary mihabetsaka koa ny mpamily tsy za-draharaha. Ireto àry misy zavatra roa azon’ny mpamily atao mba hisorohana ny loza.

Mba mailomailo! Eritrereto izay zavatra mety hitranga tampoka eo aloha sy any aorianao. Fantaro mialoha izay mety hataon’ny mpamily hafa, na dia mety tsy ho ara-dalàna aza ny zavatra ataony. Mifanakaiky loatra ny fiara rehefa mandeha, ka izany no anisan’ny tena mahatonga azy ireny hifandona. Mailo àry ny mpamily raha tsy manakaiky loatra ny fiara eo alohany.

Tadidio fa misy faritra tsy tazanao. Aleo mitodika mba hahitana izay mitranga manodidina anao, fa tsy mianina fotsiny amin’ireo fitaratra fijerena ny any aoriana. Aza varimbariana. Mifantoha amin’ny lalana fa aza manao zavatra hafa, toy ny mitelefaonina na mikitikitika fitaovana hafa.

Ho an’ny mpitaingina môtô: Voalaza fa atahorana kokoa ho faty amin’ny lozam-pifamoivoizana ny mpitaingina môtô, raha oharina amin’ny mpandeha fiara. Inona no azon’ny mpitaingina môtô atao mba hisorohana ny loza? Azony arahina ireo dingana roa noresahina tetsy aloha. Ireto koa anefa misy torohevitra avy amin’ny fikambanana iray any Etazonia: “Ataovy izay ahitan’ny hafa anao.” Areheto foana ny jiro. Aza mankeo amin’ny faritra tsy tazan’ny mpamily. “Miarova tena tsara.” Manaova satroka aro loha sy akanjo matevina mareva-doko mba hiarovana anao. “Aoka ianao ho mailo kokoa.” Tadidio foana hoe mety tsy hahatazana anao ny hafa, ka mitandrema!

Azonao antoka ve fa tsy misy olana ny fiaranao?

Tokony tsy hisy hatahorana ny aminao sy ny fiaranao. Tokony handeha tsara ny fihisatra na freins sy ny zavatra hafa rehetra mampandeha an’ilay fiara. Tokony tsy ho sola ny pne mba tsy hibolisatra ny fiara rehefa eny amin’ny lalana malama. Ho mora entina kokoa ny fiara ary handaitra kokoa ny fihisatra, raha ampy rivotra ny pne. Misy fehikibo fiarovana amin’ny loza ny ankamaroan’ny fiara. Tsy hisy dikany izy ireny raha tsy ampiasaina akory.

Diniho koa ny lalana sy ny fotoana hitondranao fiara. Tsy ho tafajanona avy hatrany ilay fiara, raha mando ny lalana ary indrindra raha misy lanezy. Ho sarotra koa ny hamily an’ilay izy. Raha mandeha amin’ny alina ianao, dia ataovy azo antoka fa mandeha tsara ny jiro ary mandehana mora tsindraindray. Fanomezan’Andriamanitra ny aina. Tokony hiezaka mafy àry isika hiaro azy io, ka hitandrina tsara rehefa mitondra fiara.

[Efajoro/Sary, pejy 13]

FOMBA ITSITSIANA SOLIKA

Aza mitrifatrifana: Ho mora lany ny solika, raha mbetika ianao mandeha mafy ary mbetika mijanona.

Vonoy ny maotera rehefa tsy ilaina: Tsy ilaina hafanaina intsony ny ankamaroan’ny fiara amin’izao fotoana izao, alohan’ny hitondrana azy. Vonoy ny maotera raha hijanona mihoatra ny 30 segondra ianao.

Ataovy ampy rivotra ny pne: Misosa kokoa ny pne raha voky tsara. Hihena be amin’izay ny solika lany.

Mandehana mora: Mety hahita loza ianao raha mandeha mafy, sady mandany solika izany.

[Kisary/Sary, pejy 11]

❏ Mba mailomailo!

❏ Anaovy ny fehikibo fiarovana amin’ny loza

❏ Mifantoha amin’ny lalana fa aza manao zavatra hafa

❏ Aza varimbariana

[Kisary/Sary, pejy 12]

❏ Tadidio fa misy faritra tsy tazan’ny mpamily

❏ Tokony handeha tsara ny fihisatra

❏ Ataovy ampy rivotra ny pne

❏ Tokony tsy ho sola ny pne

❏ Aza manakaiky loatra ny fiara eo aloha

[Kisary/Sary, pejy 13]

❏ “Miarova tena tsara”

❏ “Ataovy izay hahitan’ny hafa anao”

[Kisary/Sary, pejy 13]

❏ Ataovy azo antoka fa mandeha tsara ny jiro