Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nanontany Izahay ka Nahazo Valiny’

‘Nanontany Izahay ka Nahazo Valiny’

‘Nanontany Izahay ka Nahazo Valiny’

◼ Izany no nolazain’ny tanora momba ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. Hoy i Jessicah: “Sahiran-tsaina aho sady tsy natoky tena. Tena nampahery ahy anefa io boky io. Nanampy ahy ny nahafantatra fa tanora maro toa ahy no miatrika olana maro, eo am-piezahany manompo an’Andriamanitra. Saika voavaly tao amin’ilay boky daholo ny fanontaniako momba ny fahatanorana.”

Hoy i Breann: “Natao hampirisihana ny ray aman-dreny sy zanaka hifampiresaka ilay bokinareo, ary nandaitra izany. Alaiko ilay boky ary izay voalaza ao mihitsy no vakiko amin’ny mamanay rehefa te hiresaka aminy aho. Vonona hiresaka amin’ny ray aman-dreniny koa ny namako anankiray, raha vao avy namaky fotsiny azy io.”

Mamaly fanontaniana fametraky ny tanora momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy, ireo toko voalohany ao amin’io boky io. Hoy i Katrina: “Vao mainka nampiaiky ahy ilay boky fa mbola tsy tokony hampiaraka aho, na inona na inona lazain’ny olona. Afaka manao zavatra betsaka koa ny mpitovo! Tsy te hamoy sahady an’izany fahafahana izany aho. Rahatrizay vonona hampiaraka aho, dia efa fantatro hoe ahoana no hatao, ary inona no toetra tiako hananan’izay ho vadiko.”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso iray amin’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Sary, pejy 32]

Jessicah

[Sary, pejy 32]

Breann

[Sary, pejy 32]

Katrina