Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tabàky, Fanatsarana Tarehy Vita Amin’ny Hazo

Tabàky, Fanatsarana Tarehy Vita Amin’ny Hazo

Tabàky, Fanatsarana Tarehy Vita Amin’ny Hazo

◼ Ahitana vehivavy maromaro mitsimpona akorandriaka eny amin’ny morontsiraky ny faritra atsimoandrefan’i Madagasikara. Hamidiny amin’ny mpizaha tany izy ireny. Mihosotra zavatra fotsifotsy antsoina hoe tabàky (na masonjoany) ny tarehin’ireo vehivavy ireo. Miaro ny hoditra amin’ny masoandro izy io, sady manatsara tarehy.

Vita avy amin’ny nofon’ny hazo masonjoany sy fihamy (na aviavy) ny tabàky. Tsotra ny fanamboarana azy: Kikisan’ny vehivavy iray eo amin’ny vato fisaka ilay hazo. Ampiany rano kely tsindraindray izany mba hahazoana feta. Mety haka hazo kely na plastika misy lohany boribory na matsokotsoko izy avy eo. Atsobony ao amin’ilay feta izany, ary anaovany kisarisary eo amin’ny tarehiny.

Ny an’ny vehivavy sasany dia ny tarehiny manontolo mihitsy no hosorany tabàky, ka faritra kely manodidina ny masony ihany no tsy asiany. Ny an’ny hafa indray ny handriny, na ny takolany, na ny saokany fotsiny no hosorany. Natao hanafenana ny tasy amin’ny tarehy ny tabàky, na mba tsy hampivoaka be ny menaka amin’ny hoditra, na hanatsarana endrika. Misy zavatra hafa koa azo afangaro amin’izy io indraindray, mba hahazoana loko isan-karazany sy hahafahana manamboatra sary samihafa.

Iza moa no hieritreritra hoe azo anamboarana zavatra fanatsaran-tarehy koa ny hazo? Marina fa tsy malaza any andafy ny tabàky, nefa tena manatsara tarehy.