Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afeno mba Tsy ho Fantatr’olona!

Afeno mba Tsy ho Fantatr’olona!

Afeno mba Tsy ho Fantatr’olona!

Efa nanao ilay lalao hoe “Sary Miafina” ao amin’ny gazety ve ianao? Ary efa nampiasa Internet mba hividianana entana na hijerena ny volanao any amin’ny banky? Raha izany, dia efa nampiasa mari-pamantarana miafina ianao.

NY TAFIKA, ny fitondram-panjakana, ny mpitsikilo, ary ny masoivoho ihany no mpampiasa mari-pamantarana miafina. Manjary mahazo vahana anefa izao ny ordinatera sy ny Internet, ka ao amin’ireny matetika no tehirizina ny fanazavana tsy tiana ho fantatr’olona. Mampiasa tenimiafina (mot de passe) mantsy ny olona isaky ny hijery izany. Mbola tsy nahakasika fiainana andavanandro toy izao mihitsy àry ny fampiasana mari-pamantarana miafina.

Rariny raha manahy ianao hoe: Tena tsy hisy hahalala tokoa ve ny zavatra tsy tiako ho fantatr’olona? Inona no mbola azoko atao? Eritrereto àry aloha ny fifaninanana henjana nisy hatry ny ela teo amin’ireo mamorona mari-pamantarana miafina sy ireo mahavita mamantatra izany.

Hafatra miafina

Efa hatry ny ela ny olona no nifandefa hafatra sy nitady fomba hanafenana ny fisian’ilay izy. Nitantara, ohatra, i Hérodote mpahay tantara fa nanao izany ny rangahy grika iray babo tany Persa. Henony mantsy fa hanafika an’i Gresy i Persa, ka nanoratra hafatra tamin’ny takela-kazo izy hampitandremana ny mpiray firenena taminy. Nosaronany savoka ilay soratra mba tsy hisy hahita. Tsotra ny hafetseny nefa nahomby. Tsy tampoka tamin’i Gresy àry ilay fanafihana, ka resy ny tafik’i Ksersesy mpanjaka persianina. Nampiasa fomba nitovy tamin’izany koa ny Romanina fahiny.

Nihanivoatra anefa ny fomba fanafenana hafatra, anisan’ny nampiasaina ny teboka faran’izay kely, ny sary ampiasaina hiarovana ny zon’ny mpamorona, ary ny taratasy tsy ahitana soratra raha tsy tarafina. Tamin’ny Ady Lehibe II, ohatra, dia nampiasaina ilay teboka faran’izay kely. Sary no nahena mba hitovy habe amin’ny teboka. Nohalehibeazin’ilay nandefasana azy fotsiny àry ilay izy. Mitovitovy amin’izany no ataon’ny mpivarotra sary vetaveta, ankehitriny. Misy programan’ordinatera ampiasainy, ka sary ratsy no afeniny ao anaty sary na soratra na feo toa tsy mampaninona.

Koa satria ny fisian’ilay hafatra mihitsy no afenina mafy, dia sarotra ny mamantatra hoe iza no nandefa azy io ary iza no nandefasana. Raha sendra misy mahatratra aza ilay hafatra dia azony vakina, raha tsy hoe novana mba ho soratra tsy hay vakina angaha ilay izy.

Ny dikany no afenina

Ny dikan’ilay hafatra, indraindray, no tiana hafenina fa tsy ny fisian’izy io. Misy fomba efa nifanarahana mialoha àry ampifangaroana ny soratra, ka izay olona tiana hamaky azy ihany no mahay mamerina azy amin’ny laoniny mba ho azony vakina.

Nampiasa fomba toy izany ny olona fahiny tany Sparta. Tsotra ilay izy: Naka hodi-biby malefaka sy lavalava ilay nandefa hafatra, ary nahodinkodiny teo amin’ny tehina iray, avy teo amin’ny tendrony iray nankany amin’ny anankiray. Nanoratra nanaraka ny halavan’ilay tehina izy. Toa soratra tsy misy dikany no teo amin’ilay hodi-biby rehefa novahana. Nanana tehina nitovy habe tamin’ilay tehina voalohany anefa ilay nandefasana hafatra. Nahorony teo amin’izy io fotsiny ilay hodi-biby, ary novakiny ilay soratra. Raha tsy tiana hisy hahalala koa anefa ny fisian’ilay hafatra, dia mody natao fehikibo ilay hodi-biby, ary ny lafiny nisy soratra no natao nanolo-koditra.

Fomba tsotra hafa koa ny fanoloana ny litera tsirairay ao amin’ilay hafatra. Soloana d, ohatra, ny a, ary soloana e ny b, dia toy izany hatrany. Izany, hono, no nataon’i Jules César mba tsy ho hay vakina ny hafatra nalefany avy tany an’ady.

Nahita fomba sarotsarotra kokoa ny olona, tatỳ aoriana. Anisan’ny nikoizana tamin’izany ilay Frantsay hoe Blaise de Vigenère, teraka tamin’ny 1523. Nosolosoloany imbetsaka mantsy ny litera tsirairay. Noheverina tamin’izany fa tsy hisy hahay mihitsy ny tetika nampiasainy. Na mahay toy inona aza anefa ny mpamorona mari-pamantarana miafina, dia mbola vitan’ny sasany ihany ny mamantatra izany.

Voamariky ny manam-pahaizana silamo, izay nandinika ny boky masin’ny Silamo, ohatra, fa misy litera miverimberina kokoa noho ny hafa amin’ny teny arabo, toy ny amin’ny teny hafa ihany. Izany zavatra voamarik’izy ireo izany no nanjary nahitana fomba vaovao azo amantarana izay tena asehon’ny litera sasany sy litera maromaro ao amin’ny hafatra tsy hay vakina: Isaina fotsiny hoe impiry ny litera tsirairay no miverimberina.

Nanjary fanaon’ny masoivoho tany Eoropa, tamin’ny taonjato faha-15, ny nanova soratra mba ho lasa tsy hay vakina. Tsy tena azo antoka foana anefa ilay izy. Vitan’ilay Frantsay hoe François Viète, ohatra, ny namantatra ny mari-pamantarana miafina fampiasan’ny tao amin’ny lapam-panjakana espaniola. Tena nahay izy, hany ka kivy ny Mpanjaka Philippe II. Nilaza mihitsy izy fa niray tsikombakomba tamin’ny Devoly i Viète, ka tokony hotsarain’ny fitsarana katolika.

Niditra an-tsehatra ny teknolojia

Tamin’ny taonjato faha-20, dia nanjary arifomba kokoa ny fanovana soratra mba ho lasa tsy hay vakina. Nisy milina nampiasaina mantsy, ka anisan’izany ny Enigma, izay nitovy be tamin’ny milina fanoratana. Nisy zavatra toy ny elatra maromaro nifandray, ka ireo no nanova izay teny nosoratana. Ampitaina amin’ny alalan’ny Morse ilay hafatra avy eo, ary milina Enigma hafa no mandray sy mamaky azy. Na izany aza, dia nahita fomba nahafahany namaky ilay hafatra ihany ny olona sasany. Nety ho nanao diso mantsy ilay mpandefa hafatra ary tsy nitandrina tsara koa rehefa reraka.

Mahazo vahana ny fampiasana ordinatera ankehitriny. Voaro tsara àry ny fanazavana voarakitra an-tsoratra momba ny vola, ny fahasalamana, ny fitondram-panjakana ary ny fandraharahana, satria be tsipiriany ny fomba fiasan’ny ordinatera, ka izay mahazo alalana sy mahalala ny fitsipika amin’izany ihany no afaka mamaky izay voasoratra ao.

Tarehimarika manokana no hampiasain’ny ordinatera hanokafana fanazavana voatahiry ao anatiny. Ny isa zero sy iray (0 sy 1) ihany no ao amin’io tarehimarika io, ka ireo no atambatambatra sy atao mifamadibadika mba hahazoana tarehimarika vaovao maro. Arakaraka ny mahalava ny tarehimarika iray àry no mahasarotra ny hamantarana azy. Raha atao mifamadibadika, ohatra, ny isa zero sy iray ao amin’ny 10 100 010, dia ahazoana tarehimarika vaovao miisa 256. Sarotra tokoa àry ny mamantatra tarehimarika ahafahana manokatra fanazavana tehirizin’ny ordinatera.

Misy ihany anefa ny mahavita mangalatra. Olona 11, ohatra, no voampanga ho nanao izany tany Etazonia, tamin’ny 2008. Nalain’izy ireo tamin’ny alalan’ny ordinatera entin-tanana sy teknolojia ary programa manokana ny tarehimarika eo amin’ny karatra fampiasan’ny olona handoavam-bola rehefa mividy zavatra. Nampiasain’izy ireo mba hisandohana ilay izy avy eo.

Inona no mbola azonao atao?

Azo antoka fa tena sarotra fantarina ny mari-pamantarana miafina miaro ny kaontinao any amin’ny banky sy ny fividianan-javatra ataonao amin’ny alalan’ny Internet. Misy zavatra maro tokony hataonao ihany anefa. Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Aoka àry ianao ho malina, ary ataovy “miafina” amin’ny mpisoloky sy ny mpangalatra ny mombamomba anao. Araho tsara ireto:

◼ Asio programa miaro amin’ny virosy ny ordinateranao.

◼ Mampiasà programa mahay mamantatra programa hafa izay mangalatra fanazavana mombamomba anao.

◼ Asio fitaovana na programa tsy ahafahana manokatra ny ordinateranao.

◼ Havaozy tsy tapaka ireo programa rehetra ireo, ary mampiasà programa vaovao miaro an’izay raketin’ny ordinateranao.

◼ Mitandrema raha asaina miditra ao amin’ny tranonkala vaovao (site Web) ianao, na maharay e-mail, na hafatra tonga eo no ho eo avy amin’olona tsy fantatrao, indrindra raha manontany ny mombamomba anao na ny tenimiafina ampiasainao izy.

◼ Rehefa mandefa fanazavana momba anao amin’ny alalan’ny Internet, ohatra hoe momba ny karatra fitrosana fampiasanao ianao, dia pejy misy adiresy manomboka amin’ny hoe “https://” no ampiasao. Ilay hoe “s” eo amin’ny farany no midika hoe voaro. Hidio ilay tranonkala rehefa vita izany.

◼ Tenimiafina sarotra fantarina no fidio. Ataovy tsy misy mpahalala koa ilay izy.

◼ Aza manokatra programa tsy fanta-piaviana, na mandika izany ao amin’ny ordinateranao.

◼ Ataovy dika mitovy foana ny fanazavana raketin’ny ordinateranao, ary tehirizo tsara ilay faharoa.

Raha arahinao tsara ireo sy ny fitandremana hafa tsara atao dieny izao sy amin’ny hoavy, dia azo inoana fa tena mety ho vitanao ny miaro ny fanazavana momba anao izay tsy tianao ho fantatr’olona.

[Sary, pejy 26]

Tehina fampiasa tany Sparta

[Sary, pejy 26]

Milina Enigma, tamin’ny taonjato faha-20

[Sary, pejy 26]

Voaro kokoa ny mombamomba anao, ankehitriny