Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fanamboarana ny Kafe Expresso?

Ahoana no Fanamboarana ny Kafe Expresso?

Ahoana no Fanamboarana ny Kafe Expresso?

Anisan’ny zava-pisotro be mpitia indrindra eto an-tany ny kafe. Ana hetsiny tapitrisa kaopy amin’izy io mantsy no sotroin’ny olona isan-taona.

HOY ny gazety Amerikanina Siantifika (anglisy): “Hitan’ireo mpisotro kafe fa ny expresso vita tsara no kafe tsara indrindra. Hafakely mantsy ny fomba fanamboarana azy io, ary tena mampivoaka ny tsirony izany.” Fitaovana manokana, ohatra, no ampiasaina mba hampifantsitsitra mafy ny rano mangotraka na etona eo amin’ny vovo-kafe voatoto tsara.

Hoy ny lehilahy iray matihanina amin’ny fanaovana kafe: “Rehefa misotro kafe eny amin’ny mpivarotra ny olona, dia tiany raha atao toy ny kafe expresso ilay izy. Tiany koa raha mba mahavita kafe tsara toy izany izy any an-tranony.” Efa misy fitaovana natokana ho amin’izany izao. Mihamaro àry ny olona misotro kafe expresso vita ao an-trano.

Mpisotro kafe ve ianao? Tianao ve ny hahay hanamboatra kafe expresso? Inona no tokony hatao mba hahavitana kafe matsiro? Nametraka an’io fanontaniana io tamin’i John sy Gerardo rainy, izay efa matihanina amin’ny fanamboarana kafe, ny Mifohaza!

Fidio tsara ny voan-kafe afangaro

Mipetraka ao Sydney, Aostralia, i John sy Gerardo. Feno gony misy voan-kafe avy any amin’ny tany maro mitandahatra ao amin’ny orinasany. Hoy i John: “Mifidy karazana voan-kafe aho mba hafangaroko. Efa manana lisitra izahay ahitana hoe voan-kafe inona sy inona avy no mety hafangaro, ary efa ao koa ny fatrany. Samy manana ny mampiavaka azy mantsy ny karazana voan-kafe, ary manome tsiro hafakely izy ireny rehefa afangaro. Mila manao fanandramana imbetsaka ianao vao mahazo an’ilay tsirony tadiavinao. Efa nanao fanandramana nandritra ny enim-bolana aho, vao nahita an’ilay tsiro-na expresso tsara indrindra anananay izao.” Tsy mahagaga raha tsy tian’ny mpanao kafe alaina tahaka ny tsiro-na kafeny!

I Gerardo no miandraikitra ny fanendasana ny voan-kafe. Ilana fiofanana be ny fanaovana izany. Tena manova ny raha simika ao amin’ny kafe mantsy ny fanendasana azy, sady miteraka zavatra mora mirehitra misy karazany 500 eo ho eo. Endasina ao anatin’ny fitaovana iray mandeha amin’ny gazy ireo voan-kafe. Mipoapoaka sy mibontsina izy ireo rehefa tratran’ny hafanana ny rano sy ny gazy karbonika ao anatiny. Mamoaka menaka ireo voa aorian’izay. Io menaka io no manome an’ilay hanitra sy tsiro mampiavaka ny expresso. Mila hainao tsara fotsiny ny mandanjalanja ny haavon’ny hafanana anendasana an’ireo voa sy ny faharetan’ny fotoana anendasana azy.

Esorin’i Gerardo avy ao amin’ilay fanendasana ireo voa rehefa mendy, ary afindrany ao anatin’ny harona iray vita amin’ny vy. Tsofina amin’ny rivotra mangatsiatsiaka izy ireo avy eo mba tsy ho mendy loatra. Hoy i John: “Afaka iray na roa andro aorian’ny fotoana anendasana azy no tena mivoaka tsara ny tsiron’ny kafe.” Azo amboarina amin’izay ilay kafe amin’io fotoana io, satria efa tsy miovaova intsony ilay menaka mamoaka ny tsirony.

Fanamboarana ranon-kafe

Hoy i John: “Maro ny fomba fanaovana kafe, fa ny fanamboarana ny expresso no mandaitra indrindra na dia sarotra aza.” Ilana fahaizana manokana ireto lafin-javatra telo ireto: Mitoto an’ireo voa (1), mamatratra ny vovo-kafe ao anatin’ny fitaovana fanatantavanana (2), ary mandraraka an’ilay kafe ao anaty kaopy (3). Hoy i John: “Tokony ho voatoto tsara ny voan-kafe. Raha tsy izany dia lasa tsy mahery ilay kafe sady matsora. Raha toro loatra indray anefa ilay izy, dia lasa mangidy sady re hoe may. Hita avy amin’ny roatran’ilay kafe raha tsara ilay izy na tsia.”

Afatratr’i John ao anatin’ny fitaovana iray fitantavanana ny vovo-kafe. Mampiasa fitaovana manokana izy amin’izany, ka lasa malamalama erỳ ny tampon’ilay vovo-kafe rehefa mifatratra tsara. Hidiany ny milina misy an’ilay fitantavanana avy eo, ary alefany ny rano mangotraka. Iny fa miraraka avy eo amin’ilay paompy ny ranoka volontsôkôlà mahamay. Hitan’i John avy hatrany fa tsy voatoto tsara ilay voan-kafe. Hoy izy: “Matetika ianao no mila manandrana imbetsaka vao mahavita kafe tsara. Aleo averina indray, dia ataontsika malemy kokoa ny vovo-kafe. Ataontsika mifatratra noho ilay teo aloha koa ilay izy, mba ho ela kokoa vao ho tafavoaka ny ranon-kafe.”

Nataon’i John izany ary nalefany indray ilay rano mangotraka. Iny fa nivoaka ilay kafe expresso. Be dia be ny roatrany ary maditidity toy ny tantely nohafanaina ilay izy. Nitsiky i John rehefa nanentohento eran’ny trano ilay fofona manitra mampitelin-drora. Hoy izy: “Tokony tsy halefa intsony ny rano rehefa manomboka matsora ny lokon’ny kafe.” Tsy tokony halefa mihoatra ny 30 segondra ny rano. Hoy ihany izy: “Mampitombo ny habetsahan’ny kafeinina fotsiny ny fandefasana an’ilay rano sady mampangidy an’ilay kafe.”

“Tsara ity kafe expresso vitantsika ity”, hoy i John rehefa nahita an’ilay roatra miavosa sy malambolambo. Nanontany izy hoe: “Misy te hisotro kafe ve?”

Ny expresso tsy misy ronono no tian’ny olona sasany. Mety hasiany siramamy kely fotsiny ilay izy. Ny an’ny hafa kosa ampiany ronono mafana mba hanaovana kafe cappuccino, na karazana expresso hafa. Milaza ny gazety iray fa “ny expresso misy ronono no tena be mpividy indrindra.” *

Anisan’ny zavatra tsotra nefa mahafinaritra ny miara-miresadresaka sady misotro kafe na dite. Hoy i John: “Mampiray ny olona ny zava-pisotro tsara tsiro. Izay angamba no tena mampiavaka azy ireny!”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy kafeinina mety hanandevo ao amin’ny kafe na dite. Raha sahiran-tsaina àry ianao hoe tokony hisotro azy ireny ve ny Kristianina sa tsia, dia vakio ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2007.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

MAHAIZA MIVIDY SY MAMPIRINA

Hoy ny boky iray momba ny fividianana kafe: “Mora lefy ny tsiron’ny kafe: Ny an’ny voan-kafe rehefa afaka herinandro aorian’ny nanendasana azy, ny an’ny vovo-kafe afaka adiny iray aorian’ny nitotoana azy, ary ny an’ny kafe ranony afaka minitra vitsy aorian’ny nahavitana azy.” Aza atao betsaka àry ny voan-kafe vidinao. Ampirimo amin’ny toerana mangatsiatsiaka sy maizimaizina koa ilay izy. Tsy mety anefa raha atao ao anaty vata fampangatsiahana izy io, satria very ny tsirony rehefa tratran’ny hamandoana. Karakarao avy hatrany ny kafenao rehefa voatoto.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary 3: Images courtesy of Sunbeam Corporation, Australia